FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w09 15/11 p. 29
  • Ankizivavy Kely Malala-tanana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ankizivavy Kely Malala-tanana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Mitovitovy Aminy
  • “Avy Amin’ny Vavan’ny Zazakely”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Maninona Aho no Tsy Tian’ny Ankizilahy?
    Mifohaza!—2010
  • Maninona Aho no Tsy Tian’ny Ankizilahy?
    Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Voalohany
  • Manome voninahitra an’i Jehovah amin’ny zava-tsarobidy anananao ve ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
w09 15/11 p. 29

Ankizivavy Kely Malala-tanana

VAO haingana izay tany Brezila, dia nisy ankizivavy sivy taona nanangom-bola. Nozarainy roa ilay izy. Narotsany tao amin’ny boaty ho an’ny fanomezana tao amin’ny Efitrano Fanjakana ny 34 600 ariary teo ho eo, satria te hanome vola hisahanana ny fandanian’ny fiangonana izy. Nalefany tany amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah kosa ny 48 000 ariary teo ho eo, ary nampiarahiny tamin’ny taratasy kely milaza hoe: “Tiako hampiasaina hanohanana ny asa maneran-tany ity fanomezana ity. Te hanampy ranadahy sy rahavavy maro maneran-tany aho mba hahafahan’izy ireo mitory ny vaovao tsara. Omeko ity vola ity, satria tena tiako i Jehovah.”

Nampianarin’ny ray aman-dreniny an’io ankizivavy io fa zava-dehibe ny mandray anjara amin’ny fitoriana ilay Fanjakana. Nalentik’izy ireo tao an-tsainy koa fa mila ‘manome voninahitra an’i Jehovah amin’ireo zava-tsarobidy ananany’ izy. (Ohab. 3:9) Enga anie isika rehetra hanao toa an’io ankizivavy io ka hazoto hampandroso ny asan’ilay Fanjakana, eo an-toerana sy maneran-tany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara