Inona no Fitsaboana Tsara Indrindra?
Hoy i Michael Rose, dokotera sady anestezista: “Ny fandidiana tsy ampiasana ra no tsara indrindra.” Inona avy no teknika sy fanafody ampiasaina amin’izany? Mila mahafantatra an’izany ianao, mba handraisanao fanapahan-kevitra voahevitra tsara momba ny fitsaboana sy fandidiana. Jereo àry ilay video hoe Vitan’ny Mpitsabo ny Tsy Mampiasa Ra. Valio ireto fanontaniana ireto avy eo, mba hahitana raha tena azonao ilay izy.—Fanamarihana: Tokony hahay handanjalanja ny ray aman-dreny, rehefa mijery an’ilay video miaraka amin’ny zanany kely, satria ahitana sarina dokotera manao fandidiana izy io.
1) Inona no antony lehibe indrindra tsy aneken’ny Vavolombelon’i Jehovah hampidiran-dra? 2) Inona no fitsaboana tian’ny Vavolombelon’i Jehovah? 3) Inona no zo lehibe indrindra ananan’ny marary? 4) Raha mifidy fitsaboana solon’ny fampidiran-dra ny olona iray, nahoana izy no tsy azo lazaina hoe tsy mahay mandray andraikitra na tsy mahay misaina? 5) Inona no zavatra roa tsy maintsy ataon’ny dokotera haingana, rehefa misy fahaverezan-dra be? 6) Misy sokajiny efatra ny fitsaboana azon’ny olona isafidianana, raha tsy te hampidiran-dra izy. Inona avy izany? 7) Inona no ataon’ny dokotera mba a) hampihenana ny ra very, b) hitehirizana ny liomena na sela mena, d) hanairana ny vatana mba hamokatra ra, ary e) hampiasana indray ny ra very? 8) Hazavao ilay teknika fitsaboana atao hoe: a) fanampohana ny ra sy b) cell-saver. 9) Inona no fanazavana tokony hotadiavinao rehefa hifidy fitsaboana solon’ny fampidiran-dra ianao? 10) Mahavita manao fandidiana lehibe sy sarotra ve ny dokotera, nefa tsy mampiasa ra? 11) Inona no fandrosoana vita eo amin’ny sehatry ny fitsaboana?
Ny tsirairay no manapa-kevitra raha hanaiky ny fitsaboana naseho tao amin’ilay video izy na tsia, arakaraka ny feon’ny fieritreretany voataizan’ny Baiboly. Efa nanapa-kevitra ve ianao hoe inona avy no solon’ny fampidiran-dra tianao hitsaboana anao sy ny zanakao? Tokony hohazavainao tsara amin’ny mpianakavinao tsy Vavolombelona ny fanapahan-kevitra noraisinao sy ny antony.—Jereo ny “Fanontanian’ny Mpamaky” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Jona 2004 sy 15 Oktobra 2000.