Fomba Fitory Modely
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra
“Rehefa misy firenena roa miady, dia samy mieritreritra ny andaniny sy ny ankilany hoe momba azy Andriamanitra. Araka ny hevitrao, mankasitraka ny ady ve Andriamanitra? [Avelao izy hamaly.] Resahin’ity Tilikambo Fiambenana ity hoe nahoana Andriamanitra no niady taloha, ary ahoana no hanafoanany tanteraka ny ady amin’ny hoavy.” Vakio ny Salamo 46:9, ary atolory ireo gazety.
Mifohaza! Novambra
“Olona an-tapitrisany no sahiran-tsaina satria mihatsaravelatsihy ny ankamaroan’ny fivavahana sady mampianatra zavatra diso. Raha izany no mitohy, mbola ho betsaka ihany ve ny olona tia fivavahana, araka ny hevitrao? [Avelao izy hamaly.] Resahin’ity gazety ity fa efa nilaza ny Baiboly ao amin’ny Apokalypsy hoe olona maro no hiala amin’ny fivavahan-diso ankehitriny, ary horavana tanteraka izy io amin’ny hoavy.”