FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Mpitsara 3:9, 10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Rehefa niantso vonjy tamin’i Jehovah izy ireo,+ dia nisy olona nasain’i Jehovah namonjy azy ireo.+ Tsy iza izany fa i Otniela+ zanak’i Kenaza zandrin’i Kaleba. 10 Ary niasa tamin’i Otniela ny fanahin’i Jehovah,+ ka lasa mpitsara teo amin’ny Israely izy. Rehefa nandeha niady tamin’i Kosana-risataima mpanjakan’i Mezopotamia* izy, dia nataon’i Jehovah nandresy.

  • Mpitsara 11:29
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 29 Dia niasa tamin’i Jefta ny fanahin’i Jehovah,+ ka nandalo tany amin’ny faritr’i Gileada sy Manase izy mba ho any Mizpe any Gileada.+ Ary avy tany Mizpe any Gileada izy, dia nanohy ny diany ho any amin’ny Amonita.

  • Mpitsara 13:24, 25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 24 Nitera-dahy ilay vehivavy tatỳ aoriana, ka nataony hoe Samsona ny anarany.+ Nihalehibe ilay zaza, ary nitahy azy foana i Jehovah. 25 Rehefa nandeha ny fotoana, dia niasa taminy ny fanahin’i Jehovah,+ tamin’izy tany Mahane-dana,+ teo anelanelan’i Zora sy Estaola.+

  • Mpitsara 14:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Dia nanome hery azy ny fanahin’i Jehovah,+ ka nozarainy roa hoatran’ny nizara zanak’osy ilay liona, nefa tsy nisy na inona na inona teny an-tanany. Tsy noteniteneniny tamin’ny rainy sy ny reniny anefa izay nataony.

  • Mpitsara 15:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
  • Zakaria 4:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara