FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Anatota”
  • Anatota

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Anatota
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Anatotita
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Famantarana fa Honenana Indray i Israely
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2017
  • Almona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Azmaveta
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Anatota”

ANATOTA

(Anatôta).

1. Benjamita zanakalahin’i Bekera.​—1Ta 7:8.

2. Iray tamin’ireo lohandohany teo amin’ny vahoaka. Nanisy tombo-kase an’ilay fifanekena hanaraka ny fivavahana madio amin’i Jehovah ny taranany, na izy mihitsy, tamin’ny andron’i Nehemia.​—Ne 9:38; 10:1, 19.

3. Tanànan’ny Levita tany amin’ny tanin’i Benjamina. (Js 21:17, 18; 1Ta 6:60) Mbola ahitana an’io anarana io ao amin’ny anaran’ilay tanàna kely hoe ʽAnata, tsy ampy 5 km any avaratra avaratratsinanan’i Jerosalema. Maro anefa no mihevitra fa tao Ras el-Karrobeh, tokotokony ho 800 m any atsimoandrefan’i ʽAnata, no tena nisy an’i Anatota. Tazana eny amin’ireo havoana misy azy io ny Lohasahan’i Jordana sy ny ilany avaratra amin’ny Ranomasin-tsira. Avy any Anatota ny roa tamin’ireo lehilahy maherin’i Davida. (2Sa 23:27; 1Ta 12:3) Tany Anatota i Abiatara no nandeha rehefa noroahin’i Solomona, ka tsy nisy mpisoronabe taranak’i Ely intsony nanomboka hatreo. (1Mp 2:26) Anisan’ireo tanàna nampahorin’ny tafika asyrianina i Anatota.​—Is 10:30.

Avy any Anatota i Jeremia nefa lasa ‘mpaminany tsy nohajain’ny’ olona iray tanàna taminy. Nifofo ny ainy izy ireo satria nitory ny fahamarinana avy tamin’i Jehovah izy. (Je 1:1; 11:21-23; 29:27) Nilaza mialoha ny loza hanjo an’ilay tanàna àry i Jehovah, ka nitranga tokoa izany rehefa nanafika an’ilay tany i Babylona. (Je 11:21-23) Talohan’ny haharava an’i Jerosalema, dia nampiasa ny zony i Jeremia ka novidiny ny tanin’ny zanaky ny rahalahin-drainy tao Anatota, ho famantarana fa mbola honenana indray ilay tany aorian’ny sesitany. (Je 32:7-9) Nisy 128 ny lehilahy avy tao Anatota, izay anisan’ny andiany voalohany nody avy tany an-tsesitany niaraka tamin’i Zerobabela. Iray tamin’ireo tanàna nonenana indray àry i Anatota, ka tanteraka ny faminanian’i Jeremia.​—Ezr 2:23; Ne 7:27; 11:32.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara