-
2 Mpanjaka 19:17-19Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
17 Jehovah ô, efa noravan’ireo mpanjakan’i Asyria tokoa ireo firenena sy ny taniny.+ 18 Ary nodorany ny andriamanitr’izy ireny, satria tsy andriamanitra+ fa vato aman-kazo sady asa tanan’olona+ ihany. Izany no nahatonga azy ireo ho afaka namotika an’ireny. 19 Fa mba vonjeo eo an-tanany re izahay izao, ry Jehovah Andriamanitray ô! Amin’izay dia ho fantatry ny fanjakana rehetra eto an-tany, Jehovah ô, fa ianao irery ihany no Andriamanitra.”+
-
-
2 Tantara 32:15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 Aza avela hanambaka na hamitaka anareo hoatr’izao i Hezekia!+ Aza mino azy, fa mbola tsy nisy andriamanitry ny firenena na fanjakana nahavita namonjy ny vahoakany teo am-pelatanako sy teo am-pelatanan’ny razambeko. Koa ny Andriamanitrareo indray ve no hahavita hamonjy anareo eto am-pelatanako?’”+
-