FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Kosy”
  • Kosy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Kosy
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Etiopia
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Kosita
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Kosana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Sabteka
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Kosy”

KOSY

(Kòsy).

1. Iray amin’ireo zanakalahin’i Hama, ary ny anarany no voatonona voalohany. Niteraka enin-dahy i Kosy: Seba, Havila, Sabta, Rama, Sabteka, ary Nimroda. (Ge 10:6-8; 1Ta 1:8-10) Voalaza fa nisy avy tamin’i Kosy sy ny taranany ireo ‘firenena niely teto ambonin’ny tany, taorian’ny safodrano.’ (Ge 10:32) Tsy miresaka amin’ny an-tsipiriany momba an’i Kosy ny Genesisy. Miverimberina ao amin’ny Soratra Hebreo anefa ny anarany, mba hilazana ny taranany sy ny tany na ny faritra nonenan’izy ireo, araka ny hita eo amin’ny No. 2.

Tsara homarihina anefa fa i Kosy (sy Pota angamba) no tena razamben’ny olona mainty hoditra (Je 13:23), raha jerena ny faritra nonenan’ny taranany sasany. Diso àry ny filazana fa fanozonana ny mainty hoditra ny fanozonana an’i Kanana, rahalahin’i Kosy. Ireo foko kananita samihafa tany Palestina mantsy no taranak’i Kanana, ary tsy nisy mainty hoditra izy ireo. (Ge 9:24, 25; 10:6) Tsy milaza mihitsy àry ny Baiboly hoe fanozonana an’ireo mainty hoditra taranak’i Kosy ilay fanozonana an’i Kanana.

2. Ilazana ny taranaky ny zanakalahin’i Hama sy ny toerana nonenan’izy ireo ny andininy rehetra miresaka an’i Kosy, ankoatra ilay tetirazana ao amin’ny Genesisy toko faha-10 sy ny 1 Tantara toko 1, ary ny teny mampiditra ny Salamo 7 izay hazavaina eo amin’ny No. 3.

Voatonona ao amin’ilay fitantarana momba an’i Babela sy ny fanjakana naorin’i Nimroda taorian’ny Safodrano, ny anaran’i Kosy rain’i Nimroda. (Ge 10:8-12) Misy milaza fa mety ho ny taranak’i Kosy no nanjaka tao amin’ilay tanàna fahiny atao hoe Kisy, izay hitan’ny mpikaroka tany Mezopotamia Ambany, akaikin’i Babylona. Nitondra ny anaram-boninahitra hoe “mpanjakan’izao tontolo izao”, hono, ireo mpanjaka babylonianina (tamin’ny taonarivo fahatelo T.K.) tao. Hoy ny “Lisitra Misy ny Anaran’ireo Mpanjaka Somerianina” (tantara an-tsoratra fahiny izay angano ny ankamaroany): “Tany Kisy ny fanjakana (voalohany) taorian’ny Safodrano (naneran-tany), rehefa nampidinina tetỳ (indray) ny fanjakana tany an-danitra.” (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, nataon’i J. Pritchard, 1974, p. 265) Hoy ilay manam-pahaizana atao hoe Albright, momba an’io tanàna fahiny io: “Tsy voaresaka ao amin’ny Baiboly i Kisy, raha tsy hoe Kisy angaha taloha no niantsoana an’ilay Kosy ao amin’ny Gen. 10:8. Heverina fa i Nimroda no mpitondra voalohany tao Kisy.” (Famakafakana sy Fizahana Teny ao Amin’ny Baiboly nataon’i Young, Fanampin’ny “Zavatra Hita Vao Haingana Tany Palestina”, nataon’i W. Albright, 1955, p. 14) Toa manamarina ny voalazan’ny Baiboly àry ny tantara rehefa milaza fa nitondra tany Babylonia ny taranak’i Kosy taloha, na dia lasa nofehezin’ny taranak’i Sema tanteraka aza izy io tatỳ aoriana.

Ny “tanin’i Kosy.” Tsy tena fantatra hoe taiza no nisy an’ilay “tanin’i Kosy” lazain’ny Genesisy 2:13 fa voahodidin’ny reniranon’i Gihona, iray tamin’ireo sampana efatr’ilay “renirano nivoaka avy tao Edena.” (Ge 2:10) Nataon’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo hoe Etiopia ilay teny hebreo nadika hoe Kosy, ao amin’io andininy io. Marina fa nilazana an’i Etiopia fahiny ny hoe Kosy tany am-boalohany, kanefa tsy voatery ho izany ny heviny ao amin’ny Genesisy 2:13. Niray hevitra tamin’ireo mpandika ny Fandikan-tenin’ny Fitopolo i Josèphe, ka nilaza fa i Neily (Nil) ilay Reniranon’i Gihona. (Rakitry ny Ela Jiosy, I, 39 [i, 3]) Toa tsy mitombina anefa izany. Iray ihany mantsy ny loharanon’i Eofrata sy Tigra ary Gihona, raha tsy hoe nanova tanteraka an’ilay faritra angaha ny Safodrano naneran-tany.

Misy manam-pahaizana àry milaza fa ilay firenena atao hoe Kasso na Kasita resahin’ny soratra asyrianina, ilay “Kosy” ao amin’ny Genesisy 2:13. Firenena tsy fanta-piaviana nonina tany amin’ny lembalemban’i Azia Afovoany izy io. Nilaza i P. English tao amin’ny Gazety Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy (1959, Boky Faha-18, p. 49-53) fa nisy mainty hoditra taloha tany amin’ny tendrony atsimoatsinanana amin’ny Ranomasina Mainty, ary avy eo tany Caucase tany avaratra kokoa. Nilaza koa izy fa mety hisy hifandraisany amin’ilay Kosy resahin’ny Baiboly ny anaran’ireo faritr’i Abkhazie sy Khazarie nonenan’ireo foko ireo. Mety ho fianakaviana kosita tsy nifindra monina nianatsimo niaraka tamin’ny Kosita hafa rehetra koa anefa ilay Kosy ao amin’ny Genesisy 2:13, fa nanorim-ponenana tany Azia Minora kosa araka ny voalaza tetsy aloha.

Misy koa anefa milaza fa ny Saikinosin’i Arabia ilay “tanin’i Kosy” voahodidin’ny reniranon’i Gihona. Mifanitsy amin’ny hoe “Kosana” mantsy, hono, ny hoe “Midianina” ao amin’ny Habakoka 3:7, ary any akaikin’ny Hoalan’i ʽAkaba any Arabia izy io. Mety ho izany angamba no nahatonga an’i Zipora vadin’i Mosesy nantsoina hoe “kosita.”​—Ek 18:1-5; No 12:1.

Taorian’ny nanorenana ny Tilikambon’i Babela. Toa nianatsimo ny ankamaroan’ny taranak’i Kosy, taorian’ny nampisafotofotoana ny fitenin’ny olona tao Babela. Tsy fantatra na nankany amin’ny Saikinosin’i Arabia aloha izy ireo ary niampita ny andilan-dranomasin’i Bab el-Mandeb vao nankany Afrika, na tonga dia nankany Afrika ary tatỳ aoriana vao niampita nankany Arabia. Azo inoana kokoa anefa fa nankany Afrika aloha izy ireo, matoa ampifandraisina amin’i Afrika ny hoe “Kosy.” Nankany Afrika Atsinanana i Seba, zanak’i Kosy, fa i Havila sy Sabta sy Rama ary Sabteka kosa nankany amin’ny Saikinosin’i Arabia. (Jereo ny lahatsoratra tsirairay momba an’ireo zanak’i Kosy ireo.) Toa mbola nitondra ny anaran’ireo zanak’i Kosy ireo koa ny foko samihafa avy amin’izy ireo. Tsy mba nisy foko nitondra ny anaran’i Nimroda anefa. Tsy niteraka angamba izy, matoa izy ihany no resahin’ny tantara fahiny fa nantsoina hoe Nimroda.

Faritra tany Afrika matetika no tondroin’ilay teny hoe Kosy ao amin’ny Baiboly, na dia nisy Kosita ihany aza tany Arabia. Nadika hoe “Etiopia” àry ilay hoe “Kosy”, tamin’ny ankapobeny. Ampiarahina amin’i Ejipta (Is 20:3-5; 43:3; Je 46:7-9) sy Libya foana izy io. (2Ta 12:2, 3; Da 11:43; Na 3:9) Hita ao amin’ny Isaia 11:11 ny anaran’ireo faritra atsimon’ny Vinanin’i Neily taloha: I “Ejipta” (na “Mizraima”, izany hoe Ejipta Ambany), “Patrosa” (Ejipta Ambony), ary “Kosy” (Nobia-Etiopia). Ny Ezekiela 29:10 kosa milaza fa ho rava i Ejipta “hatrany Migdola ka hatrany Syena sy ny sisin-tanin’i Etiopia [Kosy].” Toa mbola nihoatra an’i Syena (Assouan ankehitriny) àry ny sisin-tanin’i Kosy na Etiopia fahiny. Mety ho nianatsimo hatrany Khartoum ankehitriny izy io, araka ny porofo hitan’ny mpikaroka. I Soudan miampy ny farany atsimon’i Ejipta ankehitriny àry no nantsoina hoe Kosy. Mety ho ireto avy ny “reniranon’i Etiopia [Kosy]”: Ny Neily Manga sy ny Neily Fotsy izay mihaona ao Khartoum, ary ny Reniranon’i Atbara, izay mihaona amin’i Neily eo amin’ilay riandrano fahadimy.​—Ze 3:10.

Foko arabo tany amin’ny morontsiraka atsimoandrefan’ny Saikinosin’i Arabia angamba ireo “Arabo izay tany akaikin’ny Etiopianina [Koshim].” (2Ta 21:16) Ny Ranomasina Mena no nanelanelana azy ireo tamin’i Afrika.

Saika tany efitra daholo ny tanin’i Kosy. Voalaza fa “tany feno bibikely manana elatra izay mifanaretsaka” “ny faritry ny reniranon’i Etiopia.” (Is 18:1) Ireo valala maro be tany Etiopia sy Ejipta angamba no tiana horesahina eo. Mety ho moka koa anefa izany, hoy ny olona sasany. Misy indray milaza fa mitovitovy ny fanononana an’ilay teny hebreo nadika hoe “mifanaretsaka” (tselatsal) sy ny fiantsoan’ny foko galla (taranak’i Hama monina any Etiopia) ny lalitra tsetse (tsaltsalya). Nisy ivoara, hazomainty, volamena, vatosoa, vy, ary zava-manitra tany Kosy. Resahin’ny Baiboly koa ny amin’ireo “mpivarotra avy any Etiopia” (Is 45:14) sy “ny topaza avy any Kosy.”​—Jb 28:19.

Tantarany tatỳ aoriana. Nanomboka nofehezin’i Ejipta i Kosy na Etiopia tamin’ny fotoana nanafahana ny Israelita avy tany Ejipta, ary naharitra 500 taona teo ho eo izany. Nanendry governora hifehy an’ilay tany i Faraon’i Ejipta, ary nantsoina hoe “Zanaky ny Mpanjakan’i Kosy” izy io. Lasa nahaleo tena anefa i Etiopia tany amin’ny faramparan’ny taonarivo faharoa T.K. I Napata, tanàna teny akaikin’ny riandrano fahefatra, no natao renivohitr’i Etiopia, ary avy eo i Méroé, 210 km eo ho eo avaratra avaratratsinanan’i Khartoum.

Nisy miaramila etiopianina tao amin’ny tafik’i Farao Sisaka, izay nanafika an’i Joda tamin’ny taona fahadimy nanjakan’i Rehoboama (993 T.K.). (2Ta 12:2, 3) Nanafika an’i Joda i Zera Etiopianina sy ireo miaramilany iray tapitrisa tamin’ny 967 T.K. tany ho any, taorian’ny taona fahafolo nanjakan’i Asa. Resy tanteraka tao Maresa anefa izy ireo.​—2Ta 14:1, 9-15; 16:8.

Milaza ny tantara fa resin’i Etiopia i Ejipta tany amin’ny faramparan’ny taonjato fahavalo T.K., ka nofeheziny nandritra ny 60 taona teo ho eo. Ny “Tarana-mpanjaka (Etiopianina) Faha-25” no nitondra tamin’izany, ary anisan’izy ireo i Taharka Mpanjaka na ilay antsoin’ny Baiboly hoe Tiraka. Tonga hiady tamin’ny tafik’i Sankeriba io mpanjaka io, raha mbola nanafika an’i Joda ny Asyrianina (732 T.K.). Resy tao Elteke anefa izy, araka ny asa soratra asyrianina.​—2Mp 19:9; Is 37:8, 9.

Nanafika an’i Ejipta i Esara-hadona sy Asorobanipala mpanjaka asyrianina. Resy tanteraka i Ejipta rehefa noravan’i Asorobanipala (t. 684 T.K.) i Thèbes (na No-amona ao amin’ny Na 3:8-10) tany Ejipta Ambony, ary nifarana hatreo koa ny fifehezan’ny Etiopianina ny lohasahan’i Neily. Tanteraka àry ilay faminaniana nampilazaina an’i Isaia, efa ho 50 taona talohan’izay.​—Is 20:3-6.

Nisy miaramila etiopianina tao amin’ny tafik’i Farao Neko izay resin’i Nebokadnezara tany Karkemisy tamin’ny 625 T.K. (Je 46:2, 9) ‘Nanaintaina mafy’ i Kosy rehefa nanafika an’i Ejipta i Nebokadnezara tatỳ aoriana (angamba tamin’ny 588 T.K.). ‘Nangovitra’ koa ‘i Etiopia [Kosy], izay natoky tena loatra.’​—Ezk 29:19; 30:4-9.

Resin’i Cambyse II mpanjaka persianina (529-522 T.K.) i Ejipta tamin’ny andron’i Farao Psamtika III, ka mora tamin’ny Persianina ny nifehy an’i Etiopia. Nety àry ny nilazana fa nanjaka “hatrany India ka hatrany Etiopia [Kosy]” i Ahasoerosy (Ksersesy I). (Es 1:1; 8:9) Manamarina izany ny tenin’i Ksersesy hoe: “Ireto avy no firenena nanjakako, ankoatra an’i Persa ... India ... (ary) Kosy.”​—Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, p. 316.

Efa nambara mialoha fa hasaina hody any amin’ny taniny ireo Jodianina natao sesitany tany an-tany lavitra, toy ireo tany Kosy. (Is 11:11, 12; ampit. Ze 3:10.) Naminany i Daniela fa “hanara-dia” na hanaraka ny toromariky ny “mpanjakan’ny avaratra” i Etiopia sy Libya, “amin’ny fotoanan’ny farany.” (Da 11:40-43) Hanafika ny vahoakan’i Jehovah miaraka amin’ny tafik’i “Goga avy any amin’ny tany Magoga” koa i Etiopia (Kosy), “rehefa hifarana ny taona maro.” (Ezk 38:2-5, 8) Naminany koa anefa ny mpanao salamo fa ho anisan’ireo hitondra fanomezana ho an’Andriamanitra i Kosy.​—Sl 68:29-32.

3. Resahin’ny teny mampiditra ny Salamo 7 fa “noho ny tenin’i Kosy Benjaminita” no nanaovana ilay salamo. Eo ihany no miresaka momba an’io Kosy io. Olona nanohitra an’i Davida tao an-dapan’i Saoly angamba izy io, raha tany am-piandohan’ny tantaran’i Davida ilay salamo no nosoratana. Raha tatỳ aoriana kosa, dia mety ho i Simey Benjaminita, ilay nanozona an’i Davida, no tiana horesahina eo.​—2Sa 16:5-8.

[4-5: Kosita, Etiopianina]

4. Rain’i Zefania mpaminany.​—Ze 1:1.

5. Razamben’i Jehody tandapan’i Joiakima Mpanjaka.​—Je 36:14.

6. Renivohitry ny nosy iray nantsoina koa hoe Kosy. Teo amin’ny zorony avaratratsinanan’ilay nosy no nisy azy io, tany atsimoandrefan’ny morontsirak’i Azia Minora. Tsara toerana izy io ka efa hatramin’ny ela no niroborobo tao ny varotra sady maro be ny sambo nifamezivezy tao.

Toa nandalo tao ny sambo nandehanan’ny apostoly Paoly tamin’izy avy tany Efesosy nankany Kaisaria, tamin’ny faramparan’ny dia misionera faharoa nataony (t. 52). (As 18:21, 22) Efa-taona teo ho eo tatỳ aoriana anefa, tamin’ny faramparan’ny dia misionera fahatelo, vao niresaka momba ilay nosy ny bokin’ny Asan’ny Apostoly. Rehefa “nisaraka” tamin’ireo anti-panahin’i Efesosy niresaka taminy tao Mileto i Paoly (As 20:17, 36-38), dia niondrana an-tsambo izy sy Lioka. Tonga dia “nanitsy nankany Kosy” ilay sambo, ka tsy nivilivily mihitsy fa natosiky ny rivotra nanaraka ny morontsiraka hatrany “Kosy”, izany hoe 75 km teo ho eo. Misy mpivaofy teny milaza fa mety ho vita ao anatin’ny adiny enina io halaviran-dalana io, rehefa mitsoka avy any avaratrandrefana ny rivotra eny amin’ny Ranomasina Égée. Izay no nahatonga an’ilay sambo nitondra an’i Paoly ho tonga tao Kosy ny androtr’iny ihany, izany hoe tamin’ilay andro niaingany tany Mileto. Toa niantsona lavidavitra ny morontsiraka atsinanan’i Kosy ilay sambo ny alina manontolo, ary tonga tao Rodo “ny ampitso”, rehefa avy niala maraina ka nandeha 120 km teo ho eo.​—As 21:1.

Efa ela ny nosy Kosy no nalaza ho toerana be Jiosy, tany amin’ny faritry ny Ranomasina Égée. Fanjakana nahaleo tena anisan’ny faritanin’i Azia izy io tamin’ny andron’ny Romanina. Nilaza i Tacite fa tsy nampandoavin’i Klaodio hetra ny mponina tao, tamin’ny taona 53.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara