Famerenana ny Sekolin’ny Fanompoana
Hodinihina amin’ny Sekolin’ny Fanompoana ireto fanontaniana ireto, ny herinandron’ny 28 Aprily 2014.
Inona no nanampy an’i Josefa tsy hijangajanga tamin’ny vadin’i Potifara? (Gen. 39:7-12) [3 Mar., w13 15/2 p. 4, feh. 6; w07 15/10 p. 23, feh. 16]
Nahoana i Josefa no ohatra tsara ho an’ny olona iharan’ny tsy rariny sy iharam-pisedrana? (Gen. 41:14, 39, 40) [10 Mar., w04 15/1 p. 29, feh. 6; w04 1/6 p. 20, feh. 4]
Inona no nahatonga an’i Josefa hamindra fo tamin’ny rahalahiny? [17 Mar., w99 1/1 p. 30, feh. 6-7; w08 1/10 17, feh. 3]
Ahoana no nanatanterahan’ny fokon’i Benjamina an’ilay faminaniana ao amin’ny Genesisy 49:27? [24 Mar., w12 1/1 p. 29, efajoro]
Inona no ianarantsika momba an’i Jehovah ao amin’ny Eksodosy 3:7-10? [31 Mar., w09 1/3 p. 15, feh. 3-6]
Tamin’ny andron’i Mosesy, inona avy no nataon’i Jehovah mifanaraka amin’ny lafiny iray amin’ny hevitry ny anarany? (Eks. 3:14, 15) [31 Mar., w13 15/3 p. 25-26, feh. 5-6]
Nahoana i Mosesy no lazaina fa natao toy ny “Andriamanitra eo anatrehan’i Farao”, araka ny Eksodosy 7:1? [7 Apr., w04 15/3 p. 25, feh. 7]
Nahita ny namonjen’i Jehovah azy ireo avy tany Ejipta ny Israelita. Inona anefa no nataon’izy ireo tatỳ aoriana, ary inona ny lesona raisintsika avy amin’izany? (Eks. 14:30, 31) [14 Apr., w12 15/3 p. 26-27, feh. 8-10]
Nahoana no mety tsara hilazana ny fikarakaran’i Jehovah an’ilay firenen’Israely vao niforona ilay hoe nentiny “tamin’ny elatry ny voromahery” izy ireo? (Eks. 19:4) [28 Apr., w96 15/6 p. 10, feh. 5–p. 11, feh. 2; cl 67-68, feh. 1-3]
Inona no dikan’ny hoe hosazin’i Jehovah noho ny fahadisoan’ny raim-pianakaviana ny taranany? (Eks. 20:5) [28 Apr., w04 15/3 p. 27, feh. 1]