Rehefa Misy Maty
“Toy ny nilatsaham-baratra aho sady kivy rehefa nandre hoe maty i Dada. Mahatsiaro ho meloka aho satria tsy mba teo anilany akory tamin’izy niala aina. Tsy misy zavatra mafy kokoa noho ny hoe mamoy olona akaiky. Malahelo be an’i Dada aho!”—Sara.
HAFAHAFA amin’ny ankamaroan’ny olona ny miresaka momba ny fahafatesana, na inona na inona kolontsainy na fivavahany. Manana sarin-teny hanalefahana ny fomba ilazana ny fahafatesana ny fiteny sasany. Aleon’ny Malagasy, ohatra, miteny hoe “nodimandry” na “nandao antsika” ilay olona, toy izay hiteny hoe “maty” izy.
Tsy mampihena ny alahelon’ireo namoy havana anefa na dia ny teny malefaka indrindra aza. Malahelo loatra ny olona sasany ka tsy ekeny mihitsy hoe tena maty ilay havany.
Mety ho sarotra aminao koa ny hanaiky hoe tena maty ny havanao. Hilaza mihitsy aza angamba ianao hoe tsy maninona ianao, nefa fantatrao hoe tsy izany no izy. Mazava ho azy fa tsy mitovy ny fomba isehoan’ny alahelon’ny olona.a Tsy hoe manafina ny alahelonao àry ianao raha tsy hita etỳ ivelany izany. Misy kosa ny olana rehefa mieritreritra ianao hoe tsy maintsy mampiseho ny alahelonao, angamba eo imason’ny havana malahelo.
“Tsy mba nanam-potoana hanehoana ny alaheloko aho”
Maty ny renin’i Nathaniel, tamin’i Nathaniel 24 taona. Hoy izy: “Tsy hitako izay atao, tamin’ny voalohany. Nieritreritra aho hoe tokony hampahery an’i Dada sy ireo naman’i Neny nalahelo. Tsy mba nanam-potoana hanehoana ny alaheloko aho.”
Mbola sarotra tamin’i Nathaniel foana ny niaiky hoe maty ny reniny, herintaona mahery tatỳ aoriana. Hoy izy: “Mbola miantso ahy i Dada indraindray satria malahelo, ary misy mahatsara an’izany. Mila miresaka an’ilay izy i Dada, ary faly aho manampy azy. Hoatran’ny tsy hitako anefa izay mba hiresahana, rehefa mila fanampiana aho.”
Mety hisy hieritreritra koa hoe tsy maintsy afenina ny fihetseham-po. Anisan’izany ireo mpitsabo efa zatra mahita olona maty. Diniho, ohatra, i Heloisa, izay efa dokotera nandritra ny 20 taona mahery. Niray hina be ny olona tao amin’ny tanàna niasany, ary nifandray am-po tamin’ireo olona notsaboiny izy. Hoy izy: “Hitako ny nahafatesan’ny ankamaroan’izy ireo, ary namako akaiky ny sasany taminy.”
Fantatr’i Heloisa fa ara-dalàna ny mitomany mba hanamaivanana ny alahelo. Sarotra taminy anefa izany. Hoy izy: “Nieritreritra foana aho hoe tokony hampahery ny hafa ka tsy tokony hampiseho ny alaheloko. Nino aho hoe izany no nantenain’ny olona fa hataoko.”
“Toy ny hoe foana ny trano rehefa tsy teo intsony i Neny”
Anisan’ny olana lehibe indrindra ho an’ireo mamoy havana angamba ny hoe manirery. Matin’ny kansera, ohatra, ny renin’i Ashley, tamin’i Ashley 19 taona. Hoy izy: “Kivy be sy nanirery aho. I Neny no namako akaiky indrindra. Niara-nanao zavatra foana izahay.”
Sarotra tamin’i Ashley ny nino hoe tsy tao an-trano ny reniny isaky ny nody izy. Hoy izy: “Toy ny hoe foana ny trano rehefa tsy teo intsony i Neny. Matetika aho no nitomany tao an’efitro sady nijery ny sariny ary nieritreritra an’ireo fotoana niarahanay.”
Matokia fa tsy irery ianao raha namoy namana na havan-tiana. Maro no nahita hevitra tsara hiatrehana izany, araka ny asehon’ny lahatsoratra manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Tsy mitovy ny fomba anehoan’ny olona ny alahelony. Tsy mety àry ny mitsaratsara ny hafa noho izy ireo tsy mamoaka ny fihetseham-pony rehefa mamoy havan-tiana.
[Teny notsongaina, pejy 5]
“Kivy be sy nanirery aho. I Neny no namako akaiky indrindra”—Ashley