-
Josoa 17:11, 12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Ireto avy ny tanàna nomena an’i Manase tao amin’ny faritry ny tanin’i Isakara sy Asera: Beti-sana sy ny tanàna niankina taminy,* Ibleama+ sy ny tanàna niankina taminy, Dora+ sy ny mponina tao aminy ary ny tanàna niankina taminy, En-dora+ sy ny mponina tao aminy ary ny tanàna niankina taminy, Tanàka+ sy ny mponina tao aminy ary ny tanàna niankina taminy, ary Megido sy ny mponina tao aminy ary ny tanàna niankina taminy. An’i Manase ny telo amin’ireo faritra be havoana.
12 Tsy vitan’ny taranak’i Manase anefa ny naka an’ireo tanàna ireo ho fananany. Ary tsy nety niala tao amin’izany tany izany ny Kananita.+
-