Famerenana ny Sekolin’ny Fanompoana
Hodinihina amin’ny Sekolin’ny Fanompoana ireto fanontaniana ireto, ny herinandron’ny 26 Oktobra 2015.
Nahoana isika no tokony hafana fo rehefa manompo an’i Jehovah, raha jerena ny 2 Mpanjaka 13:18, 19? [7 Sept., w10 15/4 p. 26, feh. 11]
Iza no mpanjaka teo amin’ny Israely tamin’ny andron’i Jona mpaminany? Mora tamin’i Jona ve ny nanao ny fanompoany, raha jerena ny 2 Mpanjaka 14:23-25? [7 Sept., w09 1/1 p. 25, feh. 4]
Inona no mampiseho fa tsy natoky ny tenin’i Jehovah nambaran’i Isaia mpaminany i Ahaza? (2 Mpanj. 16:7) Inona ny fanontaniana tokony hoeritreretintsika rehefa handray fanapahan-kevitra lehibe? [14 Sept., w13 15/11 p. 17, feh. 5]
Inona ny hafetsena nampiasain’i Rabsake ka mety hataon’ny mpanohitra ny vahoakan’Andriamanitra koa amin’izao? (2 Mpanj. 18:22, 25) Inona anefa no hanampy ny Kristianina tsy ho voafitaka? [14 Sept., w10 15/7 p. 13, feh. 3-4]
Inona no mampiseho fa nanetry tena i Josia? (2 Mpanj. 22:19, 20) Nahoana izany no tena hanampy antsika rehefa mamaky sy mianatra Baiboly isika? [21 Sept., w00 1/3 p. 30, feh. 2]
Tena nisy tokoa ve ireo mpanjaka roa, voaresaka ao amin’ny 2 Mpanjaka 25:27-30, raha jerena ny zavatra hitan’ny mpikaroka ny any ambanin’ny tany? [28 Sept., w12 1/6 p. 5, feh. 2-3]
Inona ny zavatra telo nangatahin’i Jabeza tamin’i Jehovah, ary inona no ianarantsika avy amin’izany rehefa mivavaka? (1 Tan. 4:9, 10) [5 Okt., w10 1/10 p. 23]
Nahoana no manampy antsika amin’ny ady ara-panahy ataontsika ilay tantara ao amin’ny 1 Tantara 5:18-22? [12 Okt., w05 1/10 p. 9, feh. 7]
Inona no nanampy an’i Davida hahatakatra ny hevitra nofonosin’ny lalàn’i Jehovah momba ny ra? (1 Tan. 11:17-19) Ahoana no hanahafantsika azy? [19 Okt., w12 15/11 p. 6-7, feh. 12-14]
Inona no hadinon’i Davida rehefa namindra ny Vata misy ny fifanekena ho any Jerosalema izy? (1 Tan. 15:13) Inona no ianarantsika avy amin’izany? [26 Okt., w03 1/5 p. 10-11, feh. 11-13]