Mikojakoja Efitrano Fanjakana any Soisa
Fomba Fitory Modely
NY TILIKAMBO FIAMBENANA
Fampidiran-dresaka: Anisan’ny be mpahalala ny faminaniana momba an’ireo mpitaingin-tsoavaly efatra ao amin’ny Apokalypsy. Misy matahotra an’ilay izy. Ny hafa indray te hahalala misimisy kokoa.
Andinin-teny: Ap 1:3
Atolory ilay izy: Hazavain’ity gazety ity fa vaovao tsara ho antsika ny hoe efa tanteraka ilay faminaniana momba an’ireo mpitaingin-tsoavaly efatra.
AMPIANARO NY TENA MARINA
Fanontaniana: Afaka mamantatra ny hoavy ve isika, araka ny hevitrao?
Andinin-teny: Is 46:10
Ny Tena Marina: Mampahafantatra antsika ny hoavy Andriamanitra ao amin’ny Baiboly.
TIANAO HO SAMBATRA VE NY FIANAKAVIANAO?
Fampidiran-dresaka: Mba tianay haseho anao ity video fohy ity. Momba ny fianakaviana ilay izy. [Alefaso ny video fanolorana ny bokikely Tianao ho Sambatra ve ny Fianakavianao?]
Atolory ilay izy: Azoko omena an’ilay bokikely noresahin’ilay video teo ianao, raha tianao ny hamaky azy, na atoroko anao ny fomba akana an’io bokikely io ao amin’ilay tranonkala.
MAMORÒNA FOMBA FITORY METY AMINAO
Mitadiava fanontaniana sy andinin-teny ary atolory ilay izy, toy ireo ohatra eo aloha ireo.