Mandroso ny Fandaharana Fanorenana Efitrano Fanjakana
1 Nambara tamin’ilay Fivoriamben’ny Vondrom-paritra hoe “Tafaray Noho Ilay Fanjakana” tamin’ny 1983, tany Etazonia, fa hisy tahirim-bola manokana ho an’ny fanorenana sy fanavaozana Efitrano Fanjakana manerana an’i Etazonia sy Kanada. Tsy nampoizintsika mihitsy ny fitahiana nentin’io fiandohana kely io. Nanomboka tsapantsika kokoa ny fahatanterahan’ny Salamo 92:4, manao hoe: “Fa ampifalinao amin’ny nataonao aho, Jehovah ô; ny asan’ny tànanao no hihobiako.”
2 Faly be isika noho ireo asa tanterahina ankehitriny. Misy fandaharana atao maneran-tany amin’izao fotoana izao, mba hanorenana Efitrano Fanjakana amin’ny fomba haingana. Manana tombontsoa handray anjara amin’io asa io isika rehetra. Manao izany isika rehefa manome vola, na kely na betsaka, mba hanohanana ilay asa fanorenana toeram-pivavahana maro kokoa maneran-tany. Maro be koa ny rahalahy no mampindrana ny fitaovany, na mampiasa ny fotoanany sy ny fahaizany, ho an’io tetik’asa io. Tomombana tsara ilay fandaharana, satria nitarika sy nanampy antsika i Jehovah, ary tena nitahy ny ezaka nifarimbonantsika koa.—Salamo 127:1.
3 Sampana maro no manaraka ny fomba fiasan’ny fiangonana tany Etazonia hatramin’izay. Misy boaty androtsahan’ny mpitory fanomezana ho an’ny Tahirim-bola ho An’ny Efitrano Fanjakana, any amin’ny Efitrano Fanjakana any amin’ny tany maro. Nanao izao fanitsiana izao momba io fandaharana io Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Martsa 1997 (anglisy), tany Etazonia: “Hatramin’ny nisian’ny Tahirim-bolan’ny Fikambanana ho An’ny Efitrano Fanjakana tamin’ny 1983, dia nanao fanomezana tamim-pahalalahan-tanana ireo rahalahy. Nahafahana nampisambo-bola hanorenana Efitrano Fanjakana izany. Fiangonana 2 700 eo ho eo sahady no nandray soa avy tamin’io fandaharana io eto Etazonia. Fiangonana maro no tsy ho afaka nanorina Efitrano Fanjakana vaovao na nanavao izay Efitrano simba, raha tsy nisy an’io fandaharana io. Tena mila vola maika avy amin’io tahirim-bola io ny fiangonana any amin’ny tany mahantra ankehitriny, mba hanorenany Efitrano Fanjakana. Tena mankasitraka ny fanohizanao manohana io fandaharana io ny Fikambanana sy ireo fiangonana mandray soa avy amin’izany.”
4 Natao hanasana antsika handray anjara amin’ny fandaharana fanorenana Efitrano Fanjakana amin’ny fomba haingana, io fanambarana io. Nanjary nampiasaina mba hanampiana ireo rahalahy any an-tany hafa koa ilay tahirim-bola. Mbola ampiasaina mba hampisamborana vola hanorenana Efitrano Fanjakana any Etazonia koa anefa izy io. Izao no voalazan’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Aogositra 1997 (anglisy), tany Etazonia: “Ilaina foana ny fanorenana Efitrano Fanjakana maneran-tany. Nisy fiangonana vaovao 3 288 nandritra ny taom-panompoana lasa teo fotsiny. Maro amin’izy ireny no any Afrika, Azia, Amerika Afovoany sy Atsimo, ary any Eoropa Atsinanana.”
5 Nanao ahoana ny vokatra hatramin’izay fotoana izay? Hoy ny Diary 2001: “Noho io fandaharana io, dia Efitrano Fanjakana 453 no vita hatramin’izao tany amin’ny tany 30, ary misy 727 hafa eo an-dalam-panorenana azy ankehitriny. Nantitranterina ny famolavolana maritranon’ny Efitrano Fanjakana modely ho an’ny tany tsirairay, dia modely hampiasana fitaovam-panorenana sy fomba fanorenana eo an-toerana. Vato alaina eny amin’ny toerana fihadiam-bato no ampiasaina any Kenya; biriky no fampiasa mahazatra any Togo; biriky rihibato izay lalorina avy eo no fampiasa any Cameroun. Amin’izany fomba izany no ahafahan’ny rahalahy eo an-toerana mahazo haingana ny fahaiza-miasa tena ilaina mba hanatontosana anjara asa lehibe ao anatin’ny fandaharam-panorenana eo amin’ny fireneny.”
6 Miharihary ny fitahian’i Jehovah an’io fandaharana io atỳ amin’ny kontinanta lehiben’i Afrika. Alaivo sary an-tsaina ny vokatr’izany fanorenana izany eo amin’ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah, rehefa mijery ny sarin’ny Efitrano Fanjakana sasantsasany efa voaorina ianao! Hita amin’ny lafiny telo miavaka izany: ny firaisan-tsaina eo amin’ny fianakavian’ny mpirahalahy maneran-tany, ny vokany eo amin’ny manodidina, ary ny fitomboan’ny mpanatrika ny fivorian’ny fiangonana. Mampiseho ireo Efitrano Fanjakana naorina tatsy Afrika ity takelaka fanampiny ity, fa Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana manaraka indray hanasongadina ny fandrosoan’ny fandaharana fanorenana Efitrano Fanjakana any an-toeran-kafa.
[Sary, pejy 3]
RÉPUBLIQUE CENTRAFRICAINE
Bimbo, Bangui
Begoua, Bangui
[Sary, pejy 4]
Ukonga, Tanzania
[Sary, pejy 4]
Accra, Ghana
[Sary, pejy 4]
Salala, Liberia
[Sary, pejy 4]
Karoi, Zimbabwe
[Sary, pejy 4, 5]
Efitrano Fanjakana taloha, Allada, Bénin
Efitrano Fanjakana vaovao, Allada, Bénin
[Sary, pejy 5]
Kpeme, Togo
[Sary, pejy 5]
Sokodé, Togo
[Sary, pejy 4, 5]
Fidjrosse, Bénin
[Sary, pejy 6]
Efitrano Fanjakana taloha, Lyenga, Zambia
[Sary, pejy 6]
Efitrano Fanjakana vaovao, Lyenga, Zambia
[Sary, pejy 6]
Kinshasa, Congo
[Sary, pejy 6]
Musambira, Rwanda