Taratasy Mivalona Amin’ny Endriny Vaovao
1. Inona amin’ny zavatra ampiasaintsika eny amin’ny fanompoana no nomena endrika vaovao?
1 Nisy taratasy mivalona vaovao dimy navoaka tamin’ilay fivoriamben’ny vondrom-paritra 2013 hoe “Ny Tenin’Andriamanitra no Fahamarinana!” Navoaka koa ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 38 mitondra ny lohateny hoe “Mbola ho Velona Indray ve ny Maty?” Nomena endrika vaovao ireo taratasy mivalona enina ireo. Nahoana? Ary nahoana ilay endriny vaovao no manampy antsika hanolotra azy ireo?
2. Nahoana no novana ny endriky ny taratasy mivalona ampiasaintsika?
2 Nahoana no Novana ny Endriny? Ireto zavatra efatra ireto matetika no ataon’ny mpitory mahay rehefa mitory isan-trano: 1) Manontany ny hevitr’ilay olona itoriana mba hanombohan-dresaka. 2) Milaza hevitra avy ao amin’ny Baiboly. 3) Manome zavatra hovakin’ilay olona. 4) Mametraka fanontaniana hovaliana amin’ny manaraka, ary mifanao fotoana amin’ilay olona. Manamora ny fanaovana an’ireo ny endrik’ireo taratasy mivalona vaovao.
3. Ahoana no azontsika anolorana an’ireo taratasy mivalona vaovao?
3 Ahoana no Ampiasana Azy? 1) Rehefa avy miarahaba an’ilay olona ianao, dia asaivo milaza ny heviny momba an’ilay fanontaniana eo amin’ny fonony izy. 2) Sokafy ilay izy ary iaraho midinika ilay hoe “Inona no Lazain’ny Baiboly?” Raha mety, dia jereo ao amin’ny Baiboly mihitsy ilay andinin-teny. Raha manam-potoana ilay olona dia diniho ilay hoe “Inona no Vokatr’izany eo Aminao?” 3) Atolory ilay taratasy mivalona ary ampirisiho izy hamaky azy. 4) Asehoy azy ilay fanontaniana eo ambanin’ilay hoe “Fanontaniana Hosaintsainina”, alohan’ny handehananao, ary manaova fotoana aminy mba handinihana ny valiny omen’ny Baiboly.
4. Ahoana no azontsika ampiasana an’ireo taratasy mivalona rehefa miverina mitsidika?
4 Mora koa ny mampiasa azy rehefa miverina mitsidika. Ampiasao fotsiny ireo andinin-teny any amin’ny farany mba hamaliana an’ilay fanontaniana napetrakao tamin’ny farany. Alohan’ny handehananao, dia tondroy ny sarin’ilay bokikely Vaovao Tsara, asehoy an’ilay olona ilay bokikely, sokafy eo amin’izay lesona manazava bebe kokoa an’ilay foto-kevitra, ary atolory ilay bokikely. Raha raisiny ilay izy, dia manaova fotoana aminy mba handinihana an’ilay bokikely. Efa nanomboka fampianarana Baiboly sahady ianao! Raha tsy te hanolotra an’ilay bokikely ianao, dia azonao omena taratasy mivalona hafa izy, ary azonao omena fotoana indray mba handinihana an’ilay izy amin’ny manaraka.
5. Nahoana no zava-dehibe amintsika ny taratasy mivalona?
5 Efa 130 taona mahery izay no nampiasantsika taratasy mivalona. Marina fa niovaova ny habeny sy ny endriny. Fitaovana tena mandaitra mba hitoriana anefa izy ireny. Enga anie isika ka hampiasa tsara an’ireo taratasy mivalona vaovao ireo mba hampielezana ny fahamarinana maneran-tany!—Ohab. 15:7a.