-
2 Samoela 13:12-14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 Hoy anefa izy taminy: “Tsia, ranadahy! Aza manao izay hahafa-baraka ahy, fa tsy fanao eto amin’ny Israely izany.+ Aza manao an’izany zavatra mamoafady izany.+ 13 Ho afa-baraka amin’ny tany ama-monina aho, ka ahoana no hahazakako an’izany? Dia ianao koa hitovy amin’ireny lehilahy tsisy ilana azy eto amin’ny Israely ireny. Miresaha re amin’ny mpanjaka e! Fa hanaiky hanome ahy ho anao izy.” 14 Tsy nety nihaino azy anefa i Amnona, fa nampiasa hery taminy ka nanala baraka azy satria nanolana azy.
-