FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 4/11 p. 21-23
  • Tsy Mahery Setra Intsony Aho

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tsy Mahery Setra Intsony Aho
  • Mifohaza!—2011
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Tia nisetra loza
  • Namita iraka miafina
  • Sarotra ialana ny fahazaran-dratsy
  • “Tsisy Trano Nipetrahana Aho”
    Manova Olona ny Baiboly
  • ‘Satria Manana Izany Fanompoana Izany Isika, dia Tsy Ketraka’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Nanome hery ahy i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Tezi-dava Aho Sady Nahery Setra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2016
Hijery Hafa
Mifohaza!—2011
g 4/11 p. 21-23

Tsy Mahery Setra Intsony Aho

Notantarain’i Jose Antonio Nebrera

INONA no mahatonga ny olona hahery setra? Tena mahery setra aho satria mbola kely dia efa niaina tao anatin’ny herisetra. Mpitandro filaminana manokana tao amin’ny rezimanta hentitra be teto Espaina i Dada. Matetika izy no nokapohin’ny dadany ka lasa nikapoka ahy koa. Nokapohin’i Dada tamin’ilay fehikibony matevim-be foana aho. Angaha izay ihany! Ataony hoe vendrana foana aho nefa ny zandriko vavy ampihantainy be. Tsy rariny izany nefa tsy mba nanao izay hanamaivanana ahy i Neny sady tsy mba naneho fitiavana ahy, satria natahotra an’i Dada.

Niseho ho sambatra erỳ aho rehefa niaraka tamin’ny ankizy tany am-pianarana. Zaza falifaly sy sariaka tokoa angamba no fahitan’ny olona ahy. Tsy izany akory anefa no tena izy, satria nanafina ny tahotro sy ny hatezerako fotsiny aho. Malai-mody aho isan-kariva satria hiatrika ny tena zava-misy. Efa miandry ahy indray mantsy ny ompa sy ny kapoka.

Nianatra tany amin’ny sekoly kilasimandry zezoita aho, tamin’izaho 13 taona, mba hialana tamin’izany. Nisy fotoana aho nieritreritra ny hanao pretra. Tsy nahafa-po ahy mihitsy anefa ny fiainana tany. Tsy maintsy nifoha tamin’ny dimy maraina izahay ary nandro tamin’ny rano mangatsiaka. Nianatra sy nivavaka ary nanao fotoam-pivavahana izahay nandritra ny andro. Be atao be izahay ka zara raha nisy fotoana hakana aina.

Tsy maintsy nianatra ny tantaran’ireo “olo-masina” izahay, nefa tsy nianatra Baiboly mihitsy. Iray monja ny Baiboly nisy, ary tao anatin’ny tranony fitaratra izy io. Tsy maintsy niera izay te hamaky azy.

Lasa anisan’ny fandaharana tao amin’ilay kilasimandry koa ny fampijalian-tena, na “fanatanjahan-tena ara-panahy”, nandritra ny taona fahatelo nianarako tao. Niezaka nisesika sakafo be dia be aho mba harary ka ho afaka amin’io fahoriana io. Tsy nahomby anefa izany. Tsy tantiko intsony ilay izy, telo taona latsaka tatỳ aoriana. Nandositra àry aho ka nody, tamin’izaho 16 taona.

Tia nisetra loza

Nanao ady totohondry sy tolona aho rehefa nody. Haiko tsara ireo fanatanjahan-tena mahery setra ireo ka nahatsiaro ho nisy vidiny aho. Lasa nampiasa herisetra àry aho mba hahazoako izay nilaiko, toy ny nataon’ny raiko ihany.

Nihaona tamin’i Encarnita aho, tamin’izaho 19 taona. Lasa vadiko izy, sivy volana tatỳ aoriana, ka mba nisy olona niahy sy nanambitamby ahy. Ilay izaho nahalala fomba sy tsara fanahy ary falifaly ihany no hitany, fa tsy fantany mihitsy ny fahoriana tao anatiko. Tsy ela anefa dia nipoitra izany rehefa voantso hanao raharaha miaramila aho, taoriana kelin’ny nahaterahan’ny zanakay lahimatoa.

Tsy tiako ny taovolon’ny miaramila sady te hisetra loza aho ka tonga dia nanolo-tena ho anisan’ny miaramila espaniola miasa any ivelany. Nieritreritra aho fa hahazo fahafahana rehefa hiady any an-tany efitr’i Maroc sy hisetra loza. Toa hanampy ahy hiala amin’ny andraikitro ara-pianakaviana koa izany. Vao mainka anefa izany nampipoitra ny toetra ratsiko.

Tsy ela aho dia nanana olana tamin’ny serizà iray. Ranjanana sy lozabe izy ary tia nampijaly zazavao. Halako ny tsy rariny ary vonona hiady ho an’ny rariny aho. Nivazivazy aho, indray mandeha, nandritra ny fiantsoana isa-maraina. Hafa anefa ny nandraisan’ilay serizà an’izany ka saika hamely ahy izy. Naolako haingana ny tanany ary nazerako tamin’ny tany izy. Natahotra ny hotifiriny aho ka tsy navotsotro mihitsy ny tanany.

Voasazy telo volana aho, vokatr’izany. Trano kely babangoana no nasiana ahy, niaraka tamin’ny lehilahy 30 teo ho eo. Tsy afaka nisolo akanjo akory aho tamin’izany. Masiaka be ilay serizà nifehy anay tao ka faly erỳ izy nikapoka olona tamin’ny karavasy. Norahonako anefa izy indray mandeha hoe hovonoiko raha mikitikitika ahy, ka in-3 fotsiny aho no nokaravasiny, nefa tokony ho in-30. Hitako fa tokony ho mafy be toa an’ireo mpampijaly ahy aho.

Namita iraka miafina

Nanolo-tena “hisetra loza” bebe kokoa aho, nandritra ny fiofanako ho miaramila. Tsy fantatro indray tamin’izay ny hanjo ahy. Nahazo fampiofanana toy ny an’ny miaramila mpanafika any amin’ny tanin’ny fahavalo aho, ka nianatra nampiasa ny karazana fitaovam-piadiana rehetra. Nalefa hiofana tany Langley, Etazonia, aho mba hamita an’ilay fiofanana niaraka tamin’ny mpiasan’ny Sampam-pitsikilovana Amerikanina.

Tsy ela aho dia lasa anisan’ny andia-miaramila mpamita iraka miafina. Maromaro ny asa nanirahana ahy taorian’ny 1960. Nandray anjara tamin’ny fanenjehana an’ireo mpivarotra rongony sy fitaovam-piadiana an-tsokosoko aho, tany Amerika Afovoany sy Amerika Atsimo. Nasaina notaperinay avy hatrany ny ain’izay tratranay. Menatra aho milaza hoe nanao an’izany. Novonoinay daholo izay tratranay, afa-tsy ireo nety ho nahazoana fanazavana.

Nasaina nitsikilo manamboninahitra espaniola aho tatỳ aoriana, mba hahitana izay tsy nanohana ny fitondrana jadon’ny Jeneraly Franco. Izahay koa no nitsikilo ny mpanohitra ny fitondran’i Franco nipetraka tany Frantsa. Ny hisambotra an’ireo lohandohan’ny mpanohitra no tanjonay. Nentinay tatỳ Espaina izy ireny avy eo ary nety ho novonoina.

Farany, dia nasaina nanangona mpikarama an’ady aho mba hanongam-panjakana, tany amin’ny firenena kely iray tany Afrika. Nirahina hanafika ny tobin’ny miaramila tao an-drenivohitra izahay, ary avy eo haka ny lapan’ny filoha. Tamin’ny misasakalina izahay no nanafika, ary adiny efatra dia vitanay izany. Maty ny telo tamin’ny namako sy ny miaramila “fahavalo” maromaro. Nandray anjara tamin’io famonoana io aho.

Nanenjika ahy ny eritreritro noho iny zava-nitranga nahatsiravina iny. Tsy nahita tory aho fa nanonofy ratsy foana. Azoko nofy hoe niady tamin’ny fahavaloko sy namono azy ireo aho, ary hitako ny mason’ireo hovonoiko, nipitrapitra noho ny tahotra.

Nanapa-kevitra aho hoe tsy hamita iraka hafa intsony. Naveriko tany amin’ny tafika ny antontan-taratasiko rehetra ary navela hiala aho. Niantso ahy anefa ny lehibeko, telo volana taorian’izay, ary nasainy namita iraka hafa indray aho. Nandositra tany Soisa aho, ary nanaraka ahy i Encarnita, volana vitsivitsy tatỳ aoriana, ka tonga tany Basel. Tsy nahalala mihitsy izy hoe mpitsikilo aho.

Sarotra ialana ny fahazaran-dratsy

Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Espaina i Encarnita, nandritra ny telo taona niasako tao amin’ny tafika. Nilaza izy fa nahita ny marina momba an’Andriamanitra, ary nisy vokany tamiko ny hafanam-pony. Nitady Vavolombelona haingana izahay tany Soisa ary niara-nianatra Baiboly.

Faly be aho nahalala ny fikasan’Andriamanitra. Te hampifanaraka ny fiainako tamin’ny toro lalan’ny Baiboly aho, nefa sarotra tamiko ny niova, indrindra fa ny niala tamin’ny toetrako tia ady. Tiako anefa ilay fivavahana vao narahiko. Nanizingizina aho hoe efa vonona ny hitory isan-trano niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, rehefa nianatra Baiboly nandritra ny volana vitsivitsy.

Nampian’i Jehovah aho ka nahavita nifehy tena ihany, ary natao batisa izahay sy Encarnita tatỳ aoriana. Notendrena ho mpiandraikitra teo anivon’ny fiangonana aho, tamin’izaho 29 taona.

Niverina teto Espaina izahay tamin’ny 1975. Tsy hadinon’ny tafika anefa aho, ka nantsoina handray anjara tamin’ny iraka manokana hafa. Nandositra tany Soisa indray àry aho. Nipetraka tany izahay mianakavy, ka tamin’ny 1996 vao niverina teto Espaina.

Manompo an’i Jehovah daholo izao ny zanako mianadahy efa manambady sy ny zafikeliko roa. Olona 16 teo ho eo koa no nampiako hahalala an’i Jehovah. Anisan’izany ny tovolahy iray nandray anjara tamin’ireo rotaka tany amin’ny faritra avaratr’i Espaina. Tena mahafaly ahy izany.

Imbetsaka aho no mivavaka amin’Andriamanitra mba hanampiany ahy tsy hahery setra sy tsy hanonofy ratsy intsony. Manaraka ny torohevitra ao amin’ny Salamo 37:5 aho rehefa miady mafy mba hanao ny tsara. Izao no voalaza ao: “Ankino amin’i Jehovah ny lalanao, ary miantehera aminy, dia hanao zavatra izy.” Mitana ny teniny tokoa i Jehovah, ka manampy ahy tsy hahery setra. Tena fitahiana ho anay mianakavy izany.

[Sary, pejy 21]

Tamin’izaho 13 taona, tany amin’ny sekoly zezoita

[Sary, pejy 21]

Niala tao amin’ny tafika aho rehefa nahazo alalana, tamin’ny 1968

[Sary, pejy 21]

Izaho sy Encarnita, ankehitriny

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara