FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 12/10 p. 1
  • Ampiasao Foana Izy Io

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ampiasao Foana Izy Io
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2010
  • Mitovitovy Aminy
  • Fitaovana Vaovao Anombohana Fampianarana!
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
  • Fomba Fitory Modely
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2014
  • Ampiasao Ilay Taratasy Mivalona Ny Tranonkalantsika
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2014
  • Ezaka Manokana Hatao ny 20 Oktobra–16 Novambra!
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2010
km 12/10 p. 1

Ampiasao Foana Izy Io

1. Inona no antony namoahana an’ilay taratasy mivalona Hahafantatra ny Marina?

1 Natao hanombohana fampianarana ilay taratasy mivalona hoe Tianao ve ny Hahafantatra ny Marina? Azo ampiasaina foana anefa izy io mba hampielezana ny voan’ny fahamarinana. (Mpito. 11:6) Ireto misy soso-kevitra.

2. Ahoana no azo anombohan-dresaka amin’ny alalan’ilay taratasy mivalona?

2 Rehefa manombo-dresaka: Asehoy an’ilay olona ireo fanontaniana enina eo amin’ny fonony, ary anontanio izy hoe: “Iza amin’ireo no mahaliana anao?” Diniho miaraka aminy ny valin’ilay fanontaniana notondroiny, ary mamakia andinin-teny iray. Vakio na fintino ireo fehintsoratra eo amin’ny pejy farany, ary atolory ny boky Ampianarina. Na tsy mandray boky aza izy, dia omeo azy ilay taratasy. Mety hampitsiry ny voan’ny fahamarinana ao am-pony izany.—Mat. 13:23.

3. Inona no azo atao raha sahirana ilay olona itoriana?

3 Rehefa sahirana ilay olona: Azo atao ny milaza hoe: “Aleo àry ity taratasy ity no omeko anao. Misy fanontaniana enina fametraky ny olona ato, sady ahitana ny valiny omen’ny Baiboly. Azontsika resahina izy ity amin’ny manaraka.”

4. Inona no azo lazaina rehefa mitory eny an-dalana?

4 Rehefa mitory eny an-dalana: Afaka milaza ianao hoe: “Manahoana ianao. Efa nisy nanitikitika ny sainao ve ny iray amin’ireto fanontaniana ireto? [Avelao izy hamaly.] Misy valiny mazava avy ao amin’ny Baiboly ato.” Raha tsy maika izy, dia jereo miaraka aminy ilay valiny. Azonao atolotra mihitsy aza ny boky Ampianarina.

5. Inona no azo atao indraindray, rehefa misy tsy tratra an-trano?

5 Rehefa misy tsy tratra an-trano: Zatra mametraka taratasy mivalona ho an’ireo tsy tratra an-trano ny mpitory, any amin’ny faritany sasany, fa tsy ataony miharihary be. Raha efa fanao eny aminareo izany, nahoana raha ilay Hahafantatra ny Marina no apetraka indraindray? Afaka milaza toy izao ianao rehefa miverina: “Namela hoatr’ity ho anao izahay tamin’ny farany, satria tsy tato ianao. Iza amin’ireto fanontaniana ireto no tianao hovaliana?”

6. Inona no mampiavaka ny taratasy mivalona Hahafantatra ny Marina?

6 Tsotra sy mivantana io taratasy mivalona io. Mahaliana ny olona avy amin’ny kolontsaina sy ny fivavahana rehetra izy io. Mora ny mametraka azy, na dia ho an’ny ankizy sy ny mpitory vaovao aza. Mampiasa azy io foana ve ianao?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara