FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb19 Aogositra p. 5
  • ‘Mazotoa Amin’ny Asa Tsara’, ry Tanora

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • ‘Mazotoa Amin’ny Asa Tsara’, ry Tanora
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2019
  • Mitovitovy Aminy
  • Aoka isika hanohana ireo mpitory maharitra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
  • Ireo Fitahiana Entin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Midera An’i Jehovah Ianao Raha Manao Mpisava Lalana
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2020
  • Fanitsiana eo Amin’ny Ora Takina Amin’ny Mpisava Lalana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1999
Hijery Hafa
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2019
mwb19 Aogositra p. 5

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

‘Mazotoa Amin’ny Asa Tsara’, ry Tanora

Nanoratra taratasy ho an’i Titosy ny apostoly Paoly. Nolazainy ao amin’ny toko faha-2 fa tokony “ho modely amin’ny asa tsara” ny tanora, anisan’izany i Titosy. (Tit 2:6, 7) Noresahiny ao amin’io toko io koa hoe diovina ny vahoakan’i Jehovah mba ‘hazoto amin’ny asa tsara.’ (Tit 2:14) Anisan’ny asa tsara ny hoe mitory sy mampianatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Raha tanora àry ianao, afaka mampiasa ny herinao ve ianao mba hanaovana mpisava lalana mpanampy na maharitra?—Oh 20:29.

Mila mandamina an’izay zavatra hataonao ianao, raha te ho mpisava lalana. (Lk 14:28-30) Diniho, ohatra, hoe inona no asa fivelomana hataonao, ary ahoana no hanatratraranao ny ora takina? Mivavaha amin’i Jehovah mba hanampy anao. (Sl 37:5) Resaho amin’ny ray aman-dreninao na amin’ny mpisava lalana za-draharaha ny zavatra tianao hatao. Miezaha hanatratra ny tanjonao avy eo. Matokia fa hitahy ny ezaka mafy ataonao i Jehovah!

JEREO ILAY VIDEO HOE TANORA MANOME VONINAHITRA AN’I JEHOVAH, ARY VALIO IRETO:

  • Inona no olana natrehin’ny tanora sasany, ary inona no nataon’izy ireo mba hahafahana manao mpisava lalana?

  • Inona no azon’ny ray aman-dreny atao mba hanampiana ny zanany ho lasa mpisava lalana?

  • Nahoana no tena ilaina ny manana fandaharam-potoana hanaovana fanompoana?

  • Inona no azon’ireo anisan’ny fiangonana atao mba hampaherezana sy hanampiana ny mpisava lalana?

  • Inona no fitahiana azon’ireo manao mpisava lalana?

Anabavy iray sy ny dadany miresaka momba ny asan’ny mpisava lalana; rahalahy tanora iray mpisava lalana manoratra ny fandaharam-potoanany; anabavy tanora mpisava lalana manompo miaraka amin’ny anabavy iray; anabavy tanora mpisava lalana mampianatra Baiboly

Inona no azoko atao mba ho lasa mpisava lalana aho?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara