FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w12 15/6 p. 32
  • Nampiova Olona ny Hatsaram-panahy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nampiova Olona ny Hatsaram-panahy
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Mitovitovy Aminy
  • Avy eo amin’ny fahaketrahana mankeo amin’ny fahasambarana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Lazao hoe Tianao Izy Ireo
    Fitantarana Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Tapa-kevitra ny hiaina mifanaraka amin’ireo fotopoto-pitsipik’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
w12 15/6 p. 32

Nampiova Olona ny Hatsaram-panahy

NASIAKA be i Rie, vehivavy zokiolona iray, rehefa nitory ny vaovao tsara taminy i George sy Manon, mpivady Vavolombelon’i Jehovah any Holandy. Nilaza i Rie fa efa indroa maty vady izy, ary efa maty koa ny zanany lahy. Tsy vitan’izany fa voan’ny aretin’ny tonon-taolana koa izy. Nihatony ihany izy nandritra ilay resaka, kanefa tsy hoe lasa tsara fanahy.

Niteny tamin’i Manon i George hoe tsara raha miverina any amin’i Rie ry zareo, ary mitondra voninkazo ho azy, satria tena manirery sy kivy ny fahitana azy. Gaga sady faly i Rie rehefa tonga ry zareo, kanefa tsy afaka nandray azy ireo izy, ka nanome azy ireo fotoana hafa. Tsy nisy nanokatra anefa ny varavarana, rehefa niverina i George sy Manon. Niverina tany imbetsaka izy ireo, fa tsy nahita an’i Rie mihitsy. Nieritreritra mihitsy aza izy ireo hoe nitsoatsoaka azy i Rie.

Hitan’i George tao an-tranony ihany i Rie, tatỳ aoriana. Niala tsiny i Rie hoe tsy afaka tamin’ilay fotoanan-dry zareo, satria niditra hopitaly izy. Hoy izy: “Mba fantatrao moa hoe inona no nataoko rehefa lasa ianareo mivady? Nanomboka namaky Baiboly aho!” Nahafinaritra erỳ ny resak’izy mianaka taorian’izay, ary nanomboka nianatra Baiboly i Rie.

Tena niova i Rie taorian’izay. Lasa olona falifaly sy tsara fanahy izy, fa tsy ilay olona kivy sy nasiatsiaka teo aloha. Tsy afaka nivoaka ny trano izy, nefa nanomboka niresaka momba ny zavatra nianarany tamin’ireo olona nitsidika azy. Tsy afaka nivory matetika koa izy noho ny aretiny, nefa faly izy rehefa nisy rahalahy sy anabavy namangy azy. Nanatrika fivoriamben’ny faritra izy tamin’ny andro naha feno 82 taona azy, ary natao batisa mba hampisehoana fa nanokan-tena ho an’i Jehovah.

Maty i Rie volana vitsivitsy taorian’izay, ary nisy tononkalo nosoratany hita tao an-tranony. Nosoratany tao fa tena mampahory ny hoe manirery rehefa zokiolona, ary nohamafisiny fa tena ilaina ny hatsaram-panahy. Hoy i Manon: “Nanohina ny foko ilay tononkalo. Faly be aho hoe nanampy anay ho tsara fanahy taminy i Jehovah.”

Mandrisika antsika ho be fitiavana sy ho tsara fanahy tokoa ny modely omen’i Jehovah. (Efes. 5:1, 2) Hisy vokany tsara ny fanompoantsika raha asehontsika hoe “mpanompon’Andriamanitra” isika, ka ‘tsara fanahy’ amin’ny olona.—2 Kor. 6:4, 6.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara