Manàna Fahazarana Tsara mba Hahazoana Fitahiana Tondraka
1. Nahoana no mahasoa anao ny mandinika ny fahazaranao manao zavatra ara-panahy?
1 Azo inoana fa niezaka mafy hanana fahazarana manao zavatra ara-panahy ianao, tamin’ny vao tonga Kristianina. Anisan’izany ny fianarana Baiboly, ny fanatrehana fivoriana, ny fanompoana eny amin’ny saha, ary ny vavaka. Nitondra soa ho anao izany, ary nitahy ny ezaka nataonao i Jehovah ka lasa akaiky kokoa azy ianao. Mety ho efa taona maro izay no lasa, hatramin’ny nanaovana batisa anao. Mbola tohizinao hatramin’izao ve ny fahazarana tsara nanananao tamin’ny voalohany?
2. Inona no soa horaisintsika raha mamaky Baiboly isan’andro isika?
2 Diniho ny fahazaranao: Zatra mamaky ampahany amin’ny Tenin’Andriamanitra ve ianao isan’andro? Hahazo fitahiana tondraka tokoa isika raha manao izany! (Josoa 1:8; Sal. 1:2, 3) Tsy maintsy namaky ny Lalàna ny mpanjaka tsirairay teo amin’ny Israely fahiny, ‘tamin’ny andro rehetra niainany.’ Inona no soa azony tamin’izany? Nahatonga azy hanana fo manetry tena sy hianatra hatahotra an’i Jehovah izany, ka tsy hivily hiala amin’ny didiny. (Deot. 17:18-20) Toy izany koa ankehitriny. Manampy antsika tsy hanan-tsiny sy tsy hisy hokianina eo anivon’ity tontolo ratsy ity, ny famakiana Baiboly isan’andro. Manampy antsika ho ampy fitaovana tsara amin’ny fanompoana koa izany.—Fil. 2:15; 2 Tim. 3:17.
3. Inona no fitahiana raisintsika rehefa mivory tsy tapaka isika?
3 Fanaon’i Jesosy ny nankao amin’ny synagoga, izay toerana nandinihana ny Soratra Masina. (Lioka 4:16) Azo antoka fa nanatanjaka azy mba hiatrika ny fitsapana tsy maintsy niaretany izany. Mampahery antsika koa ankehitriny ny toromarika avy ao amin’ny Soratra Masina omena antsika any amin’ny fivorian’ny fiangonana, sy ny “fifampaherezana” misy any. (Rom. 1:12) Manampy antsika hiaritra ny olana amin’izao andro farany izao, ny fiaraha-mivory amin’ireo rahalahintsika. (Heb. 10:24, 25) Mbola fahazaranao ve ny manatrika ny fivoriana rehetra?
4. Inona no soa raisintsika rehefa mandray anjara amin’ny fanompoana isan-kerinandro isika?
4 Mitantara amintsika ny Baiboly fa nitory ny vaovao tsara ‘isan’andro, tao amin’ny tempoly sy isan-trano’ ireo apostoly. (Asa. 5:42) Marina fa mety tsy ho afaka hitory isan’andro isika. Azontsika atao fahazarana ve anefa ny mandray anjara isan-kerinandro amin’ireo endriny samihafa amin’ny fanompoana? Azo antoka fa hahay hanazava kokoa ny Tenin’Andriamanitra isika raha manao izany. Mety hahita zavatra mampahery koa isika rehefa mitory ny fahamarinana avy ao amin’ny Baiboly.
5. Nahoana no tena ilaina ny mivavaka tsy tapaka amin’i Jehovah?
5 Nandray fitahiana tondraka i Daniela mpaminany satria nanompo an’i Jehovah “mandrakariva”, nandritra ny fiainany manontolo. Anisan’ny fahazarany ny nivavaka tsy tapaka tamin’i Jehovah. (Dan. 6:11, 17, 21) Raha mivavaka tsy tapaka sy amim-pahatsorana amin’i Jehovah koa isika, dia homeny ny fanahiny masina. (Lioka 11:9-13) Tsy izay ihany fa hamaly antsika izy, ka hanatona antsika sy hamela antsika hifandray akaiky aminy. (Sal. 25:14; Jak. 4:8) Valisoa lehibe tokoa izany! Enga anie àry isika hiezaka mafy hanana fahazarana tsara foana, ka hahazo fitahiana tondraka avy amin’i Jehovah.