Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana
1-7 OKTOBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | JAONA 9-10
“Mikarakara ny Ondriny i Jesosy”
nwtsty: Sary
Valan’ondry
Toerana voafefy ny valan’ondry. Natao tao ny ondry nandritra ny alina, mba hiarovana azy amin’ny mpangalatra sy ny bibidia. Tsy nisy tafo izy ireny, fahiny, ary tsy nitovy ny habeny sy ny paoziny. Vato matetika no nanaovana ny tamboho tamin’ilay izy ary iray ihany ny vavahady nankao. (No 32:16; 1Sa 24:3; Ze 2:6) Miresaka momba ny “vavahadin’ny valan’ondry” sy ny “mpiandry vavahady” ny Jaona 10:1, 3. Andian’ondry maromaro no niaraka tao amin’ny vala sasany, ary efa misy mpiambina ilay izy. Sokafany ny vavahady amin’ny maraina, mba hahafahan’ireo mpiandry ondry hiantso ny ondriny. Mahafantatra ny feon’ny mpiandry azy ny ondry, ka tonga dia manaraka azy rehefa maheno an’izany. (Jn 10:3-5) Nampitaha ny tenany tamin’ny mpiandry ondry sy vavahady i Jesosy, mba hampisehoana fa tena mikarakara ny mpianany izy.—Jn 10:7-14.
Ry Fianakaviana, Aoka Ianareo “Hifoha Hatrany”
Mifandray tsara ny mpiandry ondry sy ny ondriny, noho izy ireo mifankahalala sy mifampatoky. Fantatry ny mpiandry ondry izay rehetra momba ny ondriny. Mahafantatra azy koa anefa ny ondriny sady matoky azy. Fantatr’izy ireo ny feony, ary mankatò azy izy ireo. Hoy i Jesosy: “Fantatro ny ondriko, ary ny ondriko koa mahalala ahy.” Tsy hoe mahafantapantatra ny fiangonana fotsiny ilay Mpiandry Tena Tsara, fa mahafantatra ny ondriny tsirairay mihitsy. Ilay teny grika nadika hoe ‘mahafantatra’ eo, dia midika hoe “mahafantatra ny tsirairay amin’ny an-tsipiriany.” Fantany izay ilain’ny tsirairay amin’izy ireo, sy ny fahalemeny, ary ny toetra tsarany. Tsy misy na inona na inona tsy voamariny momba ny ondriny. Mahalala tsara ny mpiandry azy koa ireo ondry, sady matoky ny tari-dalany.
“Tsy Niteny Taminy ... Izy Raha Tsy Tamin’ny Fanoharana”
Nitantara ny zavatra hitany i George Smith, tao amin’ilay bokiny hoe Ny Jeografian’ilay Tany Masina (anglisy): “Niala sasatra kely teo akaikin’ny fantsakana jodianina izahay indraindray, rehefa antoandro. Nisy mpiandry ondry telo na efatra tonga avy any, niaraka tamin’ny andian’ondriny. Nifangaro teo ireo andian’ondry, ka nanontany tena izahay hoe ahoana no ahafantaran’ny mpiandry ondry tsirairay ny bibiny. Rehefa avy nisotro rano sy nilalao anefa ireo ondry, dia naka toerana samy hafa teo amin’ilay lohasaha ireo mpiandry ondry ary samy niantso ny ondriny araka ny fanaony avy. Nisaraka tamin’ireo andiany nifangaro àry ny ondrin’ny mpiandry tsirairay, ka nanatona ny mpiandry azy avy. Nandeha nilamina sahala amin’ny nahatongavany teo ihany ireo andian’ondry avy eo.” Tsy ho nahita fanoharana tsara noho io i Jesosy mba hanasongadinana ny hevitra tiany hampitaina: Hokarakarain’ilay “mpiandry tena tsara” isika, raha mahafantatra sy mankatò ny fampianarany ary manaiky ny fitarihany.
nwtsty: Fanazavana Jn 10:16
hoentiko: Na “hotarihiko.” Avy amin’ny matoanteny grika hoe agô. Mety hidika hoe “mampiditra” na “mitarika” izy io. Mampiasa an’ilay hoe synagô, izay mitovitovy amin’izy io, koa ny sora-tanana grika iray tamin’ny taona 200 tany ho any. Matetika izy io no nadika hoe “manangona.” Mpiandry Tena Tsara i Jesosy ka manangona, mitarika, miaro, ary manome sakafo ny ondry ao amin’ity vala ity (antsoina koa hoe “ondry vitsy” ao amin’ny Lk 12:32) sy ny ondry hafa. Lasa andiany iray ireo ondry ireo ary iray ihany ny mpiandry azy. Hita avy amin’izany fa tena hiray saina ny mpanara-dia an’i Jesosy.
Andao Hikaroka Harena Miafina
nwtsty: Fanazavana Jn 9:38
niankohoka teo anatrehany: Na “niondrika teo anatrehany; nanome voninahitra.” “Mivavaka” no dikan’ilay matoanteny grika hoe prôskyneô, rehefa mifandray amin’ny hoe manompo sampy na manome voninahitra andriamanitra iray. (Mt 4:10; Lk 4:8) Tsy nivavaka tamin’i Jesosy anefa ilay jamba nampahiratiny. Niankohoka teo anatrehany kosa izy, satria niaiky hoe solontenan’Andriamanitra i Jesosy. Tsy nihevitra an’i Jesosy ho Andriamanitra izy. Niaiky kosa izy hoe i Jesosy ilay “Zanak’olona” voalazan’ny faminaniana, izany hoe ilay Mesia voatendrin’Andriamanitra. (Jn 9:35) Nitovy tamin’izay nataon’ny olona fahiny ihany no nataony. Nisy, ohatra, niankohoka teo anatrehan’ny mpaminany, mpanjaka, na olona hafa solontenan’Andriamanitra. (1Sa 25:23, 24; 2Sa 14:4-7; 1Mp 1:16; 2Mp 4:36, 37) Imbetsaka no nisy olona niankohoka teo anatrehan’i Jesosy, satria niaiky izy ireo hoe nankasitrahan’Andriamanitra i Jesosy.
nwtsty: Fanazavana Jn 10:22
ny Fetin’ny Fitokanana: Avy amin’ny teny hebreo hoe Hanoukka (hanokkah), izay midika hoe “fitokanana.” Naharitra valo andro io fety io, ary nanomboka tamin’ny 25 Kisleo na tamin’ny faramparan’ny Desambra (jereo sgd Fiz. 19). Nankalazaina tamin’izy io ny nitokanana ny tempolin’i Jerosalema tamin’ny 165 T.K. Tena nankahala an’i Jehovah i Antiokosa Faha-4, mpanjaka syrianina, ka nandoto an’ilay tempoly tao Jerosalema. Nanorenany alitara, ohatra, teo ambonin’ilay alitara lehibe fanolorana fanatitra dorana isan’andro. Nanao sorona kisoa teo amin’izy io izy, tamin’ny 25 Kisleo 168 T.K., ary nafafiny eran’ilay tempoly ny ron’ilay hena. Nodorany koa ny vavahadin’ny tempoly, noravany ny efitra ho an’ny mpisorona, ary nentiny ilay alitara volamena sy ny latabatry ny mofo aseho ary ny fitoeran-jiro volamena. Notokanany ho an’i Zeosy (andriamanitra nifehy ny Tendrombohitra Olympe) ilay tempoly avy eo. Azon’i Jodasy Makabeo ilay tanàna sy ny tempoly, roa taona tatỳ aoriana. Nodiovina ilay tempoly ka notokanana indray tamin’ny 25 Kisleo 165 T.K., izany hoe telo taona katroka taorian’ny nanaovan’i Antiokosa sorona ho an’i Zeosy teo ambonin’ilay alitara. Afaka nanolotra fanatitra dorana isan’andro ho an’i Jehovah indray àry ny olona. Tsy resahin’ny Soratra Masina hoe i Jehovah no nahatonga an’i Jodasy Makabeo handresy sy hanadio ny tempoly. Efa nampiasa olona tsy Israelita anefa i Jehovah talohan’io mba hanatanterahana ny fikasany. Anisan’izany i Kyrosy, mpanjakan’i Persa. (Is 45:1) Afaka nampiasa Israelita koa àry izy mba hanatanterahana ny fikasany. Tokony hisy tempoly azo nampiasaina mantsy tao Jerosalema, mba ho tanteraka ny faminaniana momba ny Mesia, sy ny fanompoany, ary ilay sorona hataony. Tokony hanolotra sorona foana koa ny Levita mandra-pahatongan’ny Mesia. Rehefa hanome ny ainy mantsy ny Mesia vao tsy hilaina intsony izany. (Da 9:27; Jn 2:17; He 9:11-14) Tsy nandidy ny mpianany hankalaza ny Fetin’ny Fitokanana i Jesosy. (Kl 2:16, 17) Tsy resahin’ny Soratra Masina koa anefa hoe nanameloka an’izay nankalaza an’io fety io i Jesosy sy ny mpianany.
Famakiana Baiboly
8-14 OKTOBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | JAONA 11-12
“Miezaha Hangoraka Hoatran’i Jesosy”
nwtsty: Fanazavana Jn 11:24, 25
Fantatro fa hitsangana izy: Nieritreritra i Marta hoe fitsanganan’ny maty amin’ny andro farany no tian’i Jesosy holazaina. Nahagaga fa tena nino an’io fampianarana io izy. Ireo mpitondra fivavahana antsoina hoe Sadoseo mantsy tsy nino hoe mbola hatsangana ny maty, na dia miresaka an’izany aza ny Soratra Masina. (Da 12:13; Mr 12:18) Ny Fariseo indray nino hoe manana fanahy tsy mety maty ny olona. Fantatr’i Marta kosa fa nampianatra momba ny fitsanganana amin’ny maty i Jesosy. Efa nisy olona natsangany tamin’ny maty koa, na dia tsy maty ela be hoatran’i Lazarosy aza izy ireo.
Izaho no fananganana ny maty sy fiainana: Namoy ny ainy i Jesosy ary avy eo natsangana tamin’ny maty. Afaka manantena koa àry isika hoe mbola hatsangana ny maty. Nomen’i Jehovah fahefana hanangana ny maty sy hanome fiainana mandrakizay i Jesosy, rehefa avy natsangana tamin’ny maty. Antsoina hoe “ilay velona” i Jesosy ao amin’ny Ap 1:18, ary voalaza ao fa manana “ny lakilen’ny fahafatesana sy ny Fasana” izy. Amin’ny alalan’i Jesosy ihany àry no hahafahana hahazo fiainana mandrakizay. Mampanantena izy fa hanangana an’ireo any am-pasana, ka hanome azy ireo fiainana. Hisy amin’ireo hatsangana hiara-manjaka aminy any an-danitra, ary hisy kosa ho vahoakany eto an-tany.—Jn 5:28, 29; 2Pe 3:13.
nwtsty: Fanazavana Jn 11:33-35
nigogogogo nitomany: Izany matetika no hevitr’ilay matoanteny grika adika hoe “mitomany.” Io matoanteny io koa no ampiasaina ao amin’ny Lk 19:41, rehefa nilaza mialoha ny handravana an’i Jerosalema i Jesosy.
Nalahelo mafy ... sady ory dia ory: Hita avy amin’ireo teny grika roa ampiasaina eo fa tena nalahelo be i Jesosy tamin’io fotoana io. Milaza fihetseham-po lalina, ohatra, ilay teny grika hoe embrimaômai. Nadika hoe “nalahelo mafy” izy eto. Ilay teny grika hoe tarassô kosa no nadika hoe “ory dia ory.” Milaza ny manam-pahaizana iray fa midika hoe “mihetsi-po be” izy io eo amin’io andininy io. Io matoanteny io koa no ampiasaina ao amin’ny Jn 13:21, mba hilazana ny fihetseham-pon’i Jesosy rehefa niteny izy hoe hamadika azy ny mpianany iray.—Jereo fanazavana nirotsaka ny ranomasony etsy ambany.
tao am-pony tao: A.b.t.: “ny fanahiny.” Toe-tsaina na fihetseham-po mandrisika ny olona hilaza na hanao zavatra no dikan’ilay teny grika hoe pneoma eto.—Jereo rs 159.
nirotsaka ny ranomasony: Avy amin’ny teny grika nadika hoe “ranomaso” ilay matoanteny hoe dakryô ampiasaina eto. Ilay teny grika nadika hoe “ranomaso” no ampiasaina ao amin’ny Lk 7:38; As 20:19, 31; Ap 7:17; 21:4. Tsy ilay hoe migogogogo mitomany no asongadin’ny hoe dakryô eto fa ilay hoe mirotsa-dranomaso. Ao amin’ny Jn 11:35 ihany no ahitana azy io, ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Tsy mitovy amin’izy io ilay matoanteny ao amin’ny Jn 11:33 (jereo fanazavana nigogogogo nitomany etsy aloha). Voalaza ao fa nigogogogo nitomany i Maria sy ireo Jiosy niaraka taminy. Efa hanangana an’i Lazarosy i Jesosy tamin’io fotoana io. Mbola nalahelo be ihany anefa izy rehefa nahita hoe ory dia ory ireo namany. Tena tia sy nangoraka ny namany i Jesosy, ka izay no nahatonga azy hirotsa-dranomaso. Hita avy amin’izany fa tena tsapan’i Jesosy ny fihetseham-pon’ireo nidonam-pahoriana.
Andao Hikaroka Harena Miafina
nwtsty: Fanazavana Jn 11:49
mpisoronabe: Nanao ny asany mandra-pahafatiny ny mpisoronabe, tamin’ny Israelita mbola nahaleo tena. (No 35:25) Niova anefa izany rehefa lasa nofehezin’ny Romanina ny Jiosy. Afaka nanendry na nanongana ny mpisoronabe mantsy izay mpitondra notendren’i Roma. Notendren’ny Romanina ho mpisoronabe, ohatra, i Kaiafa, ary nahay nifampiraharaha tamin’ny olona izy. Elaela kokoa izy no teo amin’io toerana io raha oharina tamin’ireo mpisoronabe teo alohany. Tamin’ny taona 18 ka hatramin’ny taona 36 tany ho any izy no nanao ny asan’ny mpisoronabe. I Kaiafa àry no mpisoronabe tamin’ilay taona nahafatesan’i Jesosy. Izany no tian’i Jaona holazaina tamin’ilay hoe ‘i Kaiafa no mpisoronabe tamin’izany taona izany’ (taona 33).—Jereo sgd Fiz. 16.
nwtsty: Fanazavana Jn 12:42
ireo lohandohany teo amin’ny Jiosy: Manondro an’ireo anisan’ny Fitsarana Avo Jiosy ilay teny grika ampiasaina eo. Io teny grika io, ohatra, no ampiasaina ao amin’ny Jn 3:1, mba hiantsoana an’i Nikodemosy. Anisan’ny Fitsarana Avo Jiosy mantsy izy.
voaroaka hiala amin’ny synagoga: Avy amin’ilay mpamari-toetra grika hoe apôsynagôgôs. Eto sy ao amin’ny Jn 9:22 ary ny Jn 16:2 ihany no ahitana azy io. Nailikiliky ny fiaraha-monina sy nambanina ireo olona voaroaka hiala amin’ny synagoga. Tsy ho afaka hifandray amin’ny Jiosy hafa izy ireo, ka lasa sahirana ara-pivelomana ny fianakaviany. Toerana fampianarana ny synagoga. Tany koa anefa no nanaovana ny fitsarana tao an-tanàna. Nanana fahefana hikapoka sy handroaka olona ny mpitsara tao.
Famakiana Baiboly
15-21 OKTOBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | JAONA 13-14
“Modely no Nomeko Anareo”
nwtsty: Fanazavana Jn 13:5
nanasa ny tongotry ny mpianatra: Kapa no tena fanaovan’ny olona, tany Israely fahiny. Tady kely fotsiny no nihazona azy io teo amin’ny tongotra. Mora naloto àry ny tongotry ny olona, satria tratran’ny vovoka na fotaka rehefa teny an-dalana na teny an-tanimboly. Nanala kapa ny olona rehefa hiditra tao amin’ny trano iray. Raha nahay nandray vahiny ny tompon-trano, dia nomeny rano ilay olona mba hanasany ny tongony. Betsaka ny andinin-teny miresaka an’io fanao io. (Ge 18:4, 5; 24:32; 1Sa 25:41; Lk 7:37, 38, 44) Nanasa ny tongotry ny mpianany i Jesosy, mba hampianarana azy ireo hanetry tena sy ho tia manompo ny hafa.
nwtsty: Fanazavana Jn 13:12-14
tokony: Na “tsy maintsy.” Amin’ny resaka vola matetika no ampiasana an’ilay matoanteny grika eo amin’io andininy io, ary midika hoe “ananan’olona trosa” izy io. (Mt 18:28, 30, 34; Lk 16:5, 7) Tsy misy ifandraisany amin’ny vola kosa izy io eto sy any amin’ny andininy hafa, fa midika fotsiny hoe tsy maintsy manao zavatra anankiray.—1Jn 3:16; 4:11; 3Jn 8.
Nanao Asa Ambany Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra
Nanome fianarana mafonja momba ny fanetren-tena i Jesosy, tamin’ny nanasany ny tongotry ny mpianany. Rehefa dinihina tokoa, dia tsy tokony hihevi-tena ho ambony ny Kristianina ka hoe ny hafa foana no tokony hanompo azy, no sady tsy tokony hitady toerana ahazoam-boninahitra sy laza koa izy. Tokony harahiny kosa ny modely navelan’i Jesosy izay “tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.” (Matio 20:28). Eny, samy tokony ho vonona hanao ireo asa ambany indrindra ho an’ny andaniny avy ireo mpanara-dia an’i Jesosy.
Andao Hikaroka Harena Miafina
nwtsty: Fanazavana Jn 14:6
Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana: I Jesosy no lalana satria amin’ny alalany ihany no ahafahana manatona an’Andriamanitra rehefa mivavaka. Izy koa no manampy antsika hihavana amin’Andriamanitra. (Jn 16:23; Ro 5:8) I Jesosy no fahamarinana, satria nifanaraka tamin’ny fahamarinana ny fiainany sy ny zavatra nolazainy. Be dia be koa ny faminaniana tanteraka taminy, ka ‘tonga Eny ireny tamin’ny alalany.’ (2Ko 1:20) Hita avy amin’izany fa manana anjara lehibe amin’ny fanatanterahana ny fikasan’Andriamanitra izy. (Jn 1:14; Ap 19:10) I Jesosy no fiainana. Nanome ny vidim-panavotana izy, ka afaka mahazo ny “tena fiainana” na “fiainana mandrakizay” isika. (1Ti 6:12, 19; Ef 1:7; 1Jn 1:7) “Fiainana” ho an’ny olona an-tapitrisany efa maty koa izy, satria hatsangany amin’ny maty izy ireny ka ho afaka hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa.—Jn 5:28, 29.
nwtsty: Fanazavana Jn 14:12
asa lehibe noho izany: Tsy ny fahagagana nataony akory no tiany holazaina eo. Niaiky kosa izy hoe ho afaka hitory amin’ny olona maro kokoa sy any amin’ny toerana maro kokoa izy ireo. Tsy vetivety hoatran’ny azy koa ny fotoana hitorian’izy ireo fa haharitra ela kokoa. Hita avy amin’izany fa tian’i Jesosy hanohy an’ilay asa ny mpanara-dia azy.
Famakiana Baiboly
22-28 OKTOBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | JAONA 15-17
“Tsy Anisan’izao Tontolo Izao Ianareo”
nwtsty: Fanazavana Jn 15:19
izao tontolo izao: Avy amin’ny teny grika hoe kôsmôs. Ny olona rehetra tsy manompo an’Andriamanitra no dikan’izy io eto. I Jaona ihany, amin’ireo mpanoratra Filazantsara, no namerina an’ilay tenin’i Jesosy hoe tsy anisan’izao tontolo izao ny mpanara-dia azy. Mbola miverina ao amin’ny Jn 17:14 sy ny Jn 17:16 koa ireo tenin’i Jesosy ireo, tamin’izy nivavaka farany niaraka tamin’ny mpianany.
nwtsty: Fanazavana Jn 15:21
Noho ny anarako: Ny toerana tanan’ny olona iray, ny lazany, na ilay olona mihitsy indraindray no tian’ny Baiboly holazaina amin’ny hoe “anarana.” Tsy izay ihany anefa no tian’ny Baiboly holazaina, rehefa miresaka momba ny anaran’i Jesosy izy io. Tafiditra amin’izany koa ny fahefana nomen’ny Rainy azy. (Mt 28:18; Fi 2:9, 10; He 1:3, 4) Resahin’i Jesosy eto fa hanenjika ny mpanara-dia azy ny olona. Nahoana? Satria tsy fantany ilay naniraka an’i Jesosy. Raha mahafantatra an’Andriamanitra mantsy izy ireo, dia ho fantany sady hekeny ny toerana tanan’i Jesosy sy ny fahefany. (As 4:12) Anisan’ny toerana tanan’i Jesosy, ohatra, ilay izy Mpitondra voatendrin’Andriamanitra, Mpanjakan’ny mpanjaka, izay tokony heken’ny olona rehetra raha tsy te ho ringana izy ireo.—Jn 17:3; Ap 19:11-16; ampit. Sl 2:7-12.
it “Herim-po” § 7
Herim-po
Mila herim-po ny Kristianina mba tsy hanahafana ny toe-tsaina sy ny fanaon’izao tontolo izao, sy mba tsy hivadihana mihitsy na dia mankahala azy aza io tontolo fahavalon’i Jehovah Andriamanitra io. Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Eo amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana, nefa mahereza! Izaho efa naharesy an’izao tontolo izao.” (Jn 16:33) Tsy nanaiky ho voataonan’ity tontolo ity mihitsy ilay Zanak’Andriamanitra. Nandresy an’izao tontolo izao kosa izy satria tsy nanahaka azy io mihitsy na tamin’inona na tamin’inona. I Jesosy Kristy àry no mpandresy azo tahafina. Novalian-tsoa izy satria tsy nivadika mihitsy. Ny fahalalana an’izany rehetra izany no manome ny herim-po ilaina mba hanahafana azy, ka hiezahana tsy ho anisan’ity tontolo ity mihitsy sady tsy ho voalotony.—Jn 17:16.
Andao Hikaroka Harena Miafina
nwtsty: Fanazavana Jn 17:21-23
iray: Na “tafaray.” Nivavaka i Jesosy mba ho “iray” hoatr’azy sy ny Rainy ny mpanara-dia azy. Miara-miasa sy miray saina mantsy izy mianaka, ka tian’i Jesosy raha manao toy izany koa ny mpianany. (Jn 17:22) Niresaka momba an’io hevitra io i Paoly ao amin’ny 1Ko 3:6-9. Voalaza ao fa miara-miasa ny Kristianina sady miara-miasa amin’Andriamanitra.
iray tanteraka: Na “tafaray tanteraka.” Nilaza i Jesosy eo amin’io andininy io fa mifandray ny hoe iray tanteraka sy ny hoe tian’ny Ray. Mifanaraka amin’ny Kl 3:14 izany. Voalaza ao mantsy fa “fatorana mampiray tonga lafatra” ny fitiavana. Ny hoe tafaray tanteraka akory tsy midika hoe tsy maintsy mitovy daholo ny mombamomba ny mpanara-dia an’i Jesosy, ohatra hoe ny toetrany, ny fahaizany, ny fahazarany, ary ny fiasan’ny feon’ny fieritreretany. Midika kosa izy io hoe mitovy ny zavatra inoan’izy ireo, sy ny asa ataony, ary ny zavatra ampianariny.—Ro 15:5, 6; 1Ko 1:10; Ef 4:3; Fi 1:27.
nwtsty: Fanazavana Jn 17:24
ny nanorenana an’izao tontolo izao: Ilay teny grika ampiasaina eto dia nadika hoe ‘manana anaka’ ao amin’ny He 11:11. Tamin’i Adama sy Eva nanomboka niteraka no tiana holazaina amin’io teny grika io eto. Nampifandraisin’i Jesosy tamin’i Abela ilay hoe “ny nanorenana an’izao tontolo izao.” Izy mantsy no olombelona voalohany azo vonjena. Ny anarany koa no voalohany ‘voasoratra ao amin’ny horonam-bokin’ny fiainana.’ (Lk 11:50, 51; Ap 17:8) Hita avy amin’io vavaka nataon’i Jesosy io koa fa efa ela Andriamanitra no tia an’ilay Zanany lahitokana. Mbola tsy niteraka akory i Adama sy Eva, dia efa tia an’i Jesosy ny Rainy.
Famakiana Baiboly
29 OKTOBRA–4 NOVAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | JAONA 18-19
“Nanambara ny Marina i Jesosy”
nwtsty: Fanazavana Jn 18:37
hanambara ny: Manana heviny maromaro ilay teny grika nadika hoe ‘manambara ny’ (martyreô) sy ilay nadika hoe “vavolombelona” (martyria; martys), ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Ampiasaina, ohatra, izy ireo mba hilazana olona mampiasa ny zavatra fantany mba hanaporofoana fa marina ny zavatra iray. Azo adika koa anefa ireo teny grika ireo hoe “milaza, manamafy, milaza zavatra tsara momba ny.” Nanambara ny fahamarinana i Jesosy, ary tena resy lahatra hoe marina ny zavatra nampianariny. Ny fiainany mihitsy koa anefa no nanaporofo fa tena marina ny faminaniana sy ny fampanantenan’ny Rainy. (2Ko 1:20) Efa voalaza mialoha tamin’ny an-tsipiriany ny fikasan’Andriamanitra momba ilay Fanjakana sy ilay Mesia Mpanjaka. Tanteraka tamin’i Jesosy daholo ny faminaniana momba ny Mesia, nandritra ny fiainany teto an-tany. Taminy koa no tanteraka ny zavatra voaresaka ao amin’ny fifaneken’ny Lalàna, izay resahina hoe aloky ny zavatra ho avy. (Kl 2:16, 17; He 10:1) ‘Nanambara ny marina’ àry i Jesosy, na tamin’ny teny na tamin’ny atao.
ny marina: Tsy ny fahamarinana tamin’ny ankapobeny no tian’i Jesosy holazaina, fa ny fahamarinana momba ny fikasan’Andriamanitra. Anisan’ny fikasan’Andriamanitra lehibe indrindra ny hoe ho lasa Mpisoronabe sy ho Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesosy, na ilay “zanak’i Davida.” (Mt 1:1) Nanazava i Jesosy fa ny hanambara ny marina momba an’io Fanjakana io no anisan’ny antony nahatongavany teto an-tany. Izany no nataony rehefa nitory izy. Niresaka momba an’io Fanjakana io koa ny anjely, tamin’ny fotoana nahaterahan’i Jesosy tao Betlehema any Jodia, sy talohan’izay.—Lk 1:32, 33; 2:10-14.
nwtsty: Fanazavana Jn 18:38a
Inona ny marina?: Toa ny fahamarinana amin’ny ankapobeny no tian’i Pilato horesahina, fa tsy ilay “marina” nolazain’i Jesosy. (Jn 18:37) Azo antoka hoe ho namaly an’i Pilato i Jesosy raha tena te hahafantatra ny marina izy. Te haneso fotsiny anefa izy rehefa nametraka an’io fanontaniana io. Tsy nino mantsy izy hoe nisy izany fahamarinana izany. Tsy niandry an’i Jesosy hamaly akory aza izy, fa lasa nankeny amin’ireo Jiosy.
Andao Hikaroka Harena Miafina
Nahariharin’i Jesosy ny Fahamarinan’Andriamanitra
Hoy i Jesosy tamin’izy hiala aina ka nanaintaina mafy teo amin’ny hazo fijaliana: “Vita!” (Jaona 19:30) Nampian’Andriamanitra izy ka nahavita zavatra lehibe tokoa, nandritra ny telo taona sy tapany taorian’ny batisany. Nisy horohoron-tany mahery rehefa maty izy, ka hoy ilay miaramila romanina nasaina namono azy: “Zanak’Andriamanitra tokoa io.” (Matio 27:54) Nety ho hitan’io miaramila io ny nanesoana an’i Jesosy noho izy nilaza fa Zanak’Andriamanitra. Tsy nivadika mihitsy i Jesosy, na inona na inona niaretany, ka voaporofo hoe mpandainga mahatsiravina i Satana. Hoy tokoa i Satana momba an’ireo rehetra manohana ny zon’Andriamanitra hitondra: “Izay rehetra ananan’ny olona dia homeny hiarovana ny ainy.” (Joba 2:4) Tsy nivadika i Jesosy ka nasehony fa afaka ny tsy nivadika i Adama sy Eva tamin’ilay fitsapana kely lavitra nihatra taminy. Ambonin’izany rehetra izany, dia nampiharihary sy nanohana ny zon’i Jehovah hitondra i Jesosy nandritra ny fiainany sy tamin’ny fahafatesany. (Vakio ny Ohabolana 27:11.) Mbola nisy vokany hafa koa ny fahafatesan’i Jesosy.
nwtsty: Fanazavana Jn 19:31
Sabata lehibe io: Sabata foana ny 15 Nisana, izany hoe ilay andro nanarakaraka ny Paska, na andro inona na andro inona. (Le 23:5-7) Sabata “lehibe” izy io, rehefa mitontona amin’ilay Sabata mahazatra (andro fahafito amin’ny herinandro jiosy, izay manomboka ny zoma amin’ny filentehan’ny masoandro ka hatramin’ny filentehan’ny masoandro ny asabotsy). Sabata lehibe hoatran’io ilay andro taorian’ny nahafatesan’i Jesosy. Andro zoma mantsy izy no maty. Tamin’ny taona 33 ihany no nitontona tamin’ny andro zoma ny 14 Nisana, teo anelanelan’ny taona 31 ka hatramin’ny taona 33. Izany no manaporofo fa tamin’ny 14 Nisana taona 33 i Jesosy no maty.
Famakiana Baiboly