Aoka Ianao Hiahy ny Olona ka Hahay Hampifanara-javatra
1 Nahay nampifanara-javatra ny apostoly Paoly, ka namela ohatra tsara ho antsika. Nampifanarahiny tamin’ny olona niresahany ny fomba nitoriany ny vaovao tsara, ary nasiany fiheverana koa ny fomba fisainan’izy ireo. (1 Kor. 9:19-23) Tokony hiezaka hanao toy izany koa isika. Raha mieritreritra kely isika, dia matetika no azontsika amboarina hifanaraka amin’izay ilain’ny olona eny amin’ny faritanintsika ny fomba fitory aseho ato amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Mety ho fantatsika avy amin’ny zavatra hitantsika rehefa manatona ny tranony, ny zavatra mahaliana an’ilay olona, ka azontsika ampidirina ao amin’ny resaka ataontsika. Misy zavatra hafa azontsika atao koa anefa.
2 Izay lazain’ny olona itondrana ny resaka: Matetika no mametraka fanontaniana isika rehefa mitory, ary manasa ny olona hilaza ny heviny. Ahoana no ataonao rehefa mamaly izy? Moa ve ny resaka efa nomaninao ihany no tohizanao, fa tsy tena mihaino izay lazainy ianao? Sa hita amin’ny teninao fa asianao fiheverana ny zavatra nolazainy? Raha tena mihevitra izay nolazainy ianao, dia mety ho afaka hametraka fanontaniana fanampiny amim-pahaiza-mandanjalanja, mba hamantarana izay tena ao an-tsainy. (Ohab. 20:5) Ho azonao atao amin’izay ny hanasongadina hafatra momba ilay Fanjakana, tena mifanaraka amin’izay mahaliana an’ilay olona.
3 Tokony ho vonona hiresaka foto-kevitra hafa ankoatra ny efa nomanintsika àry isika. Mety ho zava-manahirana iray nolazain’ny vaovao, ohatra, no anombohantsika resaka, nefa zava-nitranga teo an-tanànany na zava-manahirana azy manokana no resahin’ilay olona. Raha tena miahy azy isika, dia izay zavatra tena mahakasika azy no horesahintsika mandritra ny fiaraha-midinika ara-baiboly ataontsika.—Fil. 2:4.
4 Mahaiza mampifanara-javatra: Mety ho hitantsika fa tsara kokoa raha any aoriana kely vao valiana ny fanontaniana apetraky ny olona. Ho afaka hikaroka fanazavana fanampiny momba ilay foto-kevitra isika amin’izay. Azontsika omena boky na gazety miresaka bebe kokoa momba ilay foto-kevitra koa ilay olona. Hita amin’izany rehetra izany fa miahy amim-pahatsorana ny olona isika, mba hahafantaran’izy ireo an’i Jehovah.—2 Kor. 2:17.