Fivoriana Momba ny Fanompoana
Herinandron’ny 12 Desambra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy fampandrenesana sasany eo amin’ny pejy 7. Manaova fampisehoana roa, miorina amin’ny fanoloran-kevitra eo amin’ny pejy 8, mba hametrahana ny Mifohaza! 8 Novambra sy Ny Tilikambo Fiambenana 15 Novambra. Azo atao koa ny mampiasa fomba fampiseho hafa mifanaraka amin’ny zava-misy eo an-toerana. Aorian’ny fampisehoana tsirairay, dia resaho fa mora ny nampiditra andinin-teny tao amin’ilay fomba fampiseho.
15 min: “Sekoly Manampy Antsika Hampihatra.” Lahateny ataon’ny mpiandraikitra ny Sekoly. Miresaha fanazavana avy ao amin’ny takelaka fanampiny amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Oktobra 2005.
20 min: “Fampianarana Hahazoana Fiainana.”a Ampiomano mialoha ny olona iray na roa hilaza ny fomba nandraisany soa tamin’ny fampianaran’Andriamanitra.
Herinandron’ny 19 Desambra
5 min: Fampandrenesana. Resaho ny fandaharana momba ny fitoriana amin’ny 25 Desambra sy 1 Janoary.
15 min: “Aoka Ianao Hiahy ny Olona ka Mahaiza Mampifanara-javatra.”b Asio fampisehoana fohy mampiseho ny fomba ahafahan’ny mpitory mampifanaraka ny zavatra lazainy amin’izay tenenin’ny tompon-trano.
25 min: “Afaka Mandray Fanapahan-kevitra Hentitra ve ny Zanakao?”c Ataon’ny anti-panahy. Manasà rahalahy mahay mamaky teny tsara hamaky ny fehintsoratra tsirairay. Resaho ny andinin-teny voatonona rehetra. Aorian’ny fehintsoratra 4, dia jereo indray ny fehintsoratra 30-37, amin’ny takelaka fanampiny amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Novambra 1990. Amin’ny farany, dia ampirisiho ny ray aman-dreny hijery ilay fanazavana ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Jona 2004, pejy 14-24. Ampirisiho hanao zavatra avy hatrany koa izy ireo, aorian’izany, ka hiara-midinika ilay fanazavana amin’ny zanany, sy hampanao fanazaran-tena azy ireo momba ny didin’ny Baiboly mahakasika ny ra. Tsy hisalasala hanambara ny finoany izy ireo amin’izay. Tokony ho azon’ny loham-pianakaviana antoka fa misy karatra FMF any amin’ireo zanany vita batisa, ary Karatra Famantarana any amin’ireo tsy vita batisa. Tokony hiresaka amin’ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly ny anti-panahy, rehefa misy miditra hopitaly ka misy resaka fampidiran-dra.
Herinandron’ny 26 Desambra
5 min: Fampandrenesana. Vakio ny tatitra momba ny kaonty sy ny fankasitrahana ireo fanomezana. Ampahatsiahivo ny mpitory mba hamerina ny tatitra momba ny fanompoana Desambra. Raha hiova ny fotoan’ny fivorian’ny fiangonanareo, dia anaovy fampandrenesana izany. Ampahatsiahivo ny rehetra hitondra ny Mifohaza! Janoary 2006, amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana manaraka.
15 min: Zavatra ilain’ny fiangonana.
25 min: “Tena Mahasoa ny Mahatsiaro Izay Nataon’i Jehovah!” Fiaraha-midinika ny fehintsoratra rehetra amin’ny mpanatrika, ataon’ny anti-panahy. Manasà olona mahay mamaky teny tsara hamaky ny fehintsoratra 7-9, 11, 15-17. Ampirisiho ny rehetra hanao fandaharana mba hamitana ny famakiana io boky io, ao anatin’ny fe-potoana voalanjalanja tsara.
Herinandron’ny 2 Janoary
5 min: Fampandrenesana. Lazao ny zavatra atolotra amin’ny Janoary, sy Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana mety hahitana ny fomba fanolorana azy ireo.
15 min: “Ampiasao Amim-pahendrena Ireo Boky sy Gazetintsika.”d Resaho ny fanazavana avy ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Septambra 2002, pejy 1.
25 min: Lahatsoratra Vaovaon’ny Mifohaza! Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Resaho ireo fiovana momba ny Mifohaza! nolazaina tao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Martsa 2005, pejy 1, fehintsoratra 5-6. Miresaha fanazavana avy ao amin’ilay hoe “Ho An’ny Mpamaky”, ao amin’ny Mifohaza! 2006, pejy 3-4. Resaho ireo ohatra mampiseho fa misarika mivantana ny mpamaky ho amin’ny Baiboly ilay gazety. Asao ny mpanatrika hiresaka ny momba ilay lahatsoratra vaovao eo amin’ny pejy 31. Mbola hatolotsika miaraka ihany Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! rehefa mitory isika. Mazava ho azy fa iray ihany isaky ny Mifohaza! mivoaka no homentsika ny olona fanaterantsika gazety sy ireo mandray gazety tsy tapaka. Manaova fampisehoana roa, miorina amin’ny fanoloran-kevitra eo amin’ny pejy 8, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra sy ny Mifohaza! 8 Desambra. Azo atao koa ny mampiasa fomba fampiseho hafa mifanaraka amin’ny zava-misy eo an-toerana. Hanolotra fomba fampiseho roa ho an’ny gazety tsirairay ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana manomboka izao. Hanasongadina lahatsoratra hafa ao anatin’ny gazety ilay fomba fampiseho faharoa, isaky ny roa volana. Samy ho azo ampiasaina mandritra ny volana izy roa.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
b Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
c Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
d Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.