Hizara Fanasana Fahatsiarovana Isika Manomboka Amin’ny 22 Martsa
Hanao ezaka manokana hanasana ny olona hanatrika Fahatsiarovana isika manomboka amin’ny asabotsy 22 Martsa, ary ampirisihina handray anjara feno ny rehetra. Hanolotra gazety miaraka amin’ilay fanasana isika rehefa faran’ny herinandro. Tsy hifantoka amin’ny fanombohana fampianarana Baiboly isika ny asabotsy voalohany amin’ny Aprily fa hizara fanasana. Raha tena liana anefa ilay olona, dia mety ho afaka hanomboka fampianarana Baiboly ihany isika. Ny mpiandraikitra ny fanompoana no hanapa-kevitra raha hozaraina eny an-dalana sy eny amin’ny toerana be fivarotana ilay fanasana. Ataovy lisitra dieny izao ireo olona tianao hasaina, anisan’izany ny havanao, mpiara-miasa na mpiara-mianatra aminao, ary ireo olona tsidihinao. Omeo fanasana izy ireo raha vao manomboka ilay ezaka manokana. Enga anie ka ho maro no hiaraka amintsika hahatsiaro ny porofom-pitiavana lehibe indrindra nasehon’i Jehovah sy Jesosy tamintsika!—Jaona 3:16; 15:13.