Fanasana Manokana
1. Rahoviana isika no hanomboka hizara fanasana?
1 Eritrereto hoe manomana sakafo manokana ho an’ny namanao na ny havanao ianao. Efa nisahirana nikarakara an’ilay izy ianao sady lany vola be. Azo antoka fa hafana fo erỳ ianao hanasa azy ireo. Betsaka koa ny fanomanana atao mba hikarakarana sakafo ara-panahy haroso amin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra sy fivoriambe iraisam-pirenena 2014. Hanana tombontsoa hanasa olona hanatrika azy io isika, mandritra ny telo herinandro alohan’ny fivoriambentsika. Inona no hanampy antsika hafana fo rehefa manao an’izany?
2. Inona no handrisika antsika hazoto hizara fanasana?
2 Hazoto hanao an’ilay ezaka manokana isika raha misaintsaina ny soa raisintsika avy amin’ny sakafo ara-panahy omen’i Jehovah antsika any amin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra. (Isaia 65:13, 14) Tokony hotadidintsika koa fa misy vokany ny ezaka manokana isan-taona ataontsika, satria ho tonga hanatrika ny fivoriambe ny sasany amin’ireo asaintsika. Na firy na firy no hamaly ny antso, dia hanome voninahitra an’i Jehovah ny ezaka mafy hataontsika sady hampiseho hoe Andriamanitra malala-tanana izy.—Sal. 145:3, 7; Apok. 22:17.
3. Ahoana no hizarana an’ilay fanasana?
3 Ny anti-panahy no hijery hoe ahoana no hizarana fanasana betsaka araka izay azo atao. Izy ireo no hanapa-kevitra hoe homena fanasana ve ireo tsy tratra an-trano, na hoe hozaraina mandritra ny fitoriana eny amin’ny toerana be olona ve ilay izy, raha mandray anjara amin’io endri-panompoana io ilay fiangonana. Raha mety, dia atolory miaraka amin’ny gazety ilay fanasana rehefa faran’ny herinandro. Raha misy asabotsy voalohan’ny volana mandritra an’ilay ezaka manokana, dia tsy hifantoka amin’ny fanombohana fampianarana Baiboly isika fa amin’ny fizarana fanasana. Rehefa vita ilay ezaka manokana, dia tena ho faly isika satria nazoto nandray anjara tamin’ilay izy sady nanasa olona betsaka araka izay azo atao mba hanatrika an’ilay fanasambe ataon’i Jehovah ho antsika.