Diniho ny Mety ho Vokatry ny Fifindrana any Amin’ny Tany Manankarena
Matetika no feno hipoka ny efitrano fiandrasana, any amin’ny masoivohon’ny tany vahiny, atỳ amin’ny tany an-dalam-pandrosoana. Hoadinadinina ireo olona ireo, ary mitaintaina sahady. Vetivety ihany io fanadinadinana io, nefa tena zava-dehibe. Miankina amin’izy io no hahazoany visa, na fahazoan-dalana hiditra any amin’ny tany mandroso iray any andafy. Maro no mino fa ho mpanankarena izy, rehefa mahazo an’io visa io. Hoy ny tanora iray atsy Afrika Andrefana: “Efa-taona aho izay no niasa mafy, nefa mbola tsy nahavidy radio akory. Tahaka izay aho mba efa nahazo aotomobilina sy trano, raha tany Angletera na Amerika.”
Maro no mihevitra toy izany atỳ amin’ny tany mahantra, ary tsy saro-pantarina ny antony. Sarotra ny mahita asa, ary kely ny karama. Mety hanana tahirim-bola ihany izy, saingy mihena tsikelikely izy io noho ny fisondrotan’ny vidim-piainana. Tsy mora koa ny mahita trano, ary raha mahita aza dia olona maro no mifanizina ao anaty trano iray. Akanjo efa narian’ny any amin’ny tany manankarena no anaovan’ny olona. Maro no mihevitra fa tsy ho tafavoaka amin’ny fahantrana mihitsy izy.
Toa miadana be anefa ny olona any andafy, ka manintona erỳ ny fiainana any! Hoy ny tovolahy iray any Sierra Leone: ‘Manjary te ho any ampita sy hijery izany tany mandroso izany izahay, rehefa mandre ny fitantaran’ny olona sasany efa tany. Milaza ry zareo hoe mila miasa mafy ianao rehefa tonga any, nefa tsara ny karama. Sady mahavelona anao, hono, ilay izy no mbola ahafahanao mividy zavatra hafa mampiadana, toy ny aotomobilina. Ary afaka manangana orinasa sy manambady ianao, raha mitondra vola be rehefa mody.’
Tsy mahagaga àry raha misy mpanompon’Andriamanitra mihevitra toy izany koa. Hoy ny anabavy afrikanina iray: “Renay tanora ato amin’ny fandaminan’Andriamanitra hoe mahafinaritra be, hono, ny fiainan’ny olona sasany lasa any andafy. Lasa mieritreritra aho indraindray hoe: ‘Ahoana ny amiko? Nahoana aho no voatery hijaly eto? Tokony handeha àry aho sa hijanona?’ ”
Mety hieritreritra koa ianao hoe sao mba ho tsara kokoa ny fiainanao, raha mankany andafy ianao. Raharaha goavana anefa ny mifindra monina any an-tany hafa sady vidina lafo, ka mila dinihina tsara. Mety hila hianatra teny hafa ianao, hianatra asa vaovao, hizatra amina kolontsaina hafa, hizaka ny fanavakavahan’ny olona maro tsy tia vahiny, ary hianatra fomba fiaina hafa tanteraka. Ekena fa nahavita tsara an’izany ny Kristianina maro, sady nanampy betsaka an’ilay fiangonana nifindrany. Mpitory, na mpisava lalana, na anti-panahy, na mpanampy amin’ny fanompoana fakan-tahaka izy ireo.
Tsy ny rehetra anefa no mahomby toy izany. Nanimba ny fifandraisan’ny olona sasany tamin’Andriamanitra, ny zava-tsarotra sy ny tebiteby nateraky ny fifindra-monina. Ilaina àry ny mieritreritra tsara sy mivavaka, vao manapa-kevitra ny hifindra. Manoro hevitra ny Ohabolana 3:5, 6 hoe: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao; maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao.” Araka izany, dia hamarino tsara raha mifanaraka amin’ny sitrapon’i Jehovah izay hataonao. (Jak. 4:13-15) Manampy antsika amin’izany ny fanarahana ny torohevitr’i Jesosy hoe: ‘Manaova kajy ny amin’izay ho lany.’ (Lioka 14:28) Tsy ny vola ho lany amin’ny fifindra-monina ihany anefa no ilaina hoeritreretina, fa ny loza ara-panahy mety hitranga koa.
Ny tena fiainana any andafy
Na aiza na aiza tianao hifindrana, dia tokony ho fantatrao tsara aloha izay mety ho fiainanao any. Tsidiho kely ilay toerana, raha azo atao, ary jereo hoe manao ahoana ny fiainana any. Raha tsy izany, dia ho voatery hianina amin’izay lazain’ny olona ianao. Mampitandrina tokoa ny Baiboly hoe: “Ny kely saina mino ny teny rehetra; fa ny mahira-tsaina mandinika ny diany.”—Ohab. 14:15.
Ny filma sy ny fandaharana ao amin’ny tele ihany no mba ahafantaran’ny sasany ny mombamomba ny fiainana any ampita. Noho izany, dia mino izy ireo fa manankarena sy manana fiara vaovao ary mipetraka amin’ny trano tsara tarehy daholo ny olona any. Tsy izany mihitsy anefa no izy. Be dia be ny mahantra sy ny tsy manan-kialofana ary ny tsy an’asa, any amin’ny tany maro manankarena. Ny mpifindra monina matetika no anisan’ny mahantra indrindra. Hoy ny tompon’andraikitra iray, ao amin’ny masoivohon’i Etazonia any amin’ny tany mahantra iray: “Tsy fantatry ny olona mihitsy hoe sarotra be ny manorim-ponenana any Amerika. Misy manoratra amin’ny havany atỳ hoe tena tafita izy any, ary nahazo fiara roa sy trano. Miady mafy anefa izy, raha ny marina.”
Toy izany koa ny any an-tany hafa. Mpanabe atsy Afrika Andrefana Atoa Sahr Sorie, ary efa nipetraka sy nianatra tany Londres. Hoy izy: ‘Tsy mora ny miala eto Afrika sy manorim-ponenana any Angletera. Maro ny mpifindra monina mahantra be any. Hitanao eny amin’ny endriny mihitsy fa mafy ny manjo azy ireny. Na vola kely hiantsoana an-telefaonina aza tsy ananan’ny sasany. Maro mazàna no miara-mipetraka ao amin’ny efitra iray, ary mangatsiaka be ilay toerana rehefa ririnina. Tsy mahazo afa-tsy asa ambany izy, ary mbola tsy ampy hivelomany ny karama azony. Hitan’ireo olona mandositra ny fahantrana atỳ Afrika, fa matetika no vao mainka ratsy ny fiainany any amin’ireo tanàna tsizarizary any Eoropa.’
Tsy ilaozan’ny olana ara-bola ny mpifindra monina, ary mety hangeja azy mora foana izany, ka hanadino ny fanompoana an’Andriamanitra izy. (Matio 13:22) Marina fa deraina ireo mazoto miasa, ao amin’ny Baiboly. (Ohab. 10:4; 13:4) Maro amin’ny olona mankany andafy anefa no voatery manao asa roa na telo, mba hahazoana ny vola tadiaviny, na mba hivelomana fotsiny. Manjary kely sisa, raha hisy aza, ny fotoana azony anompoana an’Andriamanitra. Lasa ambanin-javatra ny fivoriana sy ny fianarana Baiboly ary ny fitoriana. Marina tokoa amin’izay ilay tenin’i Jesosy Kristy hoe: “Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny Harena ianareo.”—Matio 6:24.
Ny fakam-panahy ho ratsy fitondran-tena
Eritrereto koa hoe manao ahoana ny fitondran-tenan’ny olona, any amin’ilay tany tianao hifindrana. Milaza ny Baiboly fa nifidy ny hipetraka tao amin’ny Faritr’i Jordana i Lota. Toa tsara tokoa ny fanapahan-keviny, raha ny toetoetran’ilay tany fotsiny no jerena. “Azon-drano avokoa izy rehetra ... tahaka ny sahan’i Jehovah.” (Gen. 13:10) “Mpanota indrindra tamin’i Jehovah” anefa ny mpiara-belona tamin’i Lota, ary mpanao firaisana mamoafady mihitsy aza! (Gen. 13:13) Noho izany, dia “nahatsiaro ho nijaly ... io olo-marina io noho ny zavatra hitany sy reny fony izy nonina isan’andro teo amin’izy ireo, satria nanao ny tsy ara-dalàna ireo.”—2 Pet. 2:8.
Toy izany koa no mety ho hitanao any ampita. Mety ho mafy kokoa noho ny eo amin’ny tany misy anao, ny fakam-panahy ho ratsy fitondran-tena. Mety tsy hohajaina toy ny eo amin’ny taninao koa ny zokiolona. Mety tsy hampirisihina hanaja ny ray aman-dreniny ny olona, ary angamba samy maka ho azy ny mpiara-monina. Inona no mety ho vokatr’izany eo aminao sy ny fianakavianao? Ilaina hodinihina tsara sy hatao antom-bavaka izany.
Ray tafasaraka amin’ny ankohonany
Misy raim-pianakaviana manapa-kevitra ny ho any andafy irery, ka tafasaraka amin’ny ankohonany. Mikasa hanafatra azy ireo izy ireny rehefa tonga any, na angamba hitondra vola be rehefa mody. Fahendrena ve ny manao toy izany?
Milaza ny Baiboly fa adidin’ny ray aman-dreny ny mamelona ny fianakaviany. Tsy afa-manoatra mihitsy ny sasany indraindray, ka voatery miasa any andafy mba hanefana izany adidiny izany. (1 Tim. 5:8) Adidin’izy ireo koa anefa ny manampy ny fianakaviany eo amin’ny lafiny ara-panahy. Hoy ny Tenin’Andriamanitra: “Ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao hatrany araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah izy.”—Efes. 6:4.
Afaka manefa tsara izany adidiny izany ve ny raim-pianakaviana, raha tsy eo mandritra ny volana maro na taona maro? Azo inoana fa tsia. Eritrereto tsara àry izao: Hahonitra ny voka-dratsy mety hateraky ny fisarahanao amin’ny ankohonanao ve ny tombontsoa mety ho azonao any andafy? Matetika koa no tsapan’ireo nifindra monina, fa tsy mora araka ny nieritreretany azy ny mitady “vola be.” Mety ho tafasaraka mandritra ny taona maro ny fianakaviana, raha tsy misy ny vola hanafarana ny vady aman-janaka. Mety hitondra ho amin’ny fakam-panahy haloto fitondran-tena izany. (Ampitahao amin’ny 1 Korintianina 7:1-5.) Mampalahelo fa maro tamin’ny olona tao anatin’izany toe-javatra sarotra izany no naloto fitondran-tena.
Matokia fa hikarakara anao Andriamanitra
Miharatsy ny toe-karena eto amin’ity tontolo ity, nefa tadidio fa tsy tokony hatahotra ny hafoin’Andriamanitra ny mpanompony. Hoy i Jesosy: “Aza manahy mihitsy ianareo hoe: ‘Inona no hohaninay?’ na ‘Inona no hosotroinay?’ na ‘Inona no hotafinay?’ Izany rehetra izany mantsy no katsahin’ny olona eo amin’izao tontolo izao fatratra. Fa fantatry ny Rainareo any an-danitra fa ilainareo izany rehetra izany. Katsaho hatrany àry aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia homena anareo koa izany rehetra izany.”—Matio 6:31-33.
Manohana ny Fanjakan’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny, ka mazoto mitory ny vaovao tsara. (Matio 24:14; 28:19, 20) Maro ny tany mahantra mila mpitory be dia be, ary anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana matotra no tena ilaina. Maro no nifidy ny hijanona ao amin’ny taniny, toy izay hifindra any amin’ny tany manankarena, izay tsy mila mpitory firy. Inona no soa azon’izy ireo?
Mipetraka atsy Afrika Andrefana i Alethia, ary efa 30 taona izao no nanompoany manontolo andro tao. Hoy izy: “Afaka nipetraka tany andafy aho, raha tiako. Tsy nanao izany anefa aho, noho ny fitiavako ny olona eto aminay sy ny havako. Faly aho manampy azy ireo hianatra ny fahamarinana, amin’izay dia ho afaka hiara-manompo an’i Jehovah izahay. Tsy mahatsiaro ho matiantoka mihitsy aho nijanona teto, sady tsy manenina.”
Mipetraka atsy Afrika koa i Winifred, ao amin’ny tany iray anisan’ny mahantra indrindra. Hoy anefa izy, rehefa avy nanao ny asan’ny mpisava lalana nandritra ny 42 taona: “Tsy mora ny mitady fivelomana indraindray, ary mitady hanampy trotraka an’izany i Satana. Nikarakara ahy foana anefa i Jehovah ary nanome izay nilaiko.”
“Niaiky tanteraka” i Abrahama mpanompon’i Jehovah fahiny, “fa hain’Andriamanitra tanterahina izay nampanantenainy.” (Rom. 4:21) Miaiky koa ve ianao fa hain’i Jehovah ny manatanteraka ny fampanantenany, ka hikarakara anao izy raha ataonao loha laharana ny Fanjakany? Ekenao ve ny tenin’ny mpanao salamo hoe: “Ny lalàn’ny vavan[’Andriamanitra] no mahatsara ahy mihoatra noho ny volamena sy ny volafotsy tsy omby arivo”? (Sal. 119:72) Sa mila mampihatra tsara kokoa ny torohevitry ny apostoly Paoly ianao? Hoy tokoa izy ao amin’ny 1 Timoty 6:8: “Raha manan-kanina sy fitafiana ary fialofana isika, dia aoka ho afa-po amin’izany.” Sao dia fahendrena àry ny miezaka mifaly araka izay azo atao amin’ny toerana misy anao ankehitriny, toy izay hanorim-ponenana any an-toeran-kafa?
Mety ho sahirana mafy ny Kristianina, noho ny toe-karena any amin’ny tany maro. Raha misy àry fianakaviana tapa-kevitra hifindra monina any an-tany hafa, rehefa avy nandinika tsara ny zava-drehetra tafiditra amin’izany, dia tsy misy antony tokony hanakianana azy. (Gal. 6:5) Izay mijanona kosa dia afaka mangataka foana ny fanampian’i Jehovah, mba hiaretana ny fahasahiranana eto amin’ity tontolo ity, sady hifaly amin’ny fitahiana ara-panahy omen’Andriamanitra. Tadidio fa ho foana tsy ho ela ny tsy rariny sy ny fanavakavahana, rehefa hitondra ny tany ny Fanjakan’Andriamanitra. Ho tanteraka amin’izay ny tenin’ny mpanao salamo hoe: “Manokatra ny tànanao Hianao [Jehovah] ka mahavoky soa ny zava-miaina rehetra.”—Sal. 145:16.