FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w96 15/11 p. 21-23
  • Hararaoty Izao Fahafahana Tsy Manam-paharoa Izao!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Hararaoty Izao Fahafahana Tsy Manam-paharoa Izao!
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanaovana fanapahan-kevitra mampiseho fahendrena
  • Manokana ny fotoana iainantsika
  • ‘Tsy maintsy torina aloha ny vaovao tsara’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • ‘Katsaho Aloha Ilay Fanjakana’
    Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
  • Fanompoana ho anao ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Mpitory ny fanjakan’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
w96 15/11 p. 21-23

Hararaoty Izao Fahafahana Tsy Manam-paharoa Izao!

EFA lasa lavitra i Rado teo amin’ny fianarany momba ny fitsaboana, fony nihazona ny fahalianany ilay hafatra momba ny famonjena ao amin’ny Baiboly. Rehefa nahazo diplaoma izy, ary nanomboka niasa tamin’ny naha-dokotera azy tao amin’ny hopitaly iray, dia nampirisika azy tsy an-kijanona ireo lehibeny mba hiofana manokana ho mpandidy momba ny rafi-pitatitra (neurochirurgien). Izany dia fahafahana ho nohararaotin’ny dokotera vaovao maro tsy amim-pisalasalana.

Kanefa, nanapa-kevitra ny tsy handray an’io fahafahana io, i Rado.a Nahoana? Moa ve izy tsy nanana tsotra izao ny faniriana sy ny antony nanosika nilaina? Tsia, satria tena nandinika tamim-pitandremana ilay fanolorana, i Rado. Rehefa tonga Vavolombelon’i Jehovah vita fanoloran-tena sy batisa izy, dia naniry handany fotoana faran’izay betsaka, teo amin’ireo lafim-panompoana kristiana maro samihafa. Rehefa ho tonga mpandidy momba ny rafi-pitatitra izy, hoy ny fanjohian-keviny, dia haka betsaka kokoa hatrany amin’ny fotoanany sy ny heriny, ny asany. Nampiseho hadalana sa nampiseho fahendrena izy, tamin’ny famelana an’io fahatsinjovan-javatra hahazoan-daza io?

Ho an’ny sasany, dia mety ho toa mampiseho hadalana ny fanapahan-kevitr’i Rado. Kanefa, izy dia nanisy fiheverana an’ireo andinin-teny ao amin’ny Baiboly toy ny Efesiana 5:15, 16. Ao ny apostoly Paoly dia nampirisika mafy an’ireo Kristiana sahala aminy toy izao: “Tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry, ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao.”

Mariho aza fady ilay fitenenana hoe “andro azo anaovan-tsoa”. Izy io dia nadika avy tamin’ny teny grika iray ampiasaina indrindra ao amin’ny Baiboly mba hiresahana ny amin’ny fotoana, na fe-potoana iray voamariky ny lafin-javatra sasany, na mifanentana amin’ny asa iray voafaritra tsara. Eto i Paoly dia nanamafy fa ny Kristiana dia tokony haka fotoana ho an’ireo raharaha lehibe. Eny tokoa, mila ‘mamantatra izay zavatra [lehibe kokoa, NW ]’, izy ireo. (Filipiana 1:10). Raharaha mahakasika ny famerana izay zavatra homena ny laharam-pahamehana, ilay izy.

Koa inona àry no fikasan’Andriamanitra ny amin’izao androntsika izao? Inona no sitrapon’Andriamanitra ho an’ireo tia azy? Ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly dia manondro mazava ny androntsika ho “ny fotoan’ny farany”, na “andro farany”. (Daniela 12:4, NW; 2 Timoty 3:1, NW ). I Kristy Jesosy dia tsy namela hisalasala raha ny amin’ny hoe inona no ho zava-dehibe indrindra ho an’ny androntsika. Nolazainy tamin’ny fomba voafaritra tsara fa, alohan’ny faran’itỳ fandehan-javatra ratsy itỳ, dia “hotorina amin’ny tany onenana manontolo itỳ vaovao tsaran’ilay fanjakana itỳ, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra”. Amin’izay ihany vao ho tonga ny farany. — Matio 24:3, 14, NW.

Noho izany, isika dia mila manararaotra ny fahafahana rehetra mba hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana sy hanao mpianatra. (Matio 28:19, 20). Koa satria tsy hiverina intsony mihitsy ireo asa ireo, dia izao no fahafahana farany hanomezantsika izay rehetra ananantsika ho an’io asa famonjena aina io. “Indro, ankehitriny no andro fankasitrahana”. Eny tokoa, “indro, ankehitriny no andro famonjena”. — 2 Korintiana 6:2.

Fanaovana fanapahan-kevitra mampiseho fahendrena

I Rado — ilay tovolahy voalaza etsy am-piandohana — dia nieritreritra tamim-pitandremana momba ny fanapahan-keviny ary nanombana izay ho vidin’ireo zavatra azony nisafidianana. Takany fa tsy ho ratsy ny hianarany noho ny fikendrena ho tonga mpandidy momba ny rafi-pitatitra. Kanefa, inona no zava-dehibe indrindra taminy? Izany dia ny asany teo amin’ny fanompoana kristiana, rehefa heverina ny maha-maika an’io asa io. Tamin’izay fotoana izay ihany, dia nanana adidy niantsorohana koa izy. Nanambady izy, ary tsy maintsy namelona ny vadiny izay nandray anjara tamin’ny asa fitoriana manontolo andro. (1 Timoty 5:8). Tsy maintsy nanefa ny trosa nifandray tamin’ny fianarana nataony koa, i Rado. Koa nanapa-kevitra ny hanao inona àry izy?

Nanapa-kevitra ny hianatra manokana momba ny fitarafana, i Rado, ka hampiasa scanner échographique. Izany dia asa izay hitaky andro fiasana ara-dalàna iray. Ny tenany koa dia handray ilay fampiofanana mandritra ireo ora fiasana mahazatra. Eny, mety hisy hihevitra fa asa tsy dia ahazoan-daza firy izany, kanefa dia hanome azy fotoana betsaka kokoa hatokana ho an’ny zava-kendrena ara-panahy.

Nisy fandinihana hafa iray koa nanosika an’i Rado handray ilay fanapahan-kevitra. Na dia tsy nitsara ny hafa izay nety ho nandray fanapahan-kevitra hafa aza izy, dia fantany fa mametraka loza ho an’ny Kristiana ny fahatongavana ho tafiditra be loatra amin’ny raharaha tsy ara-pivavahana. Mety hahatonga azy hanao tsirambina ireo andraikitra ara-panahy izany. Hazavaina amin’ny ohatra hafa iray izany. Nihodinkodina tamin’ny asa koa izy itỳ.

Mpanakanto nahazo fiofanana ny mpitory ilay Fanjakana manontolo andro iray. Nahavita namelon-tena teo amin’ny lafiny ara-bola izy, tamin’ny fivarotana ireo sary hoso-dokony. Raha mbola nanokana ny ankamaroan’ny fotoanany tamin’ny fanompoana kristiana izay tena zava-dehibe izy, dia afaka, araka izany, namelon-tena mora foana. Kanefa, nanomboka nitombo ny faniriana hampandroso ny asan’ny mpanakanto nofidiny hatao teo amin’ny fiainana. Nanjary tafiditra bebe kokoa tamin’ny sary hoso-doko sy ny tontolon’ny zavakanto izy, ka nandao ny fanompoana manontolo andro, ary tamin’ny farany dia nanjary tsy niasa tanteraka izy, raha ny fitoriana ilay Fanjakana no resahina. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nanjary voarohirohy tamin’ny fitondran-tena tsy mifanaraka amin’ny Soratra Masina izy, ka izany dia nitarika azy tsy ho anisan’ny kongregasiona kristiana intsony. — 1 Korintiana 5:11-13.

Manokana ny fotoana iainantsika

Sahala amin’ireo manompo an’i Jehovah ankehitriny, isika dia azo inoana fa maniry hitoetra ho mahatoky eo anatrehany. Fantatsika fa miaina amin’ny fotoana faran’izay manokana eo amin’ny tantaran’ny olombelona, isika. Mba tsy hitsaharana amin’ny fanompoana an’Andriamanitra ary mba hiatrehana amin’ny fomba mandaitra ireo toe-javatra misy ankehitriny, dia mety hilaintsika ny hanao fanitsiana maro samihafa. Azontsika atao ny mampitaha izany amin’ny fotoam-pijinjana ho an’ny mpamboly iray. Izany dia fe-potoana ho an’ny asa manokana iray, izay hanantenana ny hiezahan’ireo mpiasa ao amin’ny toeram-pambolena, mafy kokoa noho ny mahazatra, ka handaniany andro fiasana lava kokoa. Nahoana? Satria tsy maintsy hangonina ao anatin’ny fe-potoana voafetra ny vokatra.

Tsy misy afa-tsy fotoana tena voafetra sisa tavela ho an’ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny. Mihoatra noho ny hatramin’izay, ny tena Kristiana dia mila miezaka mafy izao, mba hanaraka ny ohatra navelan’i Jesosy sy handeha amin’ny lalany. Ny lalam-pitondran-tena narahiny tamin’ny fiainany teto an-tany, dia nampiseho mazava izay noheveriny ho zava-dehibe indrindra. Hoy izy hoe: “Isika tsy maintsy manao ny asan’Izay naniraka Ahy, raha mbola antoandro; avy ny alina, ka tsy mahazo miasa ny olona.” (Jaona 9:4). Tamin’ny filazana fa avy ny alina, i Jesosy dia niresaka ny amin’ny fotoana hisedrana sy hanomboana azy ary hahafatesany, rehefa hifarana ny fanompoany teto an-tany, ka tsy ho afaka hanao ny asan’ilay Rainy any an-danitra izy.

Marina fa nandritra ireo telo taona sy tapany nanompoany, i Jesosy dia nandany ny fotoanany sasany hanaovana fahagagana sy hanasitranana ny marary. Na dia izany aza, dia nampiasa ny ankamaroan’ny fotoanany izy hitoriana ny hafatra momba ilay Fanjakana, sy ‘hitoriana ny fanafahana an’ireo babon’ny’ fivavahan-diso. (Lioka 4:18, NW; Matio 4:17). I Jesosy dia nanao ezaka tamim-pahatsorana teo amin’ny fanompoany, ary naka fotoana koa hampiofanana ireo mpianany, mba hahafahan’izy ireo hanorina teo amin’ilay fototra nataony, ary hahafahany hanohy ilay asa fitoriana tamin’ny fomba nandaitra. Nanararaotra ny fahafahana rehetra i Jesosy mba hampandrosoana ny tombontsoan’ilay Fanjakana, ary niriny ny hanaovan’ny mpianany toy izany koa. — Matio 5:14-16; Jaona 8:12.

Sahala amin’i Jesosy, isika izay mpanara-dia azy amin’ny andro ankehitriny, dia mila mahita ny tarehin-javatra misy ny olombelona toy ny ahitan’i Jehovah Andriamanitra izany. Madiva ho tapitra ny fotoana ho an’itỳ fandehan-javatra itỳ, ary Andriamanitra dia maniry ny hananan’ny rehetra fahafahana hahazo famonjena. (2 Petera 3:9). Noho izany, moa ve tsy ho fahendrena ny hametrahana ireo zava-kendrena hafa rehetra eo amin’ny toerana faharoa, manarakaraka ny fanaovana ny sitrapon’i Jehovah? (Matio 6:25-33). Mandritra ny fotoana manokana toy itỳ indrindra, ny zavatra izay ara-dalàna raha noheverina ho lehibe, dia mety hanjary ho tsy tena zava-dehibe firy eo amin’ny fiainantsika amin’ny maha-Kristiana antsika.

Hisy amintsika ve hanenina indray andro any noho ny nametrahana ny sitrapon’Andriamanitra teo amin’ny toerana voalohany amin’ny fiainantsika? Tsy izany mihitsy, satria andraisana valisoa amin’ny fomba mahatalanjona, ny lalam-pitondran-tena kristiana misy fahafoizan-tena. Ohatra, nilaza toy izao tamin’ny mpianany i Jesosy: “Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy olona efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na reny, na ray, na zanaka, na tany, noho ny amiko sy ny filazantsara, ka tsy handray zato heny amin’izao andro ankehitriny izao — dia trano sy rahalahy sy anabavy sy reny sy zanaka sy tany mbamin’ny fanenjehana — ary amin’ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay.” — Marka 10:29, 30.

Tsy misy olona afaka manombana ny vidiny ara-bolan’ireo valisoa azon’ireo mampiasa ny fotoanany hiderana an’i Jehovah sy hanambarana ny hafatra momba ilay Fanjakana. Mahazo fitahiana maro aoka izany izy ireo! Tafiditra amin’izany ireo tena namana, ny fahafaham-po eo am-panaovana ny sitrapon’Andriamanitra, ny tsikim-pankasitrahana avy amin’Andriamanitra, ary ny fahatsinjovana fiainana tsy hanam-pahataperana. (Apokalypsy 21:3, 4). Ary fitahiana toy inona moa ny manampy olona amin’ny lafiny ara-panahy, sady manome voninahitra ny anarana masin’i Jehovah amin’ny maha-Vavolombelony! Tsy isalasalana fa tena fahendrena sady lalam-pitondran-tena mahafa-po ny ‘fanararaotana ny andro azo anaovan-tsoa’. Ankehitriny indrindra no fotoana andraisana anjara amin’ny fanambarana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Hanararaotra an’io fahafahana tsy manam-paharoa io ve ianao ka hifikitra amin’izany?

[Fanamarihana ambany pejy]

a Solon’anarana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara