FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Fanafahana avy Tany Ejipta”
  • Fanafahana avy Tany Ejipta

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanafahana avy Tany Ejipta
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Pihahirota
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Fanafahana ny Israelita avy Tany Ejipta
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Bala-zefona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Etama
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Fanafahana avy Tany Ejipta”

FANAZAVANA MAHALIANA

Fanafahana avy Tany Ejipta

NIRAHIN’I Jehovah hiseho teo anatrehan’i Farao i Mosesy, mba hiteny amin’ny anaran’i Jehovah hoe: “Alefaso ny oloko.” (Ek 5:1) Tsy nety anefa i Farao. Tsy te hamoy andevo maro be mantsy izy. Tsy fantany na tsy nekeny koa hoe i Jehovah no tena Andriamanitra. (Ek 5:2) Nivavaka tamin’ireo andriamanitr’i Ejipta mantsy i Farao ary nihevi-tena ho andriamanitra mihitsy koa. Iza marina àry no tena Andriamanitra? Nampihatra didim-pitsarana tamin’ireo “andriamanitra rehetran’i Ejipta” i Jehovah rehefa nandefa loza folo. Nafahan’i Farao àry ny Israelita ary voaporofo fa i Jehovah no tena Andriamanitra velona.​—Ek 12:12.

Niala tao Ramesesa any Ejipta ny vahoakan’Israely tamin’ny 15 Nisana 1513 T.K. Niantsinanana izy ireo, ary azo antoka fa niaraka taminy ny Israelita avy any Gosena. Rehefa tonga tany Etama izy ireo, dia nasain’i Jehovah ‘niverina, ka hitoby eo akaikin’i Pihahirota, eo akaikin’ny ranomasina.’ Noheverin’ny Ejipsianina fa tsy nahita lalana ilay vahoaka. (Ek 13:20; 14:1-3) Toa tapi-dalan-kaleha izy ireo, satria teo anelanelan’ny Ranomasina Mena sy ny tendrombohitra, nefa ny kalesin’adin’ny Ejipsianina koa tao aoriany. Tamin’izay indrindra i Jehovah no namonjy azy ireo sy nandringana an’i Farao sy ny tafiny. (Ek 14:13-31) Nasehony fa tena mahery Izy, ary nanjary noresahina “eran-tany” iny zavatra nataony ho an’ny Israely iny. ​—Ek 9:16; Js 2:10; 9:9.

TOERANA SY TANÀNA: Andinin-teny misy azy

Etama

Ek 13:20; No 33:6

Gosena

Ge 47:27; Ek 8:22

Memfisa (?)

Ek 12:30-32

Migdola

Ek 14:2; No 33:7

Pihahirota

Ek 14:2, 9

Ramesesa

Ek 12:37

Ranomasina Mena

Ek 14:9, 16, 21-30

Sokota

Ek 12:37; 13:20

[Saritany, pejy 536]

SARITANY: Mety ho ity no Lalan’ny Israelita

Sarin’ny fanambanin’ny Ranomasina Mena ankehitriny. Teo angamba no niampitan’ny Israelita. Nisy nohadina ilay fanambaniny mba ho lalina kokoa, nefa mihalalina ihany izy io rehefa eny afovoany. Misy 10 km eo ho eo ny elanelan’ny morony roa

[Saritany, pejy 537]

SARITANY: Fanafahana ny Israelita avy Tany Ejipta, Sarin’ny fanambanin’ny Ranomasina Mena

[Sary, pejy 537]

Faritra tazana avy eo amin’ilay toerana mety ho nanasarahan’i Jehovah ny Ranomasina Mena, mba hahafahan’ny Israelita handia tany maina

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara