Ny Mahatonga ny Tsy Rariny
EFA ho 2 000 taona izay ny Baiboly no nilaza ny ho fomba fiainan’ny olona ankehitriny. Tena marina ilay voalazany hoe: “Amin’ny andro farany, dia hisy fotoan-tsarotra tsy mora setraina. Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ... tsy hisaotra, tsy ho mena-mivadika, tsy ho tia ny mpianakaviny, tsy ho azo ifanarahana, ... tsy ho tia ny tsara, ho mpamadika, ho be di-doha, ho mpieboebo, ho tia fahafinaretana fa tsy ho tia an’Andriamanitra.”—2 Timoty 3:1-4.
Lasa fahita ankehitriny tokoa ireo toetra ratsy ireo. Miharihary, ohatra, hoe tsy mety afa-po ny olona, manavakavaka, tsy miraharaha ny hafa, tia kolikoly, ary tena tsy mitovy ny fari-piainany. Andao hojerentsika tsirairay ireo.
TSY METY AFA-PO. Betsaka ny olona mieritreritra fa ho salama sy ho sambatra izy rehefa misy zavatra iriny ho azo foana. Tsy marina anefa izany. Matetika, ohatra, ny olona tsy mety afa-po no manao hosoka, misoloky, ary misambo-bola sy mampindram-bola lava. Olona maro no efa nahita faisana tamin’izany, ohatra hoe bankirompitra. Marina fa olona tsy mety afa-po ny sasany amin’izy ireo, nefa koa misy olon-tsotra miasa mafy nefa namoy trano sy fanampiana.
MANAVAKAVAKA. Mitsara ny hafa tsy ara-drariny ny olona manavakavaka ka mijery ny firazanan’ny olona, ny volon-kodiny, ny fari-piainany, ny fivavahany, ary ny hoe lahy izy sa vavy. Hitan’ny komity iray ao amin’ny Firenena Mikambana, ohatra, fa maty ny vehivavy iray bevohoka tany Amerika Atsimo rehefa tonga tany amin’ny hopitaly, satria tsy noraharahain’ny tany amin’ny toeram-pitsaboana iray, noho ny firazanany sy ny fahantrany. Misy foko aza roahina avy ao amin’ny faritra iray na aripaka, noho ny fanavakavahana tafahoatra. Tsy rariny izany!
TSY MIRAHARAHA NY HAFA. Hoy ny famintinana ny boky iray miresaka momba ny tsy firaharahana ny hafa: ‘Fianakaviana an’aliny isan-taona no rava, olona ana hetsiny no bankirompitra, ary zavatra mitentina an-tapitrisany dolara no simba, vokatry ny tsy firaharahana ny hafa. Miely patrana loatra ny herisetra ankehitriny. Tsy mahagaga àry raha milaza ny mpahay tantara hoe ny tsy firaharahana ny hafa no mampiavaka ny faramparan’ny taonjato faha-20, fa tsy ny fandrosoana teo amin’ny serasera sy ny dia ana habakabaka. Ny mpiara-monina ihany no mifanimba.’ Tamin’ny 1997 no natao pirinty io boky io, ary tsy nihatsara mihitsy ny toetran’ny olona hatramin’izao.
TIA KOLIKOLY. Milaza ny tatitra iray momba ny kolikoly any Afrika Atsimo fa nisy vola efatra arivo tapitrisa dolara amerikanina natao hanampiana ny sampan-draharahan’ny fahasalamana tany amin’ny faritra iray. Ny 81 isan-jato mahery tamin’izany no nisy nanodinkodina, nandritra ny fito taona. Milaza ny gazety iray fa tsy nampiasaina tamin’ny “fikojakojana ny hopitaly sy ny tobim-pahasalamana tao amin’ilay faritra” akory ny vola natokana ho amin’izany.
FARI-PIAINANA TSY MITOVY MIHITSY. Voalazan’ny tatitra iray tao amin’ny gazetiboky Fotoana (anglisy) fa tamin’ny 2005, dia efa ho ny 30 isan-jaton’ny vola miditra any Grande-Bretagne sy ny 33 isan-jato maherin’ny vola miditra any Amerika no “nankany amin’ny 5 isan-jaton’ny mpandraharaha manam-bola indrindra” tany amin’ireo tany ireo. Olona 1 400 tapitrisa eo ho eo eran-tany anefa no tsy mahazo afa-tsy iray dolara amerikanina eo ho eo isan’andro mba hivelomana, ary ankizy 25 000 isan’andro no maty satria mahantra.
Hisy vahaolana ihany ve?
Nametra tanjona ny praiminisitra tany Aostralia tamin’ny 1987 fa tsy hisy ankizy mahantra intsony any, amin’ny 1990. Tsy tanteraka mihitsy anefa izany. Ilay praiminisitra aza nanenina tamin’ny teniny.
Tsy hahavita hanafoana ny tsy rariny tokoa ny olona, na manana fahefana toy inona aza ary na manankarem-be toy inona aza, satria olombelona ihany. Na ny manana fahefana koa aza mba iharan’ny tsy rariny sy mihantitra ary maty. Mampahatsiahy antsika an’ireto tenin’ny Baiboly ireto izany:
‘Tsy natao hitondra samirery ny fiainany ny olona.’—Jeremia 10:23.
‘Aza matoky ny olona ambony izay tsy mahavonjy.’—Salamo 146:3.
Raha ekenao fa marina ireo teny ireo, dia tsy ho diso fanantenana ianao rehefa tsy misy vokany ny ezaka ataon’ny olona. Tsy misy azo antenaina intsony àry ve? Tsia. Efa manangasanga ny tontolo vaovao hanjakan’ny rariny, araka ny ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra farany amin’ity andian-dahatsoratra ity. Misy zavatra azontsika atao anefa alohan’izay. Afaka mandini-tena isika ka mieritreritra hoe: ‘Afaka manao ny rariny kokoa ve aho rehefa mifandray amin’ny hafa? Inona no azoko hihatsarana?’ Ireo no hovalian’ny lahatsoratra manaraka.
[Sary, pejy 4, 5]
A. Polisy any Chine, misambotra lehilahy iray nandray anjara tamin’ny adim-poko
B. Fandrobana sy fanimbana fananan’olona tany Londres, any Angletera
D. Olona mahantra faraidiny any amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana any Rwanda
[Sary nahazoan-dalana]
Ambony havia: © Adam Dean/Panos Pictures; ambony afovoany: © Matthew Aslett/Demotix/CORBIS; ambony havanana: © David Turnley/CORBIS