LESONA 11
Hatsaram-panahy sy Fihetseham-po
TAPANY fototra amin’ny fiainan’olombelona ny fihetseham-po. Rehefa maneho ny fihetseham-pony ny olona iray, dia mampiharihary izay ao am-pony, ny hoe karazan’olona manao ahoana izy, ny hoe inona no tsapany momba ny olona sy ny zava-mitranga. Olona maro no manafina ny fihetseham-pony noho izy ireo niaritra ny mafy teo amin’ny fiainany, ary indraindray koa noho ny kolontsaina nanabeazana azy. Ampirisihin’i Jehovah anefa isika hamboly toetra tsara ao anatintsika, ary haneho izany tsara etỳ ivelany avy eo.—Rom. 12:10; 1 Tes. 2:7, 8.
Rehefa miteny isika, dia mety hampiharihary tsara ny fihetseham-pontsika ireo teny ampiasaintsika. Mety tsy hino ny fahatsoram-pontsika anefa ireo mahare antsika raha tsy mifanaraka ny teny ampiasaintsika sy ny fihetseham-po asehontsika. Etsy an-danin’izany kosa, raha mifanaraka tsara ny tenintsika sy ny fihetseham-pontsika, dia hahafinaritra sady hisy heviny feno, ka mety hanohina ny fon’ireo mihaino antsika, ny fitenintsika.
Fanehoana hatsaram-panahy. Matetika izany no ampifandraisina amin’ny zavatra eritreretina momba ny hafa. Ohatra, rehefa miteny momba ireo toetran’i Jehovah mahate ho tia isika, sy maneho ny fankasitrahantsika noho ny hatsaram-pony, dia tokony haneho hatsaram-panahy ny feontsika. (Isaia 63:7-9) Ary tokony haneho hatsaram-panahy koa ny fomba fitenintsika rehefa miteny amin’ireo mpiara-belona amintsika isika.
Nanatona an’i Jesosy ny boka iray ary nitalaho taminy mba hanasitrana azy. Alao sary an-tsaina ny toetran’ny feon’i Jesosy nilaza hoe: “Mety Aho; madiova hianao.” (Marka 1:40, 41) Eritrereto koa ny amin’ny vehivavy iray nandeha ra efa hatramin’ny 12 taona ary nanatona moramora an’i Jesosy avy tao ivohony, ka nikasika ny sisin-dambany. Rehefa hitan’ilay vehivavy fa tsy afa-niafina intsony izy, dia nangovitra teo anatrehan’i Jesosy izy, ka niantoraka teo an-tongony. Nambarany teo anoloan’ny olona rehetra ny antony nikasihany ny akanjon’i Jesosy sy ny nahasitrana azy. Eritrereto ilay fomba nilazan’i Jesosy izao teny izao taminy: “Anaka, ny finoanao no nahasitrana anao; mandehana soa aman-tsara.” (Lioka 8:42-48) Mbola manohina ny fontsika mandraka ankehitriny ihany ny hatsaram-panahin’i Jesosy tamin’ireo fotoana ireo.
Rehefa miantra olona, sahala amin’i Jesosy, isika, ka tena maniry marina ny hanampy azy ireo, dia hiseho eo amin’ny fomba iresahantsika aminy izany. Atosiky ny fo ny fanehoana hatsaram-panahy toy izany, fa tsy lasa tafahoatra. Miankina be dia be amin’ny fanehoantsika hatsaram-panahy ny fihetsiky ny olona. Azo lazaina tsara amin-katsaram-panahy ny ankamaroan’ny zavatra lazaintsika eny am-pitoriana, indrindra fa rehefa manjohy hevitra isika, mampahery, mampirisika ary mangoraka olona.
Asehoy eo amin’ny endrikao ny hatsaram-panahy raha fihetseham-po tsapanao ao anatinao izany. Rehefa maneho azy io ianao, dia ho voasintona ho aminao ny mpihaino anao, toy ny hoe voasinton’ny afo amin’ny alina mamanala. Mety tsy hino kosa ny mpihaino hoe tena miahy azy amim-pahatsoram-po ianao, raha tsy hita eo amin’ny endrikao ny hatsaram-panahy. Tsy zavatra azo isalorana toy ny saron-tava ny hatsaram-panahy, tsy maintsy avy amin’ny fo izy io.
Tokony hasehon’ny feontsika koa ny hatsaram-panahy. Raha ratsy feo na gara feo isika, dia mety ho sarotra amintsika ny haneho hatsaram-panahy, rehefa miteny. Rehefa mandeha anefa ny fotoana, ka miezaka mafy ianao, dia ho afaka hanao izany. Mety hanampy anao ny fitadidiana fa toa henjana sy masiaka ny fandrenesana ny fitenenana fohy sy mitsatotsatoka. Ataovy somary mitarika ireo feo malefaka kokoa ao anatin’ireo teny. Hanampy anao haneho hatsaram-panahy eo amin’ny fitenenanao izany.
Zava-dehibe kokoa noho izany aza anefa ny hevitra ifantohan’ny sainao. Raha mifantoka amim-pahatsorana amin’ireo iresahanao ianao, ka maniry marina ny hampita hevitra hahasoa azy ireo, dia ho hita taratra eo amin’ny fomba fiteninao izany.
Mandrisika ny mpihaino ny fanaovana anjara na lahateny velombelona. Ilaina koa anefa ny fanehoana fitiavana. Matetika no tsy ampy ny mampiaiky ny sain’ny hafa; tsy maintsy manohina ny fony koa isika.
Fanehoana fihetseham-po hafa. Fihetseham-po asehon’ny olona ory iray ny tebiteby sy ny tahotra ary ny fahakiviana. Fihetseham-po tokony hibahana eo amin’ny fiainantsika ny fifaliana ary miseho ho azy izy io, rehefa miresaka amin’ny hafa isika. Etsy an-danin’izany anefa, dia misy fihetseham-po sasany ilaina hofehezina, satria tsy mety amin’ny toetra kristianina. (Efes. 4:31, 32; Fil. 4:4) Ny karazana fihetseham-po rehetra dia hampitain’ny teny fidintsika, ny feontsika, ny hamafin’ny fitenenantsika, ny endritsika ary ny fihetsitsika.
Miresaka momba ny fihetseham-po rehetra eo amin’ny olombelona ny Baiboly. Tononiny fotsiny izy ireny indraindray. Mitantara fisehoan-javatra na milaza tenin’olona mampiharihary fihetseham-pon’olona izy any amin’ny toerana hafa. Rehefa mamaky zavatra toy izany amin’ny feo avo ianao, ka maneho ireny fihetseham-po ireny ny feonao, dia hisy vokany kokoa eo aminao sy ny mpihaino anao izany. Mila mipetraka eo amin’ny toeran’ilay resahina ao amin’ilay zavatra vakinao ianao, mba hanaovana izany. Tsy fanaovana teatra anefa ny anjara na ny lahateny iray, ka mitandrema sao lasa tafahoatra ny fihetseham-po asehonao. Ataovy mazava tsara ao an-tsain’ny mpihaino ny hevitra vakinao.
Mifanentana amin’izay lazaina. Toy ny amin’ny hafanam-po, dia miankina be dia be amin’izay lazainao ny hatsaram-panahy sy ny fihetseham-po hafa asehonao eo amin’ny fitenenanao.
Sokafy ny Matio 11:28-30, ary mariho izay voalaza ao. Vakio avy eo ilay fanamelohan’i Jesosy ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ao amin’ny Matio toko faha-23. Tsy azontsika heverina hoe feo natoritory sy tsy nisy fahavitrihana no nilazany an’ireo teny fanamelohana mafy ireo.
Karazana fihetseham-po inona no heverinao fa ilaina haseho, rehefa mamaky fitantarana toy ny ao amin’ny Genesisy toko faha-44, momba ny fitalahoan’i Joda ho an’i Benjamina, zandriny lahy? Mariho ilay fihetseham-po voalaza eo amin’ny andininy faha-13, sy ilay fihetseham-po tsapan’i Joda hita eo amin’ny andininy faha-16, momba ny antony nahatonga an’io loza io, ary ny fihetsik’i Josefa, voalaza ao amin’ny Genesisy 45:1.
Araka izany, na mamaky teny isika na miteny, mba hanaovantsika izany tsara, dia tsy ireo teny sy hevitra ihany no tsy maintsy heverintsika, fa ilay fihetseham-po tokony hiaraka amin’izy ireo koa.