Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 26 Oktobra
HERINANDRON’NY 26 OKTOBRA
Hira 15 sy Vavaka
Fianarana Baiboly:
ia toko 1 § 1-13 (30 min.)
Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: 1 Tantara 12-15 (8 min.)
Famerenana ny Sekolin’ny Fanompoana (20 min.)
Fivoriana Momba ny Fanompoana:
Foto-kevitra ho an’ny volana: Aoka ianao “hamaka tsara” sy “tsy ho voahozongozona amin’ny finoana.”—Kol. 2:6, 7.
10 min: Zavatra Atolotra Amin’ny Novambra. Lahateny misy fiaraha-midinika. Ataovy izay hahatonga ny mpitory hafana fo rehefa manolotra taratasy mivalona sy boky Ampianarina. Resaho vetivety ny hevi-dehibe ao amin’ilay hoe “Taratasy Mivalona Amin’ny Endriny Vaovao” (km 4/14). Asio fampisehoana iray mety tsara amin’ny faritaninareo.
20 min: “Mamaky Baiboly Isan’andro ve Ianao?” Lahateny. Asio teny fampidirana fohy. Alefaso avy eo ilay tantara ara-baiboly henoina ao amin’ny jw.org hoe “Aza Kivy Raha Anarin’i Jehovah Ianao!” Lazao fa zava-dehibe ny misaintsaina ny Tenin’Andriamanitra, satria hahita toro lalana azontsika ampiharina isika amin’izay. Eo am-pamaranana, dia ampirisiho ny rehetra hampiasa tsara an’ireo tantara henoina ao amin’ny jw.org.
Hira 113 sy Vavaka