Miaritra ve Ianao?
1 ‘Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho, dia ny handehanan’ny zanako araka ny fahamarinana.’ (3 Jaona 4). Nitondra fifaliana lehibe ho an’i Jaona ny fiaretan’ny zanany ara-panahy. Tsy maintsy mahafaly an’ilay Raintsika any an-danitra erỳ ny mahita ireo mety ho tonga zanany, “mandeha araka ny fahamarinana”! — Ohab. 23:15, 16; 27:11.
2 Na dia maneho fikirizana eo amin’ny fanaovana ny asa kristianina amin-jotom-po aza ny vahoakan’Andriamanitra amin’ny fitambarany, dia nampiadana tsikelikely ny fanompoany kosa ny sasany. Nety ho navitrika izy ireo fony nahafantatra voalohany ny fahamarinana, rehefa nandeha anefa ireo taona, dia lasa manana fahazarana tsy handray anjara afa-tsy kely na mahalana eo amin’ny asa fanaovana mpianatra izy ireo.
3 Tsy mahagaga raha mety ho nampiadana ny fanompoany ny sasany, noho ny fetran’ny mety ho vitany eo amin’ny ara-batana sy ny vokatry ny fandroson’ny taonany. Kanefa, tokony hoderaina noho ny fiaretany izy ireo. Manao izay vitany izy ireo. Ny tsirairay izay nanolotra ny fiainany ho an’Andriamanitra anefa dia tokony hanontany tena hoe: ‘Namela ny tenako hifantoka be loatra tamin’ny fikatsahan-javatra ho an’ny tenako ve aho, ka toerana kely eo amin’ny fiainako sisa no tanan’ny tombontsoan’ilay Fanjakana? Nanjary toa “matimaty” ve aho, sa mbola mikely aina “amin-kery” ihany?’ (Apok. 3:15, 16; Lioka 13:24, NW ). Enga anie isika rehetra hisaintsaina amim-bavaka ny amin’izay ataontsika, ka hanao fanatsarana, rehefa ilaina izany, amin’ny fitadidiana fa i Jehovah dia mampanantena ny hanome ‘voninahitra sy laza ary fiadanana ho an’ny olona rehetra izay manao ny tsara’. — Rom. 2:10.
4 Ny fomba hiaretana: Inona no nanampy an’i Jesosy hiaritra? Nanazava toy izao i Paoly: “Noho ny fifaliana izay napetraka teo anoloany, dia niaritra ny hazo fijaliana izy, tsy nitandro henatra, ary efa nipetraka eo ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra.” (Heb. 12:1-3, NW ). Ilay fifaliana napetraka teo anoloan’i Jesosy dia navesa-danja lavitra noho ireo fisedrana nihelina tsy maintsy natrehiny. Afaka manampy antsika hiaritra koa ny fihazonana ao an-tsaina ilay fifaliana napetraka teo anoloantsika. (Apok. 21:4, 7; 22:12). Raha mitodika any amin’i Jehovah mba hanome antsika tanjaka isika, amin’ny alalan’ny fianarana manokana sy ny fanatrehana fivoriana tsy tapaka ary ny fivavahana amim-pikirizana, dia ho afaka haharitra eo amin’ilay asa nasaina nataontsika.
5 Mahafaly an’i Jehovah ny fiaretan’ny olony tsy mivadika. Koa enga anie isika hampitombo ny fifaliany, amin’ny fanohizana “mandeha araka ny fahamarinana”.