-
Hevero ho Sarobidy ny Aina Nomena AnaoNy Tilikambo Fiambenana—2004 | 15 Jona
-
-
Hevero ho Sarobidy ny Aina Nomena Anao
‘Ny ran’i Kristy no hanadio ny feon’ny fieritreretantsika ho afaka amin’ny asa maty mba hanaovantsika fanompoana masina ho an’ilay Andriamanitra velona.’—HEBREO 9:14.
1. Ahoana no ahitana fa tena sarobidy amintsika ny aina?
AHOANA no havalinao raha asaina tombananao ny vidin’ny ainao? Tena sarobidy amintsika ny aina, ary tsy ny antsika ihany fa ny an’ny hafa koa. Izany no mahatonga antsika hizaha fahasalamana tsy tapaka, sy ho any amin’ny dokotera rehefa marary. Te ho velona sy ho salama isika. Ary tsy maniry ho faty mihitsy, na dia ny ankamaroan’ny olona antitra sy kilemaina aza.
2, 3. a) Inona no adidintsika araka ny Ohabolana 23:22? b) Nahoana koa isika no manana adidy ‘hanaiky’ an’Andriamanitra?
2 Misy vokany eo amin’ny fifandraisanao amin’ny hafa ny fiheveranao ny aina. Mandidy toy izao, ohatra, ny Tenin’Andriamanitra: “Maneke ny rainao izay niteraka anao, ary aza manamavo ny reninao, saingy efa antitra izy.” (Ohabolana 23:22) Ny hoe ‘manaiky’ eto dia adika koa hoe ‘mihaino.’ Tsy hoe mandre fotsiny anefa no tiana holazaina eto, fa mankatò koa. (Eksodosy 15:26; Deoteronomia 7:12; 13:19; 15:5; Josoa 22:2; Salamo 81:13) Nahoana ny Tenin’Andriamanitra no mandidy anao hanaiky ny ray aman-dreninao? Tsy noho izy ireo efa be taona sy nahita fiainana kokoa noho ianao fotsiny, fa noho izy ireo “niteraka anao” koa. Toy izao no andikana io andinin-teny io ao amin’ny Baiboly hafa: “Maneke ny rainao izay nanome aina anao.” Raha sarobidy aminao àry ny ainao, dia hahatsiaro ho manana adidy amin’izay nanome anao izany ianao.
3 Mazava ho azy, fa raha tena Kristianina ianao, dia hanaiky fa i Jehovah no tena Loharanon’ny ainao. Izy no ‘ivelomanao’ sy ‘ihetsehanao’ ary nanome anao vavahadin-tsaina. Izy koa no ‘isianao’ ary ahafahanao mieritreritra sy manomana ny hoavy, anisan’izany ny fiainana mandrakizay. (Asan’ny Apostoly 17:28; Salamo 36:9; Mpitoriteny 3:11) Araka ny Ohabolana 23:22, dia mety ny ‘manaiky’ sy mankatò an’Andriamanitra, izany hoe maniry hahazo tsara ny heviny momba ny aina, ary hanaraka izany fa tsy hanaraka hevitr’olon-kafa.
Hajao ny aina
4. Ahoana no nahitana dieny tany am-piandohana, fa zava-dehibe ny hanajana ny aina?
4 Tany am-piandohan’ny tantaran’ny olombelona, dia efa nohazavain’i Jehovah fa tsy mahazo mampiasa ny aina araka izay itiavany azy ny olona, na manao tsinontsinona azy io. Nialona sy tezitra mafy i Kaina, ka namono an’i Abela, izay tsy nanan-tsiny. Heverinao ve fa nanan-jo hanala ny ain’io rahalahiny io izy? Tsy izany no hevitr’Andriamanitra. Nampamoahiny àry i Kaina hoe: “Inona no nataonao? Ny feon’ny ran’ny rahalahinao mitaraina amiko avy amin’ny tany.” (Genesisy 4:10) Mariho fa ny ain’i Abela no lazaina fa rany eto. Nesorina tampoka mantsy ny ainy, ka nitaraina na nangataka valy faty tamin’Andriamanitra ny rany.—Hebreo 12:24.
5. a) Inona no noraran’Andriamanitra tamin’ny andron’i Noa, ary iza no voakasik’izany? b) Dingana lehibe ho amin’ny inona io fandrarana io?
5 Nanomboka fiainam-baovao ireo olona valo sisa niangana, taorian’ny Safodrano. Nanazava tsara kokoa ny fiheverany ny aina sy ny ra Andriamanitra tamin’izay, rehefa nanao fanambarana ho an’ny olombelona rehetra. Nilaza izy fa azo atao ny mihinan-kena, nefa namepetra izy hoe: “Ny biby mihetsiketsika rehetra izay miaina dia ho fihinana ho anareo; dia efa nomeko anareo toy ny zava-maitso izy rehetra. Kanefa ny nofo izay mbola misy aina (dia ny rany) no aza haninareo.” (Genesisy 9:3, 4) Misy Jiosy milaza fa ny dikan’izany dia hoe voarara ny fihinanan-kena sy ram-biby mbola velona. Hita anefa tatỳ aoriana fa tafiditra tamin’io fandraran’Andriamanitra io koa ny fihinanan-dra mba hamonjena aina. Ankoatra izany, dia dingana lehibe ho amin’ny fahatanterahan’ny fikasany momba ny ra, ilay didy nomeny tamin’ny alalan’i Noa. Ho afaka hiaina mandrakizay mantsy ny olona rehefa ho tanteraka io fikasany io.
6. Ahoana no nanantitranteran’Andriamanitra tamin’i Noa fa sarobidy ny aina?
6 Hoy ihany Andriamanitra: ‘Ny ranareo dia hadiniko, satria ainareo izany; eo amin’ny tanan’ny manan-aina rehetra no hanadinako azy; ary eo amin’ny tanan’ny olona, dia eo amin’ny tanan’ny olona avy, no hanadinako ny ain’ny olona. Izay mandatsaka ny ran’olona, dia mba halatsak’olona kosa ny rany, satria tahaka ny endrik’Andriamanitra no nanaovany ny olona.’ (Genesisy 9:5, 6) Hita avy amin’io fanambarana natao ho an’ny olon-drehetra io, fa amin’Andriamanitra, ny ra dia toy ny aina ihany. Avy amin’ny Mpamorona ny aina, ka tsy tokony hisy haka azy io. Raha misy àry mamono olona, toy ny nataon’i Kaina, dia manan-jo ‘hanadina’ na hitaky ny ainy ny Mpamorona.
7. Nahoana no tokony hahaliana antsika izay nolazain’Andriamanitra tamin’i Noa momba ny ra?
7 Hita araka izany, fa nandidy ny olombelona Andriamanitra mba tsy hampiasa ny ra amin’ny fomba ratsy. Efa nanontany tena ve ianao hoe inona no antony, ary nahoana izy no mihevitra ny ra ho toy izany? Misy ifandraisany amin’ny iray amin’ireo fampianarana lehibe indrindra ao amin’ny Baiboly ny valin’izany. Izany mihitsy aza no votoatin’ny hafatra torin’ny Kristianina, na dia fivavahana maro aza no tsy miraharaha izany. Inona izany fampianarana izany, ary nahoana no voakasik’izany ny fiainanao sy ny fanapahan-kevitrao ary ny ataonao?
Ahoana no tokony ho nampiasana ny ra?
8. Inona no fepetra nomen’Andriamanitra tao amin’ny Lalàna, momba ny fampiasana ny ra?
8 Nanome tsipiriany bebe kokoa momba ny aina sy ny ra i Jehovah, rehefa nanome ny Lalàna ho an’ny Israelita. Nanao dingana lehibe hafa mba hanatanterahana ny fikasany izy tamin’izay. Fantatrao angamba fa nisy fanatitra notakin’ny Lalàna, toy ny voa madinika sy ny diloilo ary ny divay. (Levitikosy 2:1-4; 23:13; Nomery 15:1-5) Nisy koa ny fanatitra biby. Hoy Andriamanitra momba azy ireny: “Ny ain’ny nofo dia amin’ny ra; ary nomeko anareo izany hatao ambonin’ny alitara hanao fanavotana ho an’ny ainareo, fa ny ra no manao fanavotana, satria aina izany. Koa izany no nilazako tamin’ny Zanak’Isiraely hoe: Aza misy mihinan-dra.” Nilaza koa i Jehovah fa raha nisy mpihaza na mpiompy namono biby mba hohaniny, dia tsy maintsy halatsany ny rany ary hototofany avy eo. Rehefa mandatsaka ilay ra amin’ny tany mantsy izy, dia manaiky fa miverina ho any amin’ilay Mpanome aina ny aina, satria ny tany no fitoeran-tongotr’Andriamanitra.—Levitikosy 17:11-13; Isaia 66:1.
9. Inona ihany no lazain’ny Lalàna fa azo ampiasana ny ra, ary nahoana?
9 Tsy hoe fombafomba ara-pivavahana tsy misy dikany amintsika akory io lalàna io. Voamarikao ve hoe nahoana no tsy tokony hihinan-dra ny Israelita? Hoy Andriamanitra: “Izany no nilazako tamin’ny Zanak’Isiraely hoe: Aza misy mihinan-dra.” Fa nahoana? Satria “nomeko anareo izany hatao ambonin’ny alitara hanao fanavotana ho an’ny ainareo.” Hitanao avy amin’izany ve ny antony nilazan’Andriamanitra tamin’i Noa hoe tsy tokony hohanina ny ra? Mihevitra ny ra ho zava-dehibe ilay Mpamorona, ka natokany mba hamonjena ain’olona maro izy io. Natao hanaronana ny fahotana (na hahazoana fanavotana) ny ra. Araka izany, teo ambanin’ny Lalàna, dia tsy navelan’Andriamanitra nampiasaina afa-tsy teo ambonin’ny alitara ny ra mba hanavotana ny ain’ny Israelita, izay nitady famelan-keloka.
10. Nahoana no tsy nahazoana famelan-keloka tanteraka ny ram-biby, nefa mampahatsiahy inona ireo sorona notakin’ny Lalàna?
10 Toy izany koa ny fiheveran’ny Kristianina ny ra. Niresaka ny amin’io lalàn’Andriamanitra io ny apostoly Paoly. Hoy izy: “Araka ny Lalàna, dia saika ny zava-drehetra no diovina amin’ny ra, ary raha tsy misy ra alatsaka dia tsy misy famelan-keloka.” (Hebreo 9:22) Nohazavain’i Paoly tsara fa tsy nahatonga ny Israelita ho lavorary na tsy mpanota intsony akory ny sorona notakina tamin’izany. Hoy kosa izy: “Mampahatsiahy isan-taona isan-taona ny amin’ny ota ireny sorona ireny, satria tsy mahavita manaisotra ny ota ny ran’omby sy ny ran’osy.” (Hebreo 10:1-4) Nilaina anefa ireny sorona ireny, na dia izany aza. Nampahatsiahy ny Israelita izy ireny fa mpanota izy ireo, ka nila zavatra fanampiny mba ho voavela tanteraka ny helony. Koa raha tsy afaka manarona tanteraka ny fahotan’ny olombelona àry ny ram-biby, ny ran’iza no mahavita izany?
Vahaolana avy amin’ilay Mpanome aina
11. Ahoana no ahalalantsika fa misarika ny saina ho amin-javatra hafa ny ran’ny biby natao sorona?
11 Misarika ny saina ho amin’ny fomba tsara kokoa hanatanterahan’Andriamanitra ny sitrapony, ny Lalàna. Nanontany i Paoly hoe: “Inona àry no anton’ny Lalàna?” Izy ihany no namaly hoe: “Nomena koa izy io mba hampiharihariana ny fandikan-dalàna, mandra-pahatongan’ilay taranaka izay nanaovana an’ilay fampanantenana. Ary nampitaina tamin’ny alalan’ny anjely izy io, teo an-tanan’ny mpanelanelana iray [Mosesy].” (Galatianina 3:19) Nilaza koa i Paoly fa “aloky ny zavatra tsara ho avy ny Lalàna fa tsy ny tena izy.”—Hebreo 10:1.
12. Ahoana no nanazavan’Andriamanitra tsikelikely ny fikasany momba ny ra?
12 Araka ny hitantsika teo, dia namoaka didy Andriamanitra tamin’ny andron’i Noa, fa azo atao ny mihinan-kena, nefa tsy azo hanina ny ra. Nilaza izy tatỳ aoriana fa “ny ain’ny nofo dia amin’ny ra.” Aminy dia toy ny aina ihany ny ra, ka hoy izy: “Nomeko anareo [ny ra] hatao ambonin’ny alitara hanao fanavotana ho an’ny ainareo.” Mbola hihamazava kokoa anefa ny fikasan’Andriamanitra. Aloky ny zavatra tsara ho avy mantsy ny Lalàna. Inona izany zavatra tsara izany?
13. Nahoana no zava-dehibe ny fahafatesan’i Jesosy?
13 Nanatanteraka an’ireo zavatra tsara ireo ny fahafatesan’i Jesosy Kristy. Fantatrao fa nampijalijalina sy nofantsihana tamin’ny hazo fijaliana izy, ary novonoina toy ny mpanao heloka bevava. Hoy i Paoly: ‘Fony isika mbola nalemy, dia maty ho an’ny ratsy fanahy i Kristy, tamin’ny fotoana voatondro. Naneho ny fitiavany antsika Andriamanitra, fa fony mbola mpanota isika, dia maty ho antsika i Kristy.’ (Romanina 5:6, 8) Nanome ny vidim-panavotana hanaronana ny fahotantsika i Kristy, rehefa maty ho antsika. Io vidim-panavotana io no votoatin’ny hafatra torin’ny Kristianina. (Matio 20:28; Jaona 3:16; 1 Korintianina 15:3; 1 Timoty 2:6) Inona no ifandraisan’izany amin’ny ra sy ny aina, ary nahoana no voakasik’izany ny ainao?
14, 15. a) Ahoana no anasongadinan’ny dikan-teny sasany ny fahafatesan’i Jesosy, ao amin’ny Efesianina 1:7? b) Inona no hevi-dehibe mety tsy ho hita ao amin’io andinin-teny io?
14 Misy fivavahana manantitrantitra ny nahafatesan’i Jesosy. Milaza, ohatra, ny mpivavaka ao aminy hoe: “Maty ho ahy i Jesosy.” Mariho ny fomba ilazan’ny Baiboly sasany ny Efesianina 1:7: “Ao aminy sy amin’ny alalan’ny fahafatesany no ahazoantsika fanafahana, dia ny fanesorana ny helotsika.” (Ny Baiboly Amerikanina, nataon’i Frank Ballentine, 1902) “Amin’ny alalan’ny fahafatesan’i Kristy no anafahana antsika, sy amelana ny fahotantsika.” (Dikan-teny Anglisy Ankehitriny, 1966) “Ao amin’i Kristy sy amin’ny alalany, ary amin’ny alalan’ny sorona nataony no ahazoantsika fanavotana, izay midika famelana ny fahotana.” (Ny Testamenta Vaovao, anglisy, nataon’i William Barclay, 1969) “Amin’ny alalan’ny fahafatesan’i Kristy no ahazoantsika famelan-keloka sy fanafahana.” (Ny Testamenta Vaovaon’ny Mpandika Teny, anglisy, 1973) Araka ny hitanao eo, dia manasongadina ny fahafatesan’i Jesosy ireo dikan-teny ireo. Mety hisy hilaza anefa hoe: ‘Tena zava-dehibe ange ny fahafatesan’i Jesosy e! Koa inona no tsy ampy amin’ireo dikan-teny ireo?’
15 Raha tsy manana dikan-teny afa-tsy ireo ianao, dia mety hisy hevi-dehibe tsy ho hitanao, ka tsy ho azonao tsara ny hafatra raketin’ny Baiboly. Tsy hita ao amin’izy ireo mantsy ny teny grika midika hoe “ra”, izay nampiasaina tany am-boalohany ao amin’ny Efesianina 1:7. Noho izany, dia marina kokoa ny nandikan’ny Baiboly maro an’io andinin-teny io, toy ny ataon’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, izay milaza hoe: “Izy io no ananantsika ilay fanafahana entin’ny vidim-panavotana amin’ny alalan’ny rany, eny, ahazoantsika ny famelana ny helotsika, araka ny haren’ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa.”
16. Inona no tokony ho tonga ao an-tsaintsika rehefa mamaky hoe “ny rany”?
16 Tena zava-dehibe ilay teny hoe “ny rany”, ary tokony hisy heviny lalina ho antsika. Tsy ampy fotsiny ny nahafatesan’ny olona iray, eny fa na dia ny nahafatesan’i Jesosy, olona lavorary aza. Nanatanteraka izay nolazaina mialoha tao amin’ny Lalàna izy, indrindra fa izay nitranga tamin’ny Andro Fanavotana. Nisy biby natao sorona tamin’io andro manokana io. Naka tamin’ny ran’izy ireo ny mpisoronabe ary nitondra izany tao amin’ny efitra Masina Indrindra tamin’ny tranolay na tempoly. Natolony ho an’Andriamanitra ilay ra avy eo, ka toy ny hoe teo anatrehany mihitsy izy.—Eksodosy 25:22; Levitikosy 16:2-19.
17. Hazavao fa nanatanteraka zavatra nitovy tamin’izay nitranga tamin’ny Andro Fanavotana i Jesosy.
17 Nanazava i Paoly fa i Jesosy dia nanatanteraka zavatra mitovy tamin’izay nitranga tamin’ny Andro Fanavotana. Nilaza aloha i Paoly, fa niditra indray mandeha isan-taona tao amin’ny Masina Indrindra ny mpisoronabe teo amin’ny Israely. Nitondra ra izy, ary nanolotra izany “noho ny amin’ny tenany sy noho ny fahotan’ny vahoaka vokatry ny tsy fahalalana.” (Hebreo 9:6, 7) Tsy nisy hafa tamin’izany no nataon’i Jesosy rehefa nankany an-danitra, taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty. Afaka niseho ‘teo anatrehan’Andriamanitra ho antsika’ izy, satria efa fanahy fa tsy nofo aman-dra intsony. Inona no natolony ho an’Andriamanitra? Tsy zavatra ara-bakiteny fa zavatra mavesa-danja kokoa noho izany. Hoy ihany i Paoly: ‘Rehefa tonga i Kristy, izay mpisoronabe dia tsy ran’osy sy ran-janak’omby no nentiny niditra, fa ny ran’ny tenany. Eny, niditra indray mandeha monja tao amin’ny toerana masina izy, ary nahazo fanafahana mandrakizay ho antsika. Fa raha ny ran’osy sy ny ran’omby aza manamasina ka tonga hatramin’ny fanadiovana ny nofo, mainka fa ny ran’i Kristy? Nanolotra ny tenany tsy misy tsiny tamin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fanahy mandrakizay mantsy izy, ary ny rany no manadio ny feon’ny fieritreretantsika ho afaka amin’ny asa maty mba hanaovantsika fanompoana masina ho an’ilay Andriamanitra velona.’ Ny vidin’ny rany no natolotr’i Jesosy ho an’Andriamanitra.—Hebreo 9:11-14, 24, 28; 10:11-14; 1 Petera 3:18.
18. Nahoana no tokony ho zava-dehibe amin’ny Kristianina ankehitriny izay lazain’ny Baiboly momba ny ra?
18 Manampy antsika hahatakatra izay rehetra lazain’ny Baiboly momba ny ra io fahamarinana avy amin’Andriamanitra io, dia ny hoe: nahoana no toy izany no fiheveran’Andriamanitra ny ra, ahoana no tokony hiheverantsika azy io, ary nahoana isika no tokony hanaiky ireo fepetra nomeny momba ny fampiasana ny ra. Hahita firesahana betsaka momba ny ran’i Kristy ianao, rehefa mamaky ny Soratra Grika Kristianina. (Jereo ilay efajoro.) Hita avy amin’izany fa tokony hino ‘ny ran’i Jesosy’ ny Kristianina tsirairay. (Romanina 3:25) Tsy ho voavela ny helotsika ary tsy afaka ny hihavana amin’Andriamanitra isika, raha tsy “amin’ny alalan’ny ra [nalatsak’i Jesosy].” (Kolosianina 1:20) Azo antoka fa voakasik’izany ireo nanaovan’i Jesosy fifanekena manokana mba hiara-manjaka aminy. (Lioka 22:20, 28-30; 1 Korintianina 11:25; Hebreo 13:20) Marina koa izany raha ny amin’ny “vahoaka be”, izay ho tafavoaka velona amin’ilay “fahoriana lehibe” ho avy, ka hahazo ny fiainana mandrakizay eto amin’ny tany lasa paradisa. Toy ny hoe ‘manasa ny akanjony amin’ny ran’ny Zanak’ondry’ izy ireo.—Apokalypsy 7:9, 14.
19, 20. a) Nahoana Andriamanitra no namepetra ny fampiasana ny ra, ary ahoana no tokony ho fiheverantsika an’izany? b) Inona no tokony hirintsika ho fantatra?
19 Mazava àry fa misy heviny manokana amin’Andriamanitra ny ra. Tokony hitovy hevitra aminy koa isika. Manan-jo hametra izay fomba ampiasan’ny olona ny ra ilay Mpamorona, izay mihevitra ny aina ho zava-dehibe. Mitsinjo ny aintsika izy, ka natokany hanatanterahana zava-kendrena lehibe iray ihany ny ra, dia ny ra sarobidin’i Jesosy. Tsy misy fomba hafa hahazoana fiainana mandrakizay afa-tsy amin’ny alalan’izy io. Tena velom-pisaorana tokoa àry isika, noho i Jehovah Andriamanitra nampiasa ny ran’i Jesosy mba hamonjena antsika! Ary tena tokony hankasitraka an’i Jesosy koa isika, noho izy nahafoy ny ainy, ka nandatsaka ny rany ho antsika! Azontsika tsara izay tsapan’ny apostoly Jaona, rehefa nilaza izy hoe: “Ho azy izay tia antsika sy namaha antsika ho afaka amin’ny fahotantsika tamin’ny rany, (ary nataony fanjakana sy mpisorona ho an’Andriamanitra Rainy isika) eny, ho azy mandrakizay anie ny voninahitra sy ny hery! Amena.”—Apokalypsy 1:5, 6.
20 Efa hatry ny ela ilay Andriamanitsika faran’izay hendry sy Mpanome aina no nikasa hampiasa ny ra mba hamonjena aina. Tsara àry raha manontany tena isika hoe: ‘Inona no tokony ho vokatr’izany eo amin’ny fanapahan-kevitsika sy ny ataontsika?’ Hamaly izany fanontaniana izany ny lahatsoratra manaraka.
-
-
Ekeo ny Tari-dalan’ilay Andriamanitra VelonaNy Tilikambo Fiambenana—2004 | 15 Jona
-
-
Ekeo ny Tari-dalan’ilay Andriamanitra Velona
‘Manatòna an’ilay Andriamanitra velona, izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny zava-drehetra ao amin’ireo.’—ASAN’NY APOSTOLY 14:15.
1, 2. Nahoana isika no manaiky fa “Andriamanitra velona” tokoa i Jehovah?
REHEFA avy nanasitrana lehilahy iray tany Lystra ny apostoly Paoly sy Barnabasy, dia nanome toky ny vahoaka i Paoly hoe: “Olombelona tahaka anareo ihany ange izahay e! Ary mitory ny vaovao tsara aminareo izahay mba hialanareo amin’izao zava-poana izao ka hanatonanareo an’ilay Andriamanitra velona, izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny zava-drehetra ao amin’ireo.”—Asan’ny Apostoly 14:15.
2 “Andriamanitra velona” tokoa i Jehovah, fa tsy sampy tsy mananaina! (Jeremia 10:10; 1 Tesalonianina 1:9, 10) Izy mihitsy koa no Loharanon’ny aintsika. “Izy no manome ho an’ny olon-drehetra ny aina sy ny fofonaina ary ny zava-drehetra.” (Asan’ny Apostoly 17:25) Tiany hankafy ny fiainana ankehitriny sy amin’ny ho avy isika. Nilaza koa i Paoly fa “tsy namela ny tenany tsy hanana vavolombelona [Andriamanitra], satria nanao soa ka nanome anareo ranonorana avy eny amin’ny lanitra sy taon-jina, ary nahavoky ny fonareo tamin’ny hanina sy ny fifaliana.”—Asan’ny Apostoly 14:17.
3. Nahoana isika no afaka matoky ny tari-dalan’Andriamanitra?
3 Afaka matoky ny tari-dalan’Andriamanitra isika, satria miahy antsika izy. (Salamo 147:8; Matio 5:45) Misy tsy manaiky izany, satria tsy mazava aminy ny didy iray ao amin’ny Baiboly, na heveriny ho mamepetra loatra. Voaporofo anefa fa hendry izay matoky ny tari-dalan’i Jehovah. Mety ho tsy nazava tamin’ny Israelita iray, ohatra, ilay didy hoe aza mikasika faty. Nandray soa anefa izy raha nankatò, satria nanjary akaiky kokoa an’ilay Andriamanitra velona, sady afaka nisoroka aretina.—Levitikosy 5:2; 11:24.
4, 5. a) Inona no tari-dalana nomen’i Jehovah momba ny ra, talohan’ny andro kristianina? b) Ahoana no ahalalantsika fa tokony hanaraka ilay tari-dalan’Andriamanitra momba ny ra koa ny Kristianina?
4 Toy izany koa ny tari-dalan’Andriamanitra momba ny ra. Nilaza tamin’i Noa izy fa tsy tokony hihinana na hisotro ra ny olombelona. Nolazainy tao amin’ny Lalàna koa fa eo amin’ny alitara ihany no azo ampiasana ny ra, mba hahazoana famelan-keloka. Ireo didy ireo no dingana nataon’Andriamanitra mba hampiasana ny ra amin’ny fomba tsara indrindra, izany hoe mba hamonjena aina amin’ny alalan’ny vidim-panavotan’i Jesosy. (Hebreo 9:14) Te hiaro ny aintsika sy mitsinjo izay hahasoa antsika àry izy, matoa nanome tari-dalana. Rehefa niresaka momba ny Genesisy 9:4 i Adam Clarke, manam-pahaizana momba ny Baiboly, dia hoy izy: “Mbola manaraka tsara an’io didy [nomena an’i Noa] io ny Kristianina tatsinanana . . . Voararan’ny Lalàna ny fihinanan-dra, satria izy io dia nisarika ny saina ho amin’ilay ra izay halatsaka noho ny fahotan’izao tontolo izao. Voararan’ny Filazantsara koa ny fihinanan-dra, satria izy io dia natao hampahatsiahivana hatrany an’ilay ra nalatsaka mba hahazoana famelan-keloka.”
5 Ilay filazantsara, na vaovao tsara, mahakasika an’i Jesosy angamba no tao an-tsain’io manam-pahaizana io. Tafiditra amin’izany ny nanirahan’Andriamanitra ny Zanany mba handatsaka ny rany sy ho faty ho antsika, ka hahafahantsika hiaina mandrakizay. (Matio 20:28; Jaona 3:16; Romanina 5:8, 9) Niresaka momba ilay didy nomena ny mpianatr’i Kristy tatỳ aoriana koa i Clarke teo.
6. Inona no toromarika nomena ny Kristianina momba ny ra, ary nahoana?
6 Fantatsika fa nomen’Andriamanitra lalàna an-jatony ny Israelita. Tsy voatery nanaraka azy ireny intsony ny mpianatr’i Jesosy, rehefa maty izy. (Romanina 7:4, 6; Kolosianina 2:13, 14, 17; Hebreo 8:6, 13) Nisy fanontaniana nipoitra anefa tatỳ aoriana momba ny didy lehibe iray, dia ny famorana. Tsy maintsy noforana ve ny tsy Jiosy, izany hoe mbola hanaraka ny Lalàna ihany, raha te handray soa avy tamin’ny ran’i Jesosy? Nandinika izany ny filan-kevi-pitantanana kristianina, tamin’ny taona 49. (Asan’ny Apostoly toko faha-15) Nampian’ny fanahin’Andriamanitra ireo apostoly sy anti-panahy, ary nanatsoaka hevitra fa tsy voatery hoforana ny Kristianina, satria tsy nanan-kery intsony ny Lalàna. Nisy didin’Andriamanitra mbola nihatra tamin’izy ireo anefa. Nanoratra toy izao ho an’ny fiangonana ny filan-kevi-pitantanana: “Sitraky ny fanahy masina sy izahay ny tsy hanampy enta-mavesatra anareo, afa-tsy ireto zavatra tsy maintsy hotandremana ireto: Ny mifady hatrany ny zavatra natao sorona ho an’ny sampy, sy ny ra sy ny biby nokendaina ary ny fijangajangana. Hahasoa anareo ny mitandrina tsara ireo zavatra ireo.”—Asan’ny Apostoly 15:28, 29.
7. Ahoana no ahafantarana fa tena zava-dehibe amin’ny Kristianina ny ‘mifady ny ra’?
7 Mazava àry fa zava-dehibe tamin’ny filan-kevi-pitantanana ny ‘fifadiana ny ra’, toy ny fifadiana ny fitondran-tena maloto sy ny fanompoan-tsampy. Porofoin’izany fa mavesa-danja ilay fandrarana mahakasika ny ra. Tsy “handova ny fanjakan’Andriamanitra” ny Kristianina nanompo sampy na naloto fitondran-tena, raha tsy mibebaka. ‘Ny fahafatesana faharoa no ho anjarany.’ (1 Korintianina 6:9, 10; Apokalypsy 21:8; 22:15) Mariho fa fahafatesana mandrakizay no mety hiandry izay tsy manaraka ny tari-dalan’Andriamanitra momba ny fahamasinan’ny ra. Hahazo fiainana mandrakizay kosa anefa ireo manaja ny soron’i Jesosy.
8. Inona no mampiseho fa tena zava-dehibe tamin’ny Kristianina voalohany ny tari-dalan’Andriamanitra momba ny ra?
8 Ahoana no fahazoan’ny Kristianina voalohany ny tari-dalan’Andriamanitra momba ny ra, ary ahoana no nampiharany izany? Tadidio ilay tenin’i Clarke hoe: ‘Voararan’ny Filazantsara ny fihinanan-dra, satria izy io dia natao hampahatsiahivana hatrany an’ilay ra nalatsaka mba hahazoana famelan-keloka.’ Voamarin’ny tantara fa tsy nanamaivana izany ny Kristianina voalohany. Hoy i Tertullien: ‘Nandritra ny fampisehoana teo amin’ny kianja filalaovana, dia nigoka ny ran’ireo mpanao heloka bevava vao novonoina ny sasany, mba hanasitranana ny androbeny.’ Nihinan-dra ny mpanompo sampy, fa ‘ny Kristianina kosa tsy nihinana mihitsy na dia ram-biby aza’, hoy ihany i Tertullien. Nilaza koa izy hoe: “Toloranareo saosisy voasesika ra ny Kristianina mba hitsapana azy, nefa fantatrareo tsara fa voararan’ny lalàn’izy ireo izany.” Tsy nihinan-dra mihitsy izy ireo, na dia norahonana ho faty aza. Tena zava-dehibe taminy ny tari-dalan’Andriamanitra.
9. Inona no tafiditra tamin’ny hoe mifady ny ra, ankoatra ny hoe tsy mihinana azy io?
9 Misy angamba mieritreritra fa ny mihinana ra sy hena tsy nalatsa-dra ary sakafo misy ra ihany no nasain’ny filan-kevi-pitantanana nofadin’ny Kristianina. Izany tokoa no hevitra voalohany nofonosin’ilay didy nomen’Andriamanitra an’i Noa. Marina koa fa nandidy ny Kristianina ny apostoly mba ‘hifady ny biby nokendaina’, izany hoe ny hena mbola misy ra. (Genesisy 9:3, 4; Asan’ny Apostoly 21:25) Fantatry ny Kristianina voalohany anefa fa tsy izay ihany no tafiditra amin’ilay didy. Nihinan-dra noho ny antony ara-pahasalamana ny olona indraindray. Nilaza i Tertullien fa nisy mpanompo sampy nihinan-dra, mba hanasitranana ny androbeny. Mety ho nisy fomba hafa koa nampiasana ny ra, mba hitsaboana aretina, na hanatsarana fahasalamana, araka ny hevitry ny sasany. Tsy nihinan-dra noho ny antony “ara-pahasalamana” koa àry ny Kristianina, izay nifady ny ra. Nijoro tamin’izany hevitra izany izy ireo, na dia nety ho namoizany ny ainy aza izany.
Ampiasaina ho fanafody ny ra
10. Ahoana avy no fomba ampiasana ny ra eo amin’ny fitsaboana, ary inona no fanontaniana aterak’izany?
10 Matetika izao no ampiasaina amin’ny fitsaboana ny ra. Ra manontolo no nampiasaina taloha, izany hoe tehirizina ny ra nomen’olona iray, ary avy eo ampidirina ao amin’ny marary iray, izay angamba naratra tany an’ady. Nanjary nahay nitsinjara ny ra ho taharo fototra maromaro ny mpikaroka tatỳ aoriana. Noho izany, dia azo nozaraina tamin’ny marary maromaro ny ra nomen’olona iray. Nety ho nitsaboana olona iray naratra, ohatra, ny ranon-dra (plasma), ary ny liomena kosa nitsaboana olon-kafa. Rehefa nandroso ny fikarohana, dia hita fa mbola azo akana zavatra maro be ireo taharo fototra (ny ranon-dra, ohatra), hany ka betsaka kokoa ny marary azo izarana azy. Mbola mitohy ny fikarohana, ary nahita fomba hafa ampiasana ny zavatra azo avy amin’ny ra ny mpikaroka. Ahoana àry no tokony hataon’ny Kristianina? Tapa-kevitra izy ireo fa tsy hanaiky hampidirana ra mihitsy. Kanefa, mety hampirisika azy ny dokoterany mba hanaiky hampidirana taharo fototry ny ra, toy ny liomena, ohatra. Na mety hisy zavatra kely avy amin’ny taharo fototra, ny fanafody hitsaboana azy. Fantatry ny mpanompon’Andriamanitra tsara fa masina ny ra, ary ny ran’i Kristy no tena mamonjy aina. Inona àry no fanapahan-kevitra tokony horaisiny?
11. Inona no hevitra ijoroan’ny Vavolombelon’i Jehovah momba ny ra, hatramin’ny ela?
11 Nanazava ny hevitra ijoroany ny Vavolombelon’i Jehovah, taona maro lasa izay. Nisy lahatsoratra nosoratan’izy ireo, ohatra, navoaka tao amin’ny Gazetin’ny Fikambanana Amerikanina Momba ny Fitsaboana (27 Novambra 1981; navoaka koa tao amin’ilay bokikely hoe Ahoana no Ahafahan’ny Ra Mamonjy ny Ainao?, pejy 27-29).a Misy andinin-teny nalaina tao amin’ny Genesisy sy Levitikosy ary Asan’ny Apostoly ao amin’izy io. Voalaza ao koa hoe: ‘Marina fa tsy miresaka ny fomba ampiasana ny ra eo amin’ny fitsaboana ireo andinin-teny ireo. Kanefa amin’ny Vavolombelona, izy ireo dia mandrara ny fampidirana ra manontolo, liomena, ranon-dra, liofotsy, ary kapila bitika [plaquettes].’ Hoy indray ilay boky hoe Fitsaboana Vonjy Maika (2001, anglisy) eo amin’ilay lohateny hoe “Inona avy no Mahaforona ny Ra?”: “Mizara ho taharo fototra maromaro ny ra, dia ny ranon-dra, liomena, liofotsy, ary kapila bitika.” Mifanaraka amin’izany fanazavana ara-pitsaboana izany àry, dia tsy manaiky hampidirana ra manontolo na ny taharo fototra amin’izy io ny Vavolombelona.
12. a) Ahoana no fiheveran’ny Vavolombelona ny zavatra nalaina avy amin’ny taharo fototry ny ra? b) Aiza no ahitana fanazavana fanampiny momba izany?
12 Izao koa no voalazan’ilay lahatsoratra: ‘Araka ny fahazoan’ny Vavolombelona ny Baiboly, dia tsy voararan’izy io tanteraka ny fampiasana zavatra nalaina avy tamin’ny taharo fototry ny ra, toy ny albiminina sy immunoglobuline ary ny fanafody natao ho an’ny olona mora mandeha ra (hemôfila). Ny Vavolombelona tsirairay no tsy maintsy manapa-kevitra raha handray azy ireny izy na tsia.’ Nanomboka tamin’ny 1981, dia hita fa azo akana zavatra maro ireo taharo fototra efatra, mba hitsaboana marary. Nanome fanazavana tsara momba izany àry ny “Fanontanian’ny Mpamaky”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Jona 2000. Naverina indray ao amin’ny pejy faha-29-31 amin’ity gazety ity ny votoatin’izany, mba hahasoa ireo mpamaky an-tapitrisany. Mampisaintsaina izy io sady manome tsipiriany, nefa ho hitanao fa mifanaraka amin’ireo hevi-dehibe naroso tamin’ny 1981 ny voalaza ao.
Ny anjara asan’ny feon’ny fieritreretanao
13, 14. a) Inona no atao hoe feon’ny fieritreretana, ary nahoana izy io no ilaina hampiasaina rehefa manapa-kevitra momba ny ra? b) Inona no tari-dalana nomen’Andriamanitra ny Israelita momba ny fihinanan-kena, ary inona avy no fanontaniana mety ho naterak’izany?
13 Araka izany fanazavana izany, dia ilaina ny mampiasa ny feon’ny fieritreretana. Nahoana? Eken’ny Kristianina fa ilaina ny manaraka ny tari-dalan’Andriamanitra. Ny tsirairay anefa indraindray no tsy maintsy manapa-kevitra, ka ilaina hampiasaina ny feon’ny fieritreretana. Izy io dia ny fahaizana voajanahary hamakafaka sy hanapa-kevitra, indrindra momba izay tsara sy ratsy. (Romanina 2:14, 15) Samy hafa anefa ny feon’ny fieritreretan’ny olona.b Milaza ny Baiboly fa ‘malemy ny feon’ny fieritreretana’ sasany. Midika izany fa misy koa ny matanjaka. (1 Korintianina 8:12) Samy hafa ny fanapahan-kevitry ny Kristianina, arakaraka ny fandrosoany. Mety tsy hitovy mantsy ny habetsahan’ny zavatra fantany momba izay lazain’Andriamanitra sy ny fomba fiheviny, ary ny fomba ampiharany izany. Hiresaka momba ny Jiosy sy ny fihinanan-kena isika, mba hanazavana izany.
14 Lazain’ny Baiboly mazava tsara fa tsy nihinana hena tsy nalatsa-dra ny olona nankatò an’Andriamanitra. Tena zava-dehibe mihitsy izany, ka nomelohina ho nanao fahotana lehibe ny miaramila israelita, rehefa nihinana hena tsy nalatsa-dra, na dia tao anatin’ny toe-javatra faran’izay sarotra aza. (Deoteronomia 12:15, 16; 1 Samoela 14:31-35) Mety ho nisy fanontaniana nipoitra ihany anefa. Ohatra: Rehefa mamono ondry ny Israelita iray, tsy maintsy nalatsany teo no ho eo ve ny ran’ilay biby? Tsy maintsy notapahiny ve ny tendan’izy io mba handatsahana ny rany? Nilaina nahantona tamin’ny tongony ve ilay ondry? Hafiriana izy io no tokony ho nahantona? Ahoana indray raha omby lehibe ilay izy? Mety mbola hisy ra tavela ihany ao amin’ilay hena, na dia efa nalatsa-dra aza. Azo hanina ve io hena io? Iza no tokony hanapa-kevitra ny amin’izany?
15. Ahoana no nampiharan’ny Jiosy sasany ilay didy momba ny fihinanan-kena, nefa inona no tari-dalana nomen’Andriamanitra?
15 Alao sary an-tsaina ny Jiosy iray mafana fo, mandinika ireo fanontaniana ireo. Mety ho nieritreritra izy hoe aleo mihitsy tsy mihinan-kena namidy teny an-tsena. Ny sasany indray mety ho tsy nihinan-kena, raha noheveriny ho efa natao sorona ho an’ny sampy ilay izy. Ny hafa kosa mety ho tsy nihinana mihitsy, raha tsy rehefa avy nanao fombafomba be hanesorana ilay ra.c (Matio 23:23, 24) Inona no hevitrao momba ireo fihetsika samihafa ireo? Tsy nitaky ny hanaovana ireo zavatra ireo Andriamanitra. Koa moa ve tokony ho nametraka fanontaniana be dia be tamin’ireo raby ny Jiosy, mba hahalalana izay tsy maintsy atao amin’ny toe-javatra tsirairay? Lasa fanaon’ny Jiosy izany, nefa soa ihany fa tsy nandidy ny tena mpanompony mba hanao izany i Jehovah, rehefa hanapa-kevitra momba ny ra izy ireo. Nanome tari-dalana fototra momba ny famonoana biby madio sy ny fandatsahana ny ran’izy ireo izy, fa tsy nanome tsipiriany ankoatra izany.—Jaona 8:32.
16. Nahoana ny Kristianina sasany no mety hanaiky hotsindronina ranom-panafody misy zavatra kely avy amin’ny taharo fototra, nefa ny hafa kosa tsy hanaiky izany?
16 Araka ny voalaza tetsy amin’ny fehintsoratra faha-11 sy 12, ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy manaiky hampidirana ra manontolo, na ireo taharony fototra efatra, dia ny ranon-dra, liomena, liofotsy, ary kapila bitika. Ahoana kosa raha zavatra kely avy amin’ny taharo fototra no hampiasaina, toy ny seraoma misy mpisetra natao hiadiana amin’ny aretina, na hanasitranana kaikitra bibilava? (Jereo ny fehintsoratra 4, pejy 30.) Mihevitra ny sasany fa tsy ra intsony izany, ka tsy mihatra ilay didy hoe ‘mifadia ny ra.’ (Asan’ny Apostoly 15:29; 21:25; fehintsoratra 1, pejy 31) Andraikitr’izy ireo izany. Ny feon’ny fieritreretan’ny hafa indray, dia tsy mamela azy hanaiky na inona na inona avy amin’ny ra, (na ran’olona, na ram-biby), ary na dia zavatra kely fotsiny avy amin’ny taharo fototra iray aza.d Ny sasany kosa mety hanaiky hotsindronina proteinina avy amin’ny ranon-dra, mba hiadiana amin’ny aretina, na hanasitranana kaikitra bibilava, saingy tsy hanaiky zavatra hafa avy amin’ny taharo fototra. Misy koa fanafody ahitana zavatra avy amin’ny iray amin’ireo taharo fototra. Tsy hanaiky izany ny ankamaroan’ny Kristianina, raha mitovy amin’ny asan’ilay taharo fototra ny asan’ilay fanafody, sady tena iankinan’ny aina.
17. a) Ahoana no anampian’ny feon’ny fieritreretana antsika, mba hanapa-kevitra raha handray zavatra avy amin’ny taharo fototra isika na tsia? b) Nahoana no zava-dehibe ny fanapahan-kevitra raisintsika amin’izany?
17 Manampy antsika hanapa-kevitra amin’ny toe-javatra toy izany, ny zavatra lazain’ny Baiboly momba ny feon’ny fieritreretana. Ianaro aloha izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra, ary zaro hanaraka izany ny feon’ny fieritreretanao. Ho afaka handray fanapahan-kevitra mifanaraka amin’ny tari-dalan’Andriamanitra ianao amin’izay, fa tsy hangataka olon-kafa hanapa-kevitra ho anao. (Salamo 25:4, 5) Izao no hevitry ny sasany momba ny fanekena zavatra avy amin’ny taharo fototra: ‘Tsy mampaninona izay ataonao, satria miankina amin’ny feon’ny fieritreretan’ny tsirairay ilay izy.’ Diso anefa izany. Tsy lasa maivan-danja ny raharaha iray, noho izy io miankina amin’ny feon’ny fieritreretana. Mety hisy vokany lehibe ny fanapahan-kevitsika. Mety hisy akony eo amin’ny hafa izany, raha tsy mitovy amin’ny antsika ny feon’ny fieritreretany. Mampiseho izany ny torohevitr’i Paoly momba ny hena, izay mety ho efa natolotra ho an’ny sampy, ary avy eo namidy teny an-tsena. Tokony hitandrina ny Kristianina mba tsy ‘handratra ny feon’ny fieritreretana malemy.’ Raha manafintohina ny hafa izy, dia mety ‘hanimba ny rahalahiny izay namoizan’i Kristy ny ainy’, ka hanota amin’i Kristy. Koa na dia anjaran’ny tsirairay aza ny manapa-kevitra raha handray zavatra kely avy amin’ny taharo fototra izy na tsia, dia tokony handinika tsara aloha izy.—1 Korintianina 8:8, 11-13; 10:25-31.
18. Inona no azon’ny Kristianina atao mba tsy hamono eritreritra, rehefa manapa-kevitra momba ny ra?
18 Misy antony hafa ilazana fa zava-dehibe ny fanapahan-kevitra raisintsika momba ny ra. Mety hisy vokany eo aminao izany. Aza odiana tsy re ny feon’ny fieritreretanao voataizan’ny Baiboly, raha mieritreritra ianao hoe hanenjika anao izy io noho ny fanekenao zavatra kely avy amin’ny taharo fototra. Aza mampandry eritreritra koa anefa, satria fotsiny hoe misy milaza toy izao aminao: “Tsy mampaninona ny manaiky an’io. Maro no efa nandray izany.” Tadidio fa olona maro no lasa maty eritreritra satria tsy miraharaha azy io, hany ka tsy manenjika azy ireo akory ny eritreriny rehefa mandainga sy manao zava-dratsy hafa izy ireo. Tsy maniry ho toy izany velively ny Kristianina.—2 Samoela 24:10; 1 Timoty 4:1, 2.
19. Inona no tokony hotadidintsika foana, rehefa hanapa-kevitra isika raha hanaiky fitsaboana misy ra na tsia?
19 Izao no voalaza eo amin’ny faramparan’ilay lahatsoratra ao amin’ny pejy 31: “Lasa maivan-danja ve ilay raharaha, satria samy hafa ny fomba fihevitry ny olona sy ny fanapahan-kevitra raisiny? Tsia. Zava-dehibe ilay izy.” Izay tokoa no izy, satria misy akony eo amin’ny fifandraisanao amin’ilay “Andriamanitra velona” izany. Io fifandraisana io ihany no ahazoana fiainana mandrakizay, noho ny ra nalatsak’i Jesosy mba hamonjena antsika. Aoka àry isika hanaja lalina ny ra, satria izy io no entin’Andriamanitra hamonjena aina. Mety tsara ny tenin’i Paoly hoe: “Tsy nanana fanantenana sady tsy nanana Andriamanitra ianareo, teo amin’izao tontolo izao. Ianareo izay lavitra fahiny nefa tafaray amin’i Kristy Jesosy ankehitriny, dia efa akaiky izao, noho ny amin’ny ran’i Kristy.”—Efesianina 2:12, 13.
-