-
2 Mpanjaka 16:2, 3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Ary 20 taona i Ahaza tamin’izy lasa mpanjaka, ary nanjaka 16 taona tany Jerosalema izy. Tsy nanao izay tsara teo imason’i Jehovah Andriamaniny izy, tsy mba hoatran’i Davida razambeny.+ 3 Nanao hoatran’izay nataon’ireo mpanjakan’ny Israely+ kosa izy. Nandoro ny zanany tao anaty afo+ mihitsy aza izy, ka nanao an’ireo zava-maharikoriko fanaon’ireo firenena+ efa noroahin’i Jehovah hiala teo anatrehan’ny Israelita.
-
-
Jeremia 32:35Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
35 Nanorina an’ireo toerana avo ho an’i Bala, ao amin’ny Lohasahan’ny Taranak’i Hinoma,*+ koa izy ireo, mba handoroany ny zanany lahy sy ny zanany vavy ao anaty afo ho an’i Moleka.+ Tsy nandidy azy hanao an’izany+ anefa aho ary tsy tao an-tsaiko* akory aza ny hanao an’izany zava-maharikoriko izany, ka hoe hahatonga ny Joda hanota.’
-