Fitoriana Mandaitra eny Amin’ny Toerana Falehan’ny Olona
1 Mitory ny vaovao tsara any amin’izay toerana rehetra ahitana olona ny Kristianina ankehitriny, toy ny nataon’ny mpianatr’i Jesosy voalohany. (Asa. 16:13; 17:17; 20:20, 21) Miezaka mitory eny amin’ny toerana falehan’ny olona izy ireo, ka mahita olona liana, izay mety tsy ho tratra an-trano mihitsy.
2 Mila mandanjalanja anefa isika rehefa mitory eny amin’ireny toerana ireny. Aleo tsy misarika ny sain’ny olona. Mety hisy ho sosotra, ohatra, raha be loatra ny mpitory mankeo amin’ny toerana na tsena sasany. Mampihen-danja ny asantsika izany, ary mety tsy hahita vokatra firy isika. Inona no azo atao mba hialana amin’izany? Nozarain’ny fiangonana sasany ho faritany kely maromaro ireo toerana falehan’ny olona ao amin’ny faritra misy azy. Hitan’izy ireo fa nahomby izany. (1 Kor. 14:40) Hirindra tsara koa ny asantsika raha ao amin’ny faritanin’ny fiangonantsika ihany isika no mitory, raha tsy hoe nanao fandaharana manokana angaha ny Komitin’ny Fanompoana, fa hanampy fiangonana hafa.—Jereo Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Novambra 1998, p. 6, feh. 15-16.
3 Fomba anombohan-dresaka: Fanamarihana fohy no nanombohan’i Jesosy ny resany tamin’ny vehivavy iray teo am-pantsakana. Notohiziny tsikelikely avy eo ilay resaka, rehefa hitany fa liana ilay vehivavy. (Jaona 4:7-26) Mety handaitra koa izany ankehitriny, amin’ny toe-javatra sasany. Nisy mpitory nahita, fa tsara aloha ny manokana minitra vitsivitsy hiarahabana ilay olona, sy hiresahana momba azy, alohan’ny hitoriana ny hafatra momba ilay Fanjakana. Milaza zavatra mahaliana ny olona eo an-toerana izy avy eo. Matetika izany no mahatonga ilay olona hiresaka. Mihaino tsara ilay mpitory, rehefa milaza izay mampanahy azy ilay olona. Manome fampiononana avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra izy amin’ny farany.—Rom. 15:4.
4 Ataovy izay hahaliana azy kokoa: Tokony hataontsika izay hahaliana kokoa ny olona nandray antsika tsara. Ahoana no azo anaovana izany? Afaka maka ny taratasy fandraisanao an-tsoratra ianao eo am-pamaranana ilay resaka, ary miteny hoe: “Nahafinaritra ny resatsika. Mbola azontsika tohizina ve amin’ny manaraka?” Na: “Misy lahatsoratra tiako hovakinao. Mino aho fa hahaliana anao ilay izy. Azoko aterina any an-tranonao ve?” Matetika no manaiky izay olona ilazana an’izany.
5 Maro amin’ireo nitoriana teny amin’ny toerana falehan’ny olona no nanaiky hianatra Baiboly. Azo atao any an-tranony ny fianarana, na any am-piasany, na any amin’ny toerana hafa azo anaovana izany. Aoka àry hataontsika tanjona ny hanomboka fampianarana Baiboly, rehefa mitory eny amin’ny toerana falehan’ny olona isika.
[Fanontaniana]
1. Ahoana no anahafan’ny Kristianina ankehitriny ny mpianatra voalohany, ary inona no vokany?
2. Nahoana isika no mila mandanjalanja rehefa mitory eny amin’ny toerana falehan’ny olona, ary inona no azontsika atao mba hampirindra tsara izany?
3. Inona no fomba anombohan-dresaka hitan’ny sasany fa mandaitra eny amin’ny toerana falehan’ny olona?
4. Inona no azontsika atao mba hahatonga ilay olona ho liana kokoa?
5. Inona no tokony ho tanjontsika rehefa mitory eny amin’ny toerana falehan’ny olona?