Ahoana no Hananantsika Zotom-po Foana?
1 Mety hampahatsiaro antsika mpiara-manompo tena be zotom-po amin’ny asa fitoriana, ny hafanam-pon’i Apolosy teo amin’ny fanompoany. (Asa. 18:24-28) Isika rehetra anefa no ampirisihina hoe: “Aza malaina amin’izay ataonareo. Aoka harehitry ny fanahy ianareo.” (Rom. 12:11) Inona àry no hanampy antsika hanana zotom-po foana, eo amin’ny fanompoana kristianina?
2 Mahabe zotom-po ny fahalalana: Niseho tamin’ny mpianany roa i Jesosy, ary “nohazavainy tsara tamin’ireo ny hevitry ny teny momba azy ao amin’ny Soratra Masina rehetra.” Hoy izy ireo taorian’izay: “Tsy niredareda ve ny fontsika raha niresaka tamintsika teny an-dalana izy?” (Lioka 24:27, 32) Tsy mientam-po toy izany koa ve isika, rehefa mitombo ny fahatakarantsika ny Tenin’Andriamanitra? Manatanjaka ny finoantsika tokoa ny fahalalana. Hoy ny Romanina 10:17: “Ny finoana dia avy amin’izay re.” Te hiresaka foana ny zavatra nianarantsika isika, rehefa tena matoky ny fampanantenan’Andriamanitra ny fontsika.—Sal. 145:7; Asa. 4:20.
3 Tsy ampy ny fahalalana efa noraisintsika hatramin’izay fotsiny, raha tiantsika hiredareda foana ny fitiavantsika an’Andriamanitra sy ny hafanam-pontsika amin’ny fanompoana azy. Tsy maintsy ampitombointsika foana ny fahatakarantsika ny fahamarinana sy ny fitiavantsika an’i Jehovah. Raha tsy izany dia ho lasa fahazarana fotsiny ny fanompoantsika azy. (Apok. 2:4) Mampirisika antsika ny Baiboly mba ‘tsy hitsahatra hampitombo ny fahalalantsika tsara an’Andriamanitra.’—Kol. 1:9, 10.
4 Ny fomba fianarantsika: Tokony handinika ny fomba fianarantsika àry isika. Mety ho voatsipika, ohatra, ny valin’ireo fanontaniana ao amin’ny gazetintsika, rehefa mianatra Ny Tilikambo Fiambenana isika. Mety ho marina koa ny valin-tenintsika. Mamaky an’ireo andinin-teny voatonona ve anefa isika, ary mieritreritra ny fomba ampiharantsika an’ilay fianarana? Miezaka manao fikarohana fanampiny ve isika, rehefa manao famakiana Baiboly isan-kerinandro, ary misaintsaina ny fianarana azo raisina avy amin’izany? (Sal. 77:11, 12; Ohab. 2:1-5) Mahasoa tokoa ny misaintsaina sy mifantoka tanteraka amin’ny Tenin’Andriamanitra! (1 Tim. 4:15, 16) Hanatanjaka antsika ny fianarana tsara toy izany, ary vao mainka hahatonga antsika ‘hazoto amin’ny asa tsara.’—Tit. 2:14.