FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 1/05 p. 8
  • Ahoana no Ampiasana Ireo Fomba Fampiseho?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana no Ampiasana Ireo Fomba Fampiseho?
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
  • Mitovitovy Aminy
  • Ahoana no Hanomanana Fomba Fanolorana Gazety?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
  • Aelezo Ireo Gazety Manambara ny Marina
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
  • Raha Misy Vokany Ilay Izy, dia Ampiasao!
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
  • Hatsarao ny Fanompoanao: Mamoròna Fomba Fitory Rehefa Hametraka Gazety
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2016
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
km 1/05 p. 8

Ahoana no Ampiasana Ireo Fomba Fampiseho?

1 Ahitana fomba fanolorana boky sy gazety foana Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Tsy voatery hanao tsianjery azy ireny akory isika, rehefa manompo. Manome antsika ny hevi-dehibe tokony holazaina kosa izy ireny. Hahomby kokoa isika matetika, raha ataontsika amin’ny fomba fitenintsika izy ireny. Tsy ho sadaikatra ilay olona itoriana amin’izay, ary ho hita fa tena mino izay lazaintsika isika, sady hiteny amim-pahatsorana.—2 Kor. 2:17; 1 Tes. 1:5.

2 Mahaiza mampifanara-javatra: Miankina be dia be amin’ny fanao eo an-toerana ny fomba iresahantsika ny vaovao tsara. Mila mifampiarahaba elaela ve aloha, ohatra, ianao sy ilay olona itorianao, vao resahinao izay nomaninao holazaina? Sa tian’ny olona ao amin’ny faritaninao raha tonga dia vantanina ny resaka? Miovaova arakaraka ny faritra izany, na arakaraka ny olona mihitsy aza. Mila mahay manavaka koa isika rehefa manontany. Misy fanontaniana mantsy mety amin’ny olona sasany, nefa tsy mety amin’ny hafa. Tsy maintsy mahay manavaka àry isika, ary mampifanaraka ny fomba fampisehontsika amin’ny fanao eo an-toerana.

3 Mila mandinika ny toe-tsaina sy ny mombamomba ny olona eo amin’ny faritanintsika koa isika, alohan’ny handehanana hanompo. Samy hafa, ohatra, ny fomba iresahanao ny Matio 6:9, 10 amin’ny Katolika mafana fo, sy ny olona tsy mahafantatra ilay vavaka hoe “Rainay Izay any An-danitra.” Raha mieritreritra mialoha toy izany isika, dia matetika no ho afaka hampifanaraka ny fomba fampisehontsika amin’izay ilain’ny olona, ka hanintona azy ireo kokoa izany.—1 Kor. 9:20-23.

4 Ilaina foana ny manomana tsara, na dia mikasa ny hamerina fotsiny ny fomba fampiseho ato amin’ny Fanompoantsika aza isika. Tokony hamaky tsara ilay lahatsoratra na toko eritreretintsika horesahina àry isika, ary hikaroka hevitra mety hahaliana. Resaho izy ireny avy eo. Hafana fo isika rehefa manolotra boky sy gazety, raha fantatsika tsara izay raketiny.

5 Fomba fampiseho hafa: Tsy maintsy ny fomba fampiseho ato amin’ny Fanompoantsika ve no ampiasaintsika? Tsia. Mampiasà fomba fampiseho na andininy hafa, raha izay no mora kokoa aminao. Jereo ireo lahatsoratra hafa mety tena hahaliana ny olona ao amin’ny faritaninao, indrindra rehefa hametraka gazety ianao. Tsara angamba raha ampifanarahina amin’izay mandaitra eo amin’ny faritany, ny fampisehoana mandritra ny Fivoriana Momba ny Fanompoana. Hanampy ny rehetra hahay hitory ny vaovao tsara izany.

[Fanontaniana]

1. Ahoana no tokony hampiasantsika ireo fomba fanolorana boky sy gazety ato amin’ny Fanompoantsika?

2. Nahoana isika no tokony hieritreritra ny fanao eo an-toerana, rehefa manomana ny fomba fampisehontsika?

3. Nahoana isika no mila mandinika ny toe-tsaina sy ny mombamomba ny olona iresahantsika?

4. Nahoana no tena ilaina ny manomana tsara?

5. Nahoana isika no mety hila hanomana fomba fampiseho hafa, ary ahoana no anaovantsika izany?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara