Nampiseho ny Finoany ny Vavolombelon’i Jehovah—Fizarana Faharoa: Nampamirapiratra ny Hazavana Izy Ireo
Nisy asa goavana niandry ny Mpianatra ny Baiboly rehefa nafahana avy tany am-ponja ny Rahalahy Rutherford sy ireo namany, tamin’ny 1919. Maro no nanohitra azy ireo, araka ny aseho ao amin’ilay video hoe Nampiseho ny Finoany ny Vavolombelon’i Jehovah—Fizarana Faharoa: Nampamirapiratra ny Hazavana Izy Ireo, nefa nitombo foana ny fahalalan’izy ireo ny Soratra Masina, ary nihanatanjaka ny finoany. (Ohab. 4:18; Mal. 3:1-3; Jaona 15:20) Valio ireto fanontaniana ireto rehefa avy nijery an’ilay video ianao.
1) Inona avy ny fomba fitory nampiasain’ny Mpianatra ny Baiboly? 2) Inona no nitranga tamin’ireo fivoriambe nanan-tantara tamin’ny 1931 sy 1935? 3) Inona no nohazavain’ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra 1939? 4) Lazalazao izay nitranga tao amin’ny Madison Square Garden nandritra ilay lahatenin’ny Rahalahy Rutherford hoe: “Fitondram-panjakana sy Fandriampahalemana.” 5) Nahoana no niavaka ilay lahatenin’ny Rahalahy Knorr hoe: “Haharitra ve Ilay Fiadanana?” 6) Tamin’ny 1942, inona avy ny fandaharana nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanitarana ny asa fitoriana? 7) Lazao ny sasany tamin’ireo ady ara-pitsarana tany Etazonia sy Kanada ary Gresy. 8) Lasa nanao ahoana ny asa fitoriana noho ny Sekolin’i Gileada? 9) Inona no asa lehibe natomboka tamin’ny 1946, ary nahoana? 10) Inona no nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hampifanarahana ny fitondran-tenany tamin’ny fitsipiky ny Baiboly? 11) Inona ny sasany tamin’ny fanitsiana nataon’ny fandaminana, tamin’ny 1970 tany ho any, mba hanarahana kokoa ny voalazan’ny Baiboly? 12) Inona tao amin’ilay video no nanampy anao hahatakatra bebe kokoa fa an’i Jehovah ny fandaminana ary izy no mifehy azy? 13) Nahoana io video io no nahatonga anao ho tapa-kevitra ny hazoto hitory foana na eo aza ny olana? 14) Ahoana no azonao ampiasana an’io video io mba hanampiana ny havanao sy ny olona ampianarinao Baiboly ary ny olon-kafa?
Mbola mitohy foana ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah. Inona no mety hotantaraina any aoriana any momba ny ezaka ataontsika eo amin’ny fanompoana? Enga anie isika hiezaka mafy hatrany ‘hampamirapiratra ny hazavana’, toa an’ireo rahalahintsika taloha!—2 Kor. 4:6.