Vonona Hanompo ve Ianao?
1 Nisy fisehoan-javatra hafa kely tamin’ny 778 al.f.i. Hitan’i Isaia mpaminany tao amin’ny fahitana “ny Tompo nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana avo sady manerinerina”. Reny avy eo ireo serafima niresaka momba ny voninahitr’i Jehovah, nanao hoe: “Masina, masina, masina Jehovah, Tompon’ny maro”. Tsy maintsy ho tena nahatalanjona izany! Tamin’izay i Jehovah no nametraka izao fanontaniana mampieritreritra izao: “Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho irakay?” Tsy nohazavaina hoe fanirahana hanao inona izy io, na hoe inona no soa ho azon’izay manaiky handeha. Tsy nisalasala anefa i Isaia namaly hoe: “Inty aho, iraho aho.”—Isaia 6:1, 3, 8.
2 Mampiavaka ny vahoakan’i Jehovah izany fahavononana hanao izay rehetra angatahiny izany. (Sal. 110:3) Misy antso manokana ho an’ireo vonona hanompo koa ankehitriny. Vonona toa an’i Isaia koa ve ianao?
3 Mitombo foana ny rahalahy ilaina hanompo ato amin’ny Betela. Tsy maintsy maniry mafy ny hametraka ny tombontsoan’ilay Fanjakana eo amin’ny toerana voalohany izy ireo, ary vonona ny hanao izay takina mba hanohanana ny asa fitoriana maneran-tany. (Matio 6:33) Manome fahafahana hafa kely ho an’ny olona iray mba hanompo an’i Jehovah amin’ny fanahiny rehetra ny fanompoana ato amin’ny Betela. Amin’ny fomba ahoana?
4 Ny asa atao eto amin’ny Betela: Hevero ireo zavatra atao tsy tapaka eto. Manana tombontsoa manohana akaiky ny mpanompo mahatoky sy malina sy ny Fitambara-mpitantany ireo rahalahy sy anabavy 70 miasa eto, amin’ny famokarana Baiboly sy boky aman-gazety momba ny Baiboly natao hampiasaina eny amin’ny saha maneran-tany sy hianarana manokana. (Matio 24:45) Misy ezaka mafy atao mba hahitana ‘teny mahafinaritra izay mahitsy, dia ny tenin’ny fahamarinana’, hampiasaina ao amin’ireo boky sy gazety. (Mpit. 12:9, 10) Omena toromarika koa ireo mpandika teny maherin’ny 1 900 eran-tany, izay manampy amin’ny famokarana boky sy gazety amin’ny fiteny maherin’ny 300. Be ny asa atao any Brooklyn mba handrindrana ny asan’ireo sampana 111 eran-tany. Ampian’i Brooklyn koa ireo sampana mila fitantanana ara-teknika amin’ny fanorenana Betela sy Efitrano Fivoriambe ary ireo Efitrano Fanjakana 15 248 vaovao ilaina haorina any amin’ireo tany tsy manam-bola firy. Ilaina ny mpiasa an-tsitrapo vonona hikarakara ny fandefasana entana, ny fanadiovana, ny fikojakojana, ny fandrahoan-tsakafo sy ny fividianan-javatra ary ny raharaha hafa eto amin’ny Betela.
5 Asa be izany rehetra izany, nefa mahafa-po ara-panahy. Tena mahafaly ny mahatsapa hoe ampiasaintsika hanohanana ny asa fitoriana sy fampianarana ny hery sy ny tanjatsika. Manjary mahafantatra amin’ny an-tsipiriany kokoa ny fandaminan’i Jehovah isika rehefa manompo eto amin’ny Betela. Ampahatsiahivina isika fa nampirisika ny Isiraelita hamantatra tsara kokoa ny foiben’ny fanapahan’Andriamanitra tamin’ny androny ny mpanao salamo.—Sal. 48:12, 13.
6 Fitahiana noho ny fanompoana eto amin’ny Betela: Inona no tsapan’ireo Betelita momba ny tombontsoam-panompoany? Mariho ireto fanamarihan’ny mpianakavin’ny Betela tanora sy be taona ireto. Hoy ny anabavy iray nanompo telo taona tao amin’ny Betela: “Nanamafy ny fifandraisako amin’i Jehovah ny fanompoana teto. Rehefa nandeha ny fotoana, dia fantatro tsara kokoa ny fomba fiasan’ny Betela, ka nanjary fantatro tsara kokoa ny toetran’i Jehovah. Nanokatra ny masoko izany mba hahita fa mampiasa olona tena isan-karazany i Jehovah. Ary tsy voatery ho lavorary ianao vao hekeny.”
7 Hoy ny rahalahy tanora iray: “Tadidiko aho nieritreritra hoe: ‘Tena hahafinaritra izany ho tonga ao amin’ny tontolo vaovao izany ka hilaza amin’ireo lehilahy nahatoky fahiny hoe nanompo taona maro tao amin’ny Betela aho fa tsy variana nitady vola.’ ”
8 Hoy koa ny rahalahy tanora iray momba ny fampiofanana azony: “Fitahiana lehibe ny nahafantatra tsara kokoa ny tenako sy ny zavatra nilaiko hohatsaraina ary ny fampitomboana ireny toetra ireny. Tsapako fa afaka manompo an’i Jehovah tsara kokoa aho izao. Hitako fa manam-paharetana kokoa aho, mahay mifehy tena kokoa, ary afaka maneho fitiavana bebe kokoa.”
9 Izao no nolazain’ny anabavy iray momba ny fitahiana azony hatramin’izao: “Noho ny fandaharana ara-panahy eto dia fantatro tsara kokoa i Jehovah sy ny fomba azoko anahafana azy amin’ny fisainako sy ny fihetseham-poko ary ny zavatra ataoko. Mitohy izany fampiofanana izany, ka tsy tapaka koa ilay fitahiana.”
10 Hoy ny rahalahy iray nandany 59 taona tamin’ny fanompoana manontolo andro, ka ny 43 taona mahery tao amin’ny Betela: “Tsy monasitera araka ny iheveran’ny sasany azy ny Betela. Be ny zava-bita eto noho ny fandaharam-potoana hentitra. ... Faly amin’ny zava-bitako isan’andro aho, isaky ny avy miasa. Nahoana? Satria rehefa manompo an’i Jehovah amin’ny fanahy rehetra isika, dia afa-po mahafantatra fa ‘nanao izay tokony ho natao’.”—Lioka 17:10.
11 Hoy koa ny rahalahy iray nanompo nandritra ny 62 taona tao amin’ny Betela: “Mino mafy aho fa ny Betela no toerana tsara indrindra eto an-tany, alohan’ny hahatongavan’ny Paradisa. Tsy nanenina mihitsy aho nanao ny fanompoana manontolo andro ho asako teo amin’ny fiainana. Tena faly aho mahita maso sy mandray anjara amin’ny fitomboan’ny fandaminan’i Jehovah eto an-tany! Tapa-kevitra aho, sady ampian’i Jehovah, mba hanohy hanao ny Betela ho tranoko, sy hiasa amin’ny fanahiko rehetra, hampandrosoana ny tombontsoan’ilay Fanjakana.”
12 Ireo mpianakavin’ny Betela ireo dia tsy nanonona afa-tsy ny vitsivitsy monja amin’ireo fitahiana maro ho azonao raha vonona hanompo ato amin’ny Betela ianao. Tsy maintsy mahafeno fepetra anefa ianao, voalohany indrindra, toy ny amin’ny tombontsoam-panompoana rehetra. Inona no anisan’ny fepetra takina amin’ireo ho mpianakavin’ny Betela?
13 Fepetra takina: Hita eo amin’ilay faritra voafefy miaraka amin’ity ireo fepetra fototra. Zava-dehibe anefa, ankoatra ireo, ny fahavononana hiasa mafy, fa tsy ho “tia ny fahafinaretana”. (2 Tim. 3:4; 1 Kor. 13:11) Tokony ho lehilahy sy vehivavy araka ny fanahy ny mpianakavin’ny Betela, ary efa manana fandaharam-pianarana Baiboly manokana tsy tapaka sy nampiofana ny fahaizany misaina ka “mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy”. (Heb. 5:14) Tokony ho hita fa matotra eo amin’ny lafim-piainana rehetra izy ireo, anisan’izany ny fitafiana sy ny fisehoana ankapobe ary ny mozika sy fialam-boly fidiny. Manompo any amin’izay mety hilana azy ny mpianakavin’ny Betela vonon-kanompo. Matetika ny tanora no omena asa mitaky herim-batana, toy ny fanomanana sy fandefasana entana, fikojakojana, fanadiovan-trano, fiambenana amin’ny alina, fanadiovana sy fanasan-damba ary fandrahoan-tsakafo. (Ohab. 20:29) Tsy toy ny asa ara-nofo anefa ny fanendrena tsirairay eto, fa tena mahafa-po satria fanompoana masina manome voninahitra an’i Jehovah.—Kol. 3:23.
14 Herintaona, fara fahakeliny, no tokony hijanonan’ny vaovao eto. Amin’izay izy ireo dia mahazo fampiofanana ho mpiasa mahomby. Antenaina fa hanao ny Betela ho tranony izy ireo. Ny fitiavana an’i Jehovah no manosika ny mpianakavin’ny Betela hametraka ny asan’ilay Fanjakana alohan’ny tombontsoany manokana, ka mahafaly an’i Jehovah izany.—Matio 16:24.
15 Zavatra ilaina amin’izao fotoana: Matetika no rahalahy mpitovo no ilain’ny Betela, noho ny karazana asa atao eto. Tsy fepetra takina ny hoe mpisava lalana maharitra ilay olona, kanefa tsara kokoa izany, satria efa fanompoana manontolo andro. Mety ho afaka hanompo koa indraindray ny anabavy mpitovo sy ny mpivady 19 ka hatramin’ny 35 taona, ka manana fahaizana sasany ilaina eto amin’ny Betela. Ampirisihina hanao fangatahana koa ny rahalahy sy anabavy sasany mety ho mahery kelin’ny 35 taona, nefa manana fahaizana manokana azo ampiasaina eto amin’ny Betela. Anisan’izany ny mpitsabo nify, dokotera, mpitana kaonty, mpanao mari-trano, injeniera, mpitsabo mpanampy, raha ireo fotsiny aza no hotanisaina. Tsy ampirisihanay anefa ny hanaovana fianarana na fampiofanana manokana noho ny fiheverana hoe hanampy mba hahafahana hiasa eto amin’ny Betela izany. Ireo efa manana fahaizana manokana, angamba talohan’ny nahitany fahamarinana, dia mety haniry hanoratra tsipiriany momba izany, ka hampiaraka izany amin’ny fangatahany.
16 Aza kivy raha tsy voantso ianao, rehefa nanao fangatahana. Mety ho tianao ny hanavao ny fangatahanao isan-taona. Nisy rahalahy manam-pahaizana manokana mety hilain’ny Betela, vonona hanompo nandritra ny fotoana voafetra. Afaka mangataka hanompo mandritra ny iray na roa na telo herinandro na iray ka hatramin’ny telo volana, izy ireo.
17 Tombontsoa tsy manam-paharoa ho an’ireo eto amin’ny Betela ny manompo an’i Jehovah miaraka akaiky amin’ireo rahalahin’i Kristy. Ankasitrahan’ny Fitambara-mpitantana ny fahafoizan-tenan’ny rehetra vonon-kanompo amin’ny fikarakarana izay ilain’ireo rahalahintsika maneran-tany.—Fil. 2:20-22; 2 Tim. 4:11.
18 Ry tanora—Miomàna dieny izao hanompo ato amin’ny Betela: Manomboka aloha ben’ny hahafenoanao 19 taona ny fiomanana ho amin’ny fanompoana eto amin’ny Betela. Inona no azon’ny tanora atao mba hiomanana hanompo ato? Hoy i Jesosy: “Iza moa aminareo, raha ta-hanao tilikambo, no tsy mipetraka aloha mihevitra izay ho lany?” (Lioka 14:28) Tena ilaina ny fanomanana sy ny fanaovana planina mba hahatomombana tetik’asa fanorenana iray, ary toy izany koa ny ilan’ny tanora fiheverana akaiky ny fanorenany ny hoaviny eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah! Tsy maintsy aorina aloha be eo amin’ny fiainana, ny fototra mafy mba hahatratrarany zava-kendrena ara-panahy. Miorina tsara ve ny fototrareo, ry tanora? Raha ta hanompo eto amin’ny Betela ianareo, dia diniho tsara izao manaraka izao, fa hahasoa anareo.
19 ‘Mivonòna hanompo’ amin’io tombontsoa manokana io: Nampirisika ny mpianany hitoetra ho mpitovo i Jesosy, araka ny Matio 19:12. Nahoana? Tsy noho ny antony manokana akory, fa “noho ny fanjakan’ny lanitra” kosa. Nampirisika ny hanaovana toy izany koa i Paoly, “hitoeranareo tsara amin’ny Tompo, ka tsy hivezivezen’ny sainareo”. (1 Kor. 7:32-35) Mampalahelo fa misy tsy afaka manompo amin’ny maha lehilahy mpitovo ato amin’ny Betela, satria nanambady aloha be. Mampirisika ireo rahalahintsika tanora izahay mba hampiasa ny heriny hanaovana fanompoana manontolo andro, dieny mbola tsy manana andraikitra ara-pianakaviana izy ireo. Ka raha tapa-kevitra ny hanambady izy any aoriana, dia ho vady tsara kokoa, satria nahita fiainana kokoa sady za-draharaha amin’ny fanompoana kristianina. Nisy nanambady sady afaka nanohy ny fanompoany teto amin’ny Betela, rehefa nanompo taona maromaro teto. Tsy manenina izy ireo any aoriana raha manana tombontsoa hafa, toy ny hoe mpiandraikitra mpitety faritany na misionera, satria efa vonona hanompo teto amin’ny Betela.
20 Aza variana mitady zavatra ara-nofo: Tsara raha manontany tena toy izao ny tanora tsirairay: ‘Inona no hataoko rehefa vita ny fianarako any amin’ny lise? Hiasa ara-nofo manontolo andro sa hanompo an’i Jehovah manontolo andro?’ Mitaky sorona aloha ilay faharoa e! Toy izany koa anefa ny manao asa ara-nofo! Iza anefa amin’ny farany no misy vokany maharitra sy mahasoa? Mazava ny valiny nomen’i Jesosy ao amin’ny Matio 6:19-21: “Aza mihary harena ho anareo etỳ an-tany, izay misy kalalao sy harafesina manimba, sady misy mpangalatra manamitrano sy mangalatra. Fa miharia harena ho anareo any an-danitra, izay tsy misy kalalao na harafesina manimba, sady tsy misy mpangalatra manamitrano na mangalatra. Fa izay itoeran’ny harenao, dia ho any koa ny fonao.” Enga anie ny fontsika tsy hanosika antsika na oviana na oviana hikatsaka asa na zavatra ara-nofo eo amin’izao tontolo izao, fa hanosika antsika hanompo an’i Jehovah amin’ny fanahy rehetra kosa. Tsy maintsy manaiky isika rehetra fa ny hany harena mendrika hokatsahina dia ny fifandraisana tsara amin’i Jehovah, mba hampifaliana ny fony. (Ohab. 27:11) Mampiharihary izay heveriny ho sarobidy sy ny lanjan’ilay Fanjakana eo aminy ny tanora, rehefa mametraka an’i Jehovah eo amin’ny toerana voalohany amin’ny fiainany. Tsarovy fa “ny fitahian’i Jehovah no mampanan-karena, ary tsy azon’ny fisasarana ampiana izany”. (Ohab. 10:22) Manana fahafahana tsara hampiseho izay ironan’ny fony ny tanora, rehefa mamaly amin’ny zavatra tsara ny soa rehetra nataon’i Jehovah ho azy ireo. Manome izany fahafahana tsara izany ho an’ireo mahafeno fepetra ny fanompoana ato amin’ny Betela.
21 Tsy maintsy madio fitondran-tena ireo manompo ato amin’ny Betela: Nanontany toy izao ny mpanao salamo: “Inona no hiarovan’ny zatovo ny làlan-kalehany tsy ho voaloto?” Namaly izy hoe: “Ny fitandremana araka ny [tenin’i Jehovah].” (Sal. 119:9) Tafiditra amin’izany ny hoe manalavitra izay zavatra mifandray amin’ny fitondran-tena maloton’ny tontolon’i Satana. Ireto no anisan’ny fandrika ampiasain’i Satana hanakanana ny tanora tsy hahatratra tanjona ara-panahy: Sary vetaveta amin’ny Internet, fitondran-tena tsy mety amin’ny olona tsy lahy na tsy vavy toy ny tena, mozika mampietry sy fialam-boly ratsy ary ny fisotroan-toaka. Ilaina ny fahatapahan-kevitra mafy mba hanoherana ireo tetika ireo. Raha sanatria ka tafiditra amin’ireo ianareo tanora, dia miresaha amin’ireo anti-panahin’ny kongregasiona mba handaminana izany, alohan’ny hangatahanareo hiasa atỳ amin’ny Betela. Zava-dehibe ny feon’ny fieritreretana madio mba hanompoana an’i Jehovah amin’ny fomba feno.—1 Tim. 1:5.
22 Mianara mifanaraka amin’ny olona: Anisan’ny fepetra lehibe mba hahombiazana eo amin’ny fanompoana eto amin’ny Betela izany. Rahalahy sy anabavy avy amin’ny fari-piainana samy hafa no eto amin’ny Betela. Na dia manatsara ny Betela aza izany fahasamihafan-toetra izany, dia mety ho zava-manahirana koa indraindray. Raha mieritreritra hanompo ato amin’ny Betela ianao, dia ho tsara raha manontany tena hoe: ‘Mora tezitra ve aho rehefa tsy mitovy hevitra amiko ny hafa? Tsapan’ny hafa ho mora ifanarahana ve aho?’ Miezaha dieny izao, raha mila mihatsara amin’ireo lafiny ireo ianao. Hanampy anao hahay vetivety hiara-miaina sy hiara-miasa amin’ny mpianakavin’ny Betela hafa izany.
23 Miezaha mafy mba ho olona araka ny fanahy, ka mambole fifandraisana akaiky amin’i Jehovah. Manaova fandaharam-pianarana tsara, ka ampidiro amin’izany ny famakiana Baiboly isan’andro. Mazotoa mitory ny vaovao tsara amin’ny hafa. Hiharihary ny fandrosoanao ara-panahy raha manao izany rehetra izany ianao. (1 Tim. 4:15) Mahafinaritra tokoa ny zavatra miandry an’ireo miomana dieny izao hanao ny fanompoana manontolo andro ho asany!
24 Ry ray aman-dreny, ampiofano ny zanakareo: Inona no azon’ny ray aman-dreny atao mba hampirisihana ny tanora hikendry ny hanompo manontolo andro? Hoy i Jesosy: “Izay rehetra tanteraka dia ho tahaka ny mpampianatra azy ihany.” (Lioka 6:40) Azo antoka fa hanahaka ny toetra tsaran’ny mpampianatra mazoto ny mpianatra nampianarina tanteraka. Tokony hisaintsaina momba izany ny ray aman-dreny kristianina, rehefa miezaka mafy mampiofana ny zanany mba hikendry ny “toe-panahy araka an’Andriamanitra”. (1 Tim. 4:7) Koa satria mora manahaka ny fomba fijerin’ny ray aman-dreniny zavatra ara-panahy ny ankizy, dia ho tsara raha manontany tena toy izao ny ray aman-dreny: ‘Mihevitra ny asan’ny Betela ho sarobidy mba hampandrosoana ny tombontsoan’ny fivavahana amin’i Jehovah ve izahay? Ekenay ve fa mitahy ny Betela i Jehovah? Mino ve izahay fa ny fiainana anompoana an’i Jehovah no asa tsara indrindra azon’ny zanakay fidina?’ Raha mankasitraka amin’ny fontsika ny fanompoana sy ny asan’ny Betela isika, dia hanjary hampiditra tsikelikely izany fankasitrahana izany ao amin’ny zanatsika.
25 Tena nankasitraka ny fivavahana marina i Elkana sy i Hana. Ohatra mendrika hotahafin’ny ray aman-dreny kristianina izy ireo. Ny lehilahy ihany teo amin’ny Isiraely fahiny no notakina ‘hiseho teo anatrehan’i Jehovah Tompo’ intelo isan-taona tany amin’ny tabernakely. Niara-nandeha “isan-taona” 30 kilaometatra tamin’ny fianakaviany manontolo anefa i Elkana mba hanao fanatitra tany amin’ny foiben’ny fivavahana tamin’i Jehovah, ary azo inoana fa dia an-tongotra izany. (Eks. 23:17; 1 Sam. 1:3, 4, 9, 19; 2:19) Tian’ilay loham-pianakaviana mba hankasitraka zavatra ara-panahy toa azy tokoa ny fianakaviany manontolo.
26 Tia ny fivavahana marina toy ny vadiny koa i Hana. Tena takany fa nila nanohana ny fivavahana marina tany amin’ny tabernakely izy. Nivoady i Hana fa raha omen’i Jehovah zanakalahy izy, dia homeny hanompo ao amin’ny tabernakely io zanany io. (1 Sam. 1:11) Afaka nanafoana ny voady tsy mety nataon’ny vadiny ny lehilahy teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy. (Nom. 30:6-8) Toa neken’i Elkana anefa ny voadin’i Hana, ka midika izany fa nanohana io fitiavana ny fivavahana marina io koa izy!—1 Sam. 1:22, 23.
27 Nisy vokany tsara teo amin’i Samoela zanak’izy ireo ve ny fankasitrahana sy ny toe-tsaina tsara nasehon’izy ireo? Izany tokoa. Na dia mbola zazalahy aza i Samoela dia vonona sy nanao tamin’ny fony ny asa nanendrena azy, ka nampiofanina mba hahazo tombontsoam-panompoana fanampiny. Mbola nahaliana an’i Elkana sy i Hana foana ny fanompoan’i Samoela tao amin’ny tabernakely, na dia efa niasa tao aza izy. Nitsidika azy tsy tapaka izy ireo mba hampahery sy hanohana azy teo am-panohizany ny fanompoana manontolo andro.—1 Sam. 2:18, 19.
28 Tena ohatra tsara ho an’ny ray aman-dreny kristianina tokoa i Elkana sy i Hana! Manjary manana fo mirona hanompo ny hafa ny zanatsika rehefa mandre ny fankasitrahan’ny fontsika ny tombontsoam-panompoana ao amin’ny Betela sy mahita ny fahafoizan-tenantsika mampandroso ny tombontsoan’ilay Fanjakana. Mahomby eo amin’io lafiny io ny ray aman-dreny maro. Izao no nosoratan’ny ankizy iray fito taona: “Te hiasa ao amin’ny Betela aho rehefa lehibe, ary izao no tiako hatao any: 1) Manoratra ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! 2) miasa amin’ny fanaovana sary, 3) mamalon-damba. Izay misy amin’ireo dia tsara, fa tsy maninona.” Tena mahafaly ny mahita toe-tsaina vonon-kanompo toy izany mitombo ao am-pon’ny zanatsika!
29 Tsarovy ry tanora fa “mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay”. (1 Jaona 2:17) Mikatsaha zava-kendrena ara-panahy foana, anisan’izany ny tombontsoa manokana manompo ato amin’ny Betela. Ry ray aman-dreny, tahafo ny ohatr’ireo olo-nahatoky fahiny, izay nampirisika ny zanany hifikitra tamin’Andriamanitra. (2 Pet. 3:11) Ary enga anie isika rehetra mba samy hanampy ireo rahalahintsika sy anabavintsika tanora hanompo an’ilay Mpamorona Lehibe amin’ny fomba feno araka izay azo atao, satria “manana ny teny fikasana ny amin’ny fiainana ankehitriny sy ny ho avy koa” izany.—1 Tim. 4:8; Mpit. 12:1.
[Efajoro, pejy 4]
Fepetra Fototra mba Hanompoana ato Amin’ny Betela
● Vita batisa herintaona, fara fahakeliny
● Olona araka ny fanahy sady tena tia an’i Jehovah sy ny fandaminany
● Salama tsara ara-panahy sy ara-tsaina ary ara-pihetseham-po sy ara-batana
● Mizaka ny zom-pirenena malagasy, na mponina maharitra ara-dalàna eto
● Mahay mamaky sy manoratra ary miteny malagasy tsara
● 19-35 taona