FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 4/13 p. 8-11
  • Afaka Miova ve ny Olona Mpamono Vady?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Afaka Miova ve ny Olona Mpamono Vady?
  • Mifohaza!—2013
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • AFAKA MIOVA IREO MPAMONO VADY
  • Mety Mbola ho Foana ve ny Herisetra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2016
  • Afaka Mandresy Zava-manahirana Izay Manimba ny Fianakaviana Ianao
    Ny Tsiambarantelon’ny Fahasambaram-pianakaviana
  • Nahoana ny Lehilahy no Mamono ny Vadiny?
    Mifohaza!—2001
  • Ampio ny Vehivavy Vonoin’ny Vadiny
    Mifohaza!—2001
Hijery Hafa
Mifohaza!—2013
g 4/13 p. 8-11

MATOAN-DAHATSORATRA

Afaka Miova ve ny Olona Mpamono Vady?

Tantara 1: Tonga namangy an-janany tany an-tokantranony ny ray aman-drenin’i Fara.a Nahafinaritra ilay takariva niarahan’izy efa-mianaka. Hitany hoe tsara fanahy be amin-janany vavy ilay vinantolahiny. Ray aman-dreny iza no tsy ho faly amin’izany?

Tantara 2: Romotra be i Andry. Toy ny mahazatra, dia asiany totohondry ny tarehim-badiny, dakany izy, sintoniny ny volony, na adonany imbetsaka amin’ny rindrina ny lohany.

METY ho gaga ianao raha ilazana fa tokantrano iray ihany no isehoan’ireo.

Mahay manafin-toetra ireo mpamono vady

Maro ny mpamono vady mahay manafin-toetra. Toy izany koa i Andry. Hainy ny miseho hoe olona tsara fanahy rehefa eny imason’olona na rehefa miaraka amin’ny rafozany. Lozabe anefa i Andry rehefa izy mivady ihany no ao an-trano.

Mpamono vady ny lehilahy maro, anisan’izany ny dadan’i Andry. Lasa manahaka azy ny zanany, ary mihevitra fa mety ny ataony na ara-dalàna mihitsy aza. Tsy azo ekena anefa izany. Tezitra àry ny ankamaroan’ny olona rehefa maheno hoe misy lehilahy mikasi-tanana ny vadiny.

Mampalahelo anefa fa mbola betsaka ihany ny mamono vady. Any Etazonia, ohatra, misy laharan-tariby azon’ny olona antsoina, raha vonoin’ny vadiny izy. Mihoatra ny 16 isa-minitra ny antso voaray isan’andro, araka ny fanadihadiana natao. Fahita eran-tany ny olona mamono vady, na inona na inona sokajiny, na kolontsainy, na saranga misy azy. Maro amin’ny olona iharan’izany no tsy mitaraina amin’ny manam-pahefana, ka azo inoana fa mbola betsaka kokoa noho izay asehon’ny tatitra ny olona vonoin’ny vadiny.b

Lasa saina àry ny olona hoe: Nahoana no misy lehilahy mahavita mihetraketraka amin’ny hafa, indrindra fa amin’ny vadiny? Afaka miova ve ny olona toy izany?

Mino ny Vavolombelon’i Jehovah, izay namoaka an’ity gazety ity, fa afaka manova ny olona mpamono vady ny torohevitra avy ao amin’ny Baiboly. Mora ve izany? Tsia! Kanefa mety hitranga ve? Eny! Olona maro mpamono vady no niova rehefa nianatra Baiboly, ka lasa tsara fanahy sy mahay manaja olona. (Kolosianina 3:8-10) Diniho izay nitranga tamin’i Rado sy Vero.

Nanao ahoana ny fifandraisanareo tamin’ny voalohany?

Vero: Nofelahan’i Rado mafy be aho ny alin’ny andro nifamofoanay, ka mangana nandritra ny herinandro. Niala tsiny be izy tamin’izay ary nilaza fa tsy hanao intsony. Niverimberina foana izany teny izany nandritra ny taona maro.

Rado: Nety ho nampahatezitra ahy daholo na inona na inona, ohatra hoe sakafo tara. Nisy fotoana i Vero noveleziko tamin’ny poleta. Nasiako mafy loatra izy, indray mandeha, ka noheveriko fa maty. Avy eo nambanako antsy teo amin’ny tendany ny zanakay lahy mba hampitahorana an’i Vero.

Vero: Nitebiteby lava aho. Voatery nitsoaka aho indraindray mandra-pitonin’i Rado. Mafy ilay hoe novonoina, nefa mbola mafy kokoa tamiko ny niaritra ny teny maharary.

Efa hatramin’izay ve ianao no nahery setra, ry Rado?

Rado: Efa hatramin’ny fahakeliko. Novonoin’i Dada foana tsinona i Neny. Teo imasonay ankizy izy no nanao izany. Niara-nipetraka tamin-dehilahy hafa i Neny rehefa nandao anay i Dada, ary namono azy koa io rangahy io. Nanolana ahy sy ny anabaviko koa izy, ka nigadra. Tsapako anefa hoe tsy manala tsiny ny ratsy nataoko izany.

Nahoana ianao no tsy nisaraka taminy, ry Vero?

Vero: Natahotra aho. Nieritreritra aho hoe: ‘Ahoana raha tonga mitady ahy izy, dia vonoiny aho na ny ray aman-dreniko? Ahoana raha mitaraina amin’ny manam-pahefana aho, nefa avy eo mafy kokoa ny mahazo ahy?’

Inona no nampiova ny toe-javatra?

Rado: Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny vadiko. Nialona azy aho, tamin’ny voalohany, satria lasa nanana namana vaovao izy. Nihevitra aho hoe nila nesorina tao amin’io “sekta” hafahafa io izy. Vao mainka àry aho nahery setra, ary na ireo Vavolombelona aza niharan’izany koa. Voan’ny fanintona anefa i Sedra zanakay lahy efa-taona, indray andro, ka naiditra hopitaly. Efa ho roatokombolana izy no tany. Nanampy be anay ireo Vavolombelona. Nikarakara an’i Dina, zanakay vavy enin-taona, mihitsy aza ry zareo. Vao avy niasa alina ny Vavolombelona iray, nefa niandry an’i Sedra izy nandritra ny andro, mba hahafahan’i Vero matory. Tsara fanahy taminay ny Vavolombelona, izany hoe ireo olona nataoko tsinontsinona. Tena nisy vokany tamiko izany. Tsapako hoe tena Kristianina ry zareo. Nangataka ny hianatra Baiboly tamin’izy ireo àry aho. Rehefa nianatra aho, dia lasa fantatro ny fomba tokony hitondran’ny lehilahy ny vadiny, ka tsy nampijaly an’i Vero intsony aho. Lasa Vavolombelon’i Jehovah aho, tatỳ aoriana.

Inona avy ny toro lalan’ny Baiboly nanampy anao hiova?

Rado: Be dia be! Milaza ny Baiboly ao amin’ny 1 Petera 3:7 fa tokony “hanome voninahitra” ny vadiko aho. Mila manana “fahalemem-panahy” sy “fifehezan-tena” koa isika, hoy ny Galatianina 5:23. Manameloka ny “fanevatevana” ny Efesianina 4:31. Resahin’ny Hebreo 4:13 fa “miharihary” eo imason’Andriamanitra “ny zavatra rehetra.” Hitan’Andriamanitra àry izay ataoko, na dia tsy hitan’ny manodidina aza. Nianarako koa fa nila niova namana aho, satria “ny naman-dratsy dia manimba ny fahazarana mahasoa.” (1 Korintianina 15:33) Nampirisika ahy hamono vady mantsy ireo namako taloha. Tokony hovonoina, hono, ny vehivavy mba “hamolahana azy.”

Manao ahoana izao ny fiainanareo?

Vero: Efa 25 taona izay i Rado no lasa Vavolombelon’i Jehovah. Lasa tena tia ahy izy, sady tena tsara fanahy sy mikarakara ahy.

Rado: Tena nampijaly ny vady aman-janako aho taloha. Tsy azoko kosehina anefa ny lasa. Tsy tokony ho nataoko an’ireny mihitsy ny vadiko. Tsy andriko ny hahatanterahan’ny Isaia 65:17, amin’izay tsy hotsarovana intsony ireny fijaliana ireny.

Inona no torohevitra omenareo ny olona mpamono vady sy ireo iharan’izany?

Rado: Mila mitady fanampiana ianao raha mamono vady na tia manao teny maharary. Be dia be ny fomba azo anampiana anao. Ny ahy aloha, dia ny nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny niaraka tamin’izy ireo no nanampy ahy tsy hahery setra intsony, na dia efa lalim-paka tao amiko aza io toetra ratsy io.

Vero: Aza mailaka hampitaha ny fiainanao amin’ny an’ny hafa, na hanaraka izay lazain’ireo milaza fa mahalala ny tena mahasoa anao. Faly aho fa tsy nandao ny vadiko, satria sambatra izao ny tokantranonay. Tsy voatery ho tsara fiafara foana anefa ny fiainan’ny mpivady manana olana toy izany.

AFAKA MIOVA IREO MPAMONO VADY

Nanampy lehilahy maro hiova ny fianarana Baiboly

Hoy ny Baiboly: “Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary mahasoa mba hampianarana, hananarana, hanitsiana izay diso.” (2 Timoty 3:16) Nanao toa an’i Rado ny olona maro mpamono vady, ka nampihatra ny torohevitry ny Baiboly ary afaka nanova ny fomba fisainany sy ny fitondran-tenany.

Misy torohevitra mahasoa ny tokantranonao tokoa ao amin’ny Baiboly. Raha mila fanazavana fanampiny ianao, dia manatòna ny Vavolombelon’i Jehovah eny aminareo, na jereo ny www.pr2711.com/mg ato amin’ny Internet.

a Novana ny anarana sasany ato amin’ity lahatsoratra ity.

b Maro koa ny vehivavy mamono vady. Ny lehilahy anefa no tena manao azy io araka ny fitarainana voaray.

NAHOANA IZY IREO NO MIARITRA?

Nahoana ny vehivavy sasany no mbola miaritra na dia mahery setra aza ny vadiny? Maro no matahotra sao hiharatsy ny toe-javatra raha mandeha izy. Misy lehilahy mandrahona hoe hataony mahita faisana ny vadiny na hovonoiny ho faty mihitsy, raha mitady handao azy. Nisy nanatanteraka an’izany tokoa.

Manahy koa ny hafa sao tsy hanaiky ny fanapahan-keviny ny namany sy ny havany. Mety tsy hino mantsy izy ireo hoe tena mafy ny zavatra iainany ao an-trano. Nandao ny vadiny, ohatra, i Fara, ilay voaresaka terỳ aloha. Hoy izy: “Tezitra tamiko ny rahavaviko ary nilaza fa tokony hiverina any amin’ny vadiko aho. Iny olona tsara toetra iny ve, hono, dia ho loza be hoatr’izany? Nihatakatahan’ny mpiara-monina aho, ka voatery nifindra tany an-toeran-kafa izaho sy ny zanako.”

Ireto koa misy antony hafa tsy andaozan’ny vehivavy sasany ny tokantranony:

  • Tiany raha izy mivady no mitaiza ny ankizy.

  • Manahy koa izy sao tsy hahavelona ny tenany sy ny zanany.

  • Diso hevitra ilay vehivavy ka mieritreritra hoe izy no diso.

  • Menatra izy ireo hilaza amin’ny hafa hoe vonoin’ny vadiny.

  • Manantena izy ireo fa mbola hihatsara ny toe-javatra.

Arahin’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay fitsipiky ny Baiboly hoe ny fijangajangana ihany no antony azo isarahana. (Matio 5:32) Mety hisintaka anefa ny sasany raha tafahoatra ny zavatra ataon’ny vadiny, ohatra hoe mahery setra loatra.

TORO LALANA HO AN’NY LEHILAHY MANAMBADY

  • Omeo voninahitra sy hajao ny vadinao.—1 Petera 3:7.

  • Tiavo ny vadinao tahaka ny tenanao. —Efesianina 5:28, 29.

  • Tiavo foana ny vadinao ary ampitomboy ilay fitiavana.—Efesianina 5:25.

  • Aza manevateva.—Efesianina 4:29, 31.

  • Mianara mifehy tena.—Ohabolana 29:11.

  • Tadidio fa rehefa mahay mifehy tena ianao no hajain’ny olona, fa tsy rehefa manjakazaka.—Ohabolana 16:32.

  • Eritrereto ny vokatr’izay ataonao.—Galatianina 6:7.

  • Tsara angamba ny miala kely raha mila tsy hahafehy tena ianao.—Ohabolana 17:14.

  • Mianara mankahala herisetra.—Salamo 11:5.

  • Aza heverina ho ambany noho ianao ny vadinao, fa hevero ho toy ny namana manana ny maha izy azy.—Genesisy 1:31; 2:18.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara