-
2 Mpanjaka 12:18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 Dia nalain’i Joasy mpanjakan’ny Joda ny fanatitra masina rehetra izay nohamasinin’ny mpanjakan’ny Joda, dia i Josafata sy Jorama ary Ahazia razambeny. Nalainy koa ny fanatitra masina natolony, sy ny volamena rehetra tao amin’ny fitehirizana zava-tsarobidy tao an-tranon’i Jehovah sy tao an-tranon’ny* mpanjaka. Dia nalefany tany amin’i Hazaela mpanjakan’i Syria+ izany. Tsy namely an’i Jerosalema indray àry i Hazaela.
-
-
2 Tantara 16:2, 3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Koa namoaka volafotsy sy volamena avy tao amin’ny fitehirizana zava-tsarobidy tao an-tranon’i Jehovah+ sy tao an-tranon’ny* mpanjaka i Asa. Dia nandefa an’ireny tany amin’i Beni-hadada mpanjakan’i Syria,+ nipetraka tao Damaskosy, izy, ka nilaza hoe: 3 “Nanao fifanarahana* izaho sy ianao, ary ny raiko sy ny rainao. Dia nampitondra volafotsy sy volamena ho anao aho. Koa foany ny fifanarahana* nifanaovanao tamin’i Basa mpanjakan’ny Israely, mba hialany eto amin’ny taniko.”
-