-
Mpitsara 14:8, 9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Niverina tany i Samsona, tatỳ aoriana, mba haka an’ilay vehivavy ho any an-tranony.+ Ary nivily mba hijery ny fatin’ilay liona izy, ka nahita renitantely be dia be tao amin’ilay izy, ary efa nisy tantely koa tao. 9 Dia nakan’i Samsona ilay tantely ka nataony teo amin’ny felatanany, ary sady nandeha izy no nihinana. Rehefa tratrany ny rainy sy ny reniny, dia nomeny tamin’ilay tantely ka nihinana izy ireo. Tsy notenenin’i Samsona tamin’izy ireo anefa hoe tao amin’ny fatin’ilay liona no nakany an’ilay tantely.
-