FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 6/03 p. 7
  • Kilemaina Nefa Mahita Vokatra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Kilemaina Nefa Mahita Vokatra
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
  • Mitovitovy Aminy
  • Hanome Hery Anao i Jehovah!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2021
  • ‘Tanterahinao Tsara’ ve ny Fanompoanao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2019
  • Aprily — Fotoana ‘Ikelezantsika Aina sy Iezahana’
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
  • Aoka isika ho be zavatra hatao foana eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1991
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
km 6/03 p. 7

Kilemaina Nefa Mahita Vokatra

1 Mbola afaka mahita vokatra amin’ny fanompoana ianao, na dia anisan’ireo Vavolombelon’i Jehovah maro kilemaina aza. Mety hanome anao fahafahana manokana hitoriana sy hampaherezana ny hafa mihitsy aza ilay tarehin-javatra misy anao.

2 Fitoriana: Maro amin’ireo kilemaina no mandray anjara feno amin’ny fanompoana. Ohatra: Nanjary nalemy ny anabavy iray ary sahirana rehefa miteny, noho ny fandidiana natao taminy. Mbola afaka mizara gazety anefa izy, raha mametraka azy eo amoron-dalana be olona ny vadiny. Indray mandeha, dia nahapetraka gazety 80 izy tao anatin’ny adiny roa! Mety hifanerasera amin’olona sarotra ihaonana koa ianao, noho ilay tarehin-javatra manokana misy anao. Hevero ho faritaninao manokana àry izy ireny.

3 Afaka ny tena hahomby ny fitorianao! Mety ho liana amin’ny hafatra momba ilay Fanjakana ny olona, rehefa mandinika ny fahatapahan-kevitrao sy ny vokatra entin’ny fahamarinana ara-baiboly eo amin’ny fiainanao. Noho ilay zavatra iainanao koa, dia hainao kokoa ny manome fampaherezana avy amin’ny Soratra Masina, rehefa mihaona amin’ny olona iharan-java-manahirana ianao.​—2 Kor. 1:4.

4 Hatanjaho ny hafa: Tsy nampahery anao ve ny tantaram-piainan’i Laurel Nisbet? Voatery nijanona tao anaty havokavoka vy i Laurel, nandritra ny 37 taona. Nanampy olona 17 hahafantatra ny fahamarinana ara-baiboly anefa izy! Manosika ny mpiray finoana mba hiezaka mafy amin’ny fanompoana an’i Jehovah koa ny ohatra omenao.​—wMG 15/9/01 p. 17.

5 Mbola afaka manatanjaka ny hafa ihany ianao, na dia tsy mamela anao hivoaka hanompo matetika araka izay tianao aza ny tarehin-javatra misy anao. Hoy ny rahalahy iray: “Fantatro fa afaka manampy olona foana na dia ny olona manan-kilema lehibe aza. Toy ny ‘vatofantsika’ ho an’ny olona samihafa eo anivon’ny fiangonana izahay mivady. Noho ny tarehin-javatra misy anay dia eo foana izahay, ary azo hatonina.” Marina fa mety tsy ho araka ny zotom-ponao foana ny mety ho vitanao, noho ny kilemanao. Afaka ny havitrika amin’ny fanompoana anefa ianao, raha ampiana. Koa raha mila fanampiana ianao, dia aza misalasala miresaka izany amin’ny anti-panahy, na amin’olon-kafa ho afaka hanampy anao eo anivon’ny fiangonana.

6 Hitan’i Jehovah ny zavatra rehetra ataonao mba hanompoana azy, ary faly izy fa manompo azy amin’ny fo manontolo ianao. (Sal. 139:1-4) Afaka manatanjaka anao mba hanompo tsara sy hahita vokatra izy, raha mitoky aminy ianao.​—2 Kor. 12:7-10.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara