Ambarao Hatraiza Hatraiza ny Hatsaran-toetran’i Jehovah
1. Inona no mandrisika antsika hanambara hatraiza hatraiza ny hatsaran-toetran’i Jehovah?
1 “Anao, Jehovah ô, ny fahalehibiazana sy ny hery sy ny voninahitra sy ny famirapiratana ary ny fiandrianana, dia izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany.” (1 Tant. 29:11) Misy heriny eo amintsika ve ny fitiavantsika an’i Jehovah sy ny fankasitrahantsika azy? Mandrisika antsika izany mba ‘hanambara hatraiza hatraiza ny hatsaran-toetran’ilay niantso antsika hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga.’ (1 Pet. 2:9) Irintsika foana ny hiresaka amin’ny hafa momba an’ilay Andriamanitsika lehibe! Tena manana fotoana be dia be hanambarana ny hatsaran-toetran’i Jehovah isika, mandritra ny volana Martsa sy Aprily ary Mey.
2. Inona no ezaka manokana hataontsika mba hanasana ny olona hanatrika Fahatsiarovana? Iza avy no afaka mandray anjara?
2 Ezaka manokana mba hanasana ny olona hanatrika Fahatsiarovana: Hanasongadina ny hatsaran-toetran’i Jehovah isika amin’ny alatsinainy 2 Aprily, rehefa mankalaza ny Sakafo Harivan’ny Tompo. Hisy fanasana manokana hozaraina eran-tany manomboka ny 17 Martsa ka hatramin’ny 2 Aprily, mba hampirisihana ny olona hanatrika an’io fotoan-dehibe io. Ampirisihina isika rehetra hazoto hizara azy io. Fotoana tena mety hanombohana hitory ny vaovao tsara io, ho an’izay mahafeno fepetra. Miresaha amin’ny anti-panahy, raha hitanao hoe mahafeno fepetra ny olona ampianarinao Baiboly na ny zanakao.
3. Inona no azontsika lazaina rehefa manasa olona hanatrika Fahatsiarovana?
3 Hitovy amin’ilay natao tamin’ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Akaiky ny Fanafahana!” io ezaka manokana io. Handefasana taratasy fanasana ampy tsara ny fiangonana, mba ho afaka hahazo 50 avy ny mpitory, ary 150 avy ny an’ny mpisava lalana. Ataovy fohy ny teninao rehefa mametraka azy io, toy ny hoe: “Mitondra fanasana ho anao izahay. Hisy fankalazana lehibe fanao isan-taona mantsy hatao tsy ho ela, ka manasa anao amim-pitiavana izahay hanatrika azy io. Efa hazavaina ato ny tsipiriany momba ilay izy.” Raha mametraka fanontaniana moa ilay olona, dia afaka mamaly azy ianao. Azo ampiasaina ny fanazavana fanampiny momba ny Sakafo Harivan’ny Tompo ao amin’ny boky Ampianarina, manomboka eo amin’ny pejy faha-206. Hatolotsika miaraka amin’ny gazety ilay taratasy fanasana, rehefa faran’ny herinandro. Raiso an-tsoratra foana izay olona liana, ary manaova fotoana mba hitsidihana azy.
4. Ahoana no hizarana ilay taratasy fanasana manokana?
4 Tsara kokoa raha omena ny olona mivantana ilay taratasy fanasana. Raiso an-tsoratra àry izay tsy tratra an-trano ary ivereno indray. Raha manana ambina fanasana betsaka ny fiangonanareo, dia azo apetraka ao amin’ny trano tsy nahatratrarana olona ilay izy, mandritra ny herinandro farany alohan’ny Fahatsiarovana, fa tsy alohan’izay. Aza hadinoina ny manome fanasana ny olona tsidihinao sy ampianarinao Baiboly, ny havanao, ny mpiara-miasa aminao, ny mpiray tanàna, ary ny olom-pantatrao.
5. Nahoana isika no tokony handamina fotoana dieny izao mba hanaovana ny asan’ny mpisava lalana mpanampy?
5 Mpisava lalana mpanampy: Afaka manambara bebe kokoa ny hatsaran-toetran’i Jehovah ve ianao, ka hanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy, mandritra ny Martsa sy Aprily ary Mey? Mitaky ny hanitsianao ny fandaharam-potoananao angamba izany. (Efes. 5:15-17) Matokia fa hahita fifaliana sy hahazo ny fitahian’i Jehovah ianao, rehefa miezaka mampitombo ny fanompoanao azy. (Ohab. 10:22) Efa akaiky ny vanim-potoan’ny Fahatsiarovana, ka tsara raha mandamina fotoana dieny izao isika.—Ohab. 21:5.
6. Inona no ianarantsika avy amin’ny fitantarana momba ilay anabavy 90 taona nanao mpisava lalana mpanampy tamin’ny taon-dasa?
6 Nisy anabavy 90 taona afaka nanao mpisava lalana mpanampy tamin’ny taon-dasa. Hoy izy: “Tena tia manao zaridaina aho, ary efa nieritreritra ny hanomboka hamboly. Tsapako anefa fa nila namaritra izay zava-dehibe kokoa aho. Naniry hanao an’ilay Fanjakana ho loha laharana aho, ka nanapa-kevitra ny hanao mpisava lalana mpanampy tamin’ny Martsa.” Novalian-tsoa ve ny ezaka nataony? Hoy izy: “Nahatsapa ho akaiky kokoa ny fiangonana aho, ary nahatonga ahy ho akaiky kokoa an’i Jehovah izany.” Afaka mandinika izay hataontsika loha laharana koa ve isika, ka hanao fanitsiana raha ilaina izany?
7. Sarotra ve ny manao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy?
7 Mety tsy dia ho sarotra araka ny ieritreretanao azy ny manatratra ny 50 ora takina amin’ny mpisava lalana mpanampy. Diniho amim-bavaka àry ny asa aman-draharahanao, alamino ny fotoananao, ary soraty ao amin’ny fandaharam-potoananao momba ny fanompoana izany. Ianao no tena mahafantatra ny toe-javatra misy anao. Mety ho afaka hanompo mandritra ny ora vitsivitsy isan’andro ianao, ohatra, raha tsy dia salama na kelikely hery. Raha miasa tontolo andro kosa ianao na mianatra, dia mety ho afaka hanao mpisava lalana mpanampy, raha manompo amin’ny takariva na ny faran’ny herinandro.
8. Ahoana no nahafahan’ny mpivady iray hanao mpisava lalana mpanampy?
8 Fianakaviana maro no afaka nanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy. Nisy mpivady nisalasala ny hanao fangatahana teo aloha, satria nieritreritra fa tsy ho afaka ny ho mpisava lalana mpanampy izy noho ny toe-javatra nisy azy. Inona no nataony? “Nivavaka tamin’i Jehovah izahay mba hanampiany anay hanatontosa ilay asa tianay hatao hatry ny ela.” Nandamina fotoana tsara izy ireo, ka nahatratra ny tanjony. Hoy ihany izy ireo: “Tena nahafinaritra ilay izy! Be dia be ny fitahiana azonay. Koa izao no soso-kevitray: Mba andramo ange e! Vitanay ilay izy, ka noho izany dia mety ho afaka hanao azy io koa ny fianakavianao.”
9. Inona no azonareo atao amin’ny fianaram-pianakavianareo manaraka, mba hiomanana ho amin’ny fanompoana manokana mandritra ireo volana ireo?
9 Nahoana raha manokana fotoana amin’ny fianaram-pianakavianareo manaraka, mba handinihana ny fomba azonareo ampitomboana ny fanompoanareo mandritra ny Martsa sy Aprily ary Mey? Na dia tsy afaka ny ho mpisava lalana mpanampy aza ny fianakaviana manontolo, dia angamba kosa mba ho afaka hanao izany ny iray aminareo, raha mifanampy sy miara-miasa ianareo rehetra. Ary raha tsy misy afaka mihitsy? Mbola afaka miezaka mampitombo ny fotoana hanompoanareo ianareo, mandritra ireo volana manokana ireo.
10. Nahoana isika no tokony hiresaka amin’ny hafa momba ny faniriantsika hanao mpisava lalana mpanampy mandritra ny vanim-potoan’ny Fahatsiarovana?
10 Mifanampia: Mifindra ny hafanam-po. Resaho amin’ny hafa àry ny fanirianao ho mpisava lalana mpanampy. Mety handrisika azy ireo hanao fangatahana koa izany. Mety hanome soso-kevitra anao koa ireo efa nanao an’io asa io. Hanampy anao handamina ny asa aman-draharahanao sy ny fandaharam-potoananao izany, mba hanatratraranao ny tanjonao. (Ohab. 15:22) Raha afaka manao mpisava lalana mpanampy ianao, nahoana raha manasa mpitory hafa mba hiara-manao an’io asa mahafinaritra io aminao? Mpitory miaina ao anatin’ny toe-javatra mitovy amin’ny anao angamba ilay izy.
11. Ahoana no azon’ny anti-panahy anampiana ny hafa mba hafana fo amin’ny asan’ny mpisava lalana mpanampy mandritra ireo volana ireo?
11 Anti-panahy maro no manao izay fandaminana ilaina mba handraisana anjara amin’io endri-panompoana manokana io. (Heb. 13:7) Mampahery ny fiangonana tokoa izany! Mahatonga ny hafa hafana fo koa ny anti-panahy rehefa miresaka aminy. Teny fampaherezana kely atao amin-katsaram-panahy, na soso-kevitra azo ampiharina fotsiny angamba no ilaina, mba handrisihana ny olona sasany hanao mpisava lalana mpanampy. Mety hanisy fivoriana alohan’ny fanompoana fanampiny ny mpiandraikitra ny fanompoana, mba hahafahan’ny rehetra hiara-mitory, rehefa mirava avy miasa na mianatra. Tokony hanaovana fampandrenesana matetika izany. Hataony azo antoka koa fa manana faritany sy boky aman-gazety ampy tsara ny rehetra.
12. Inona no mety ho azonao atao raha tsy afaka manao mpisava lalana mpanampy ianao?
12 Mety tsy ho afaka hanao mpisava lalana mpanampy ianao, noho ny toe-javatra misy anao. Afaka mampahery an’ireo hanao izany sy mivavaka ho azy anefa ianao. (Ohab. 25:11; Kol. 4:12) Angamba ianao hanokana andro iray fanampiny isan-kerinandro hiarahana manompo amin’izy ireny, na hanompo maharitra kokoa noho ny mahazatra.
13. Inona no tanjontsika eto Madagasikara, ary ahoana no azon’ny fiangonanareo atao mba hanatratrarana azy io?
13 Mpisava lalana mpanampy 2 500 no tanjona amin’ny Aprily: Nahatratra 1 995 ny tampon’isan’ny mpisava lalana mpanampy teto Madagasikara, tamin’ny Aprily 2006. Mpisava lalana mpanampy 2 500 àry no tanjontsika amin’ity Aprily ity. Ho tratrantsika io, raha mpitory 1 amin’ny 7 monja isaky ny fiangonana no manao mpisava lalana mpanampy. Ho maro kokoa aza ny mpitory ho afaka hanao mpisava lalana mpanampy any amin’ny fiangonana sasany. Tsy ho sarotra ho an’ny ankamaroan’ny fiangonana àry ny hanatratra ilay tanjona. Alao sary an-tsaina ny fifaliana lehibe hoentin’izany eo anivon’ny fiangonanareo, sy ny fahavitrihan’ny mpitory eny amin’ny faritaninareo!
14. Nahoana ny volana Aprily no tena tsara hanaovana ny asan’ny mpisava lalana mpanampy?
14 Nahoana ny volana Aprily no tena tsara hanaovana ny asan’ny mpisava lalana mpanampy? Eo am-piandohan’ny volana ny Fahatsiarovana, ka hanam-potoana be dia be hiverenana hitsidika an’ireo nanatrika isika. Hanolotra gazety isika amin’io, ka ny hametraka ny boky Ampianarina no tanjontsika rehefa miverina mitsidika, ary hanomboka fampianarana Baiboly. Ho afaka hanomboka fampianarana Baiboly maro àry isika, raha manao mpisava lalana mpanampy amin’ny Aprily. Matetika no tena tsara ny toetrandro eto amintsika amin’io, satria sady tsy mafana loatra nefa koa tsy mangatsiaka loatra. Hisy alahady dimy koa ny volana Aprily sady hisy andro tsy fiasana, ka tsy ho sarotra ho an’ny mpiasa sy ny mpianatra ny hanao ilay asa.
15. Nahoana isika no tokony hanao zavatra haingana amin’izao vanim-potoan’ny Fahatsiarovana izao?
15 Mihamanatona ny faran’ity tontolo ity, isaky ny mandalo ny taona iray ankalazana ny Fahatsiarovana. Efa kely sisa ny fotoana tavela hiresahantsika amin’ny olona momba an’ilay Andriamanitsika lehibe. (1 Kor. 7:29) Manana fotoana sarobidy hiderana ny Raintsika any an-danitra isika mandritra ity vanim-potoan’ny Fahatsiarovana ity, ary tsy hiverina intsony io fotoana io. Enga anie àry isika hiomana dieny izao hanao izay rehetra azontsika atao mandritra ny Martsa sy Aprily ary Mey, mba hanambarana hatraiza hatraiza ny hatsaran-toetran’i Jehovah!
[Efajoro, pejy 4]
Ho Tratrantsika ve ny Isan’ny Mpisava Lalana Mpanampy 2 500 Amin’ny Aprily?
◼ Diniho izay hataonao ho loha laharana
◼ Iaraho midinika amin’ny fianakaviana ny tanjonareo
◼ Resaho amin’ny hafa izay kasainao hatao