Fanolorana ny Boky Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe
◼ “Araka ny hevitrao, hihatsara ve izao tontolo izao raha manaraka an’ity torohevitra ity ny olona? [Vakio ny Matio 7:12a, ary avelao izy hamaly.] Misy lesona be dia be avy amin’ilay mpampianatra lehibe indrindra teto an-tany ato amin’ity boky ity.” Asongadino ny sary sy ny fanontaniana miaraka aminy eo amin’ny toko 17.
◼ “Miezaka mampianatra tsikelikely ny zanany mba hanana toetra tsara ny ankamaroan’ny ray aman-dreny ankehitriny. Tena ilaina ve izany, araka ny hevitrao? [Avelao izy hamaly. Vakio avy eo ny Ohabolana 22:6.] Mariho fa ampirisihina ny ray aman-dreny eto mba hampianatra ny zanany, dieny mbola zaza izy ireo. Hanampy ny ray aman-dreny amin’izany ity boky ity.” Asongadino ny sary sy ny fanontaniana miaraka aminy eo amin’ny toko 15 na 18 na 32.
◼ “Mahagaga ny ray aman-dreny matetika ny fanontaniana apetraky ny zanany. Sarotra ny mamaly ny sasany amin’ireny fanontaniana ireny, sa tsy izany? [Avelao izy hamaly. Vakio avy eo ny 2 Timoty 3:14, 15.] Mbola zazakely i Timoty, dia efa nampianarin’ny reniny sy ny renibeny ny Soratra Masina. Manampy ny ray aman-dreny ankehitriny hanao izany koa ity boky ity.” Asongadino ny sary sasany sy ny fanontaniana miaraka aminy eo amin’ny toko 11 sy 12 na 34 ka hatramin’ny 36.