-
1 Tantara 6:31Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
31 Ireto avy no notendren’i Davida hitarika ny hira tao an-tranon’i Jehovah, rehefa avy napetraka tao ilay Vata.+
-
-
1 Tantara 15:16, 17Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 Notenenin’i Davida ny mpiadidy teo amin’ny Levita mba hanendry ny rahalahiny mpihira. Nasaina nihira tamin’ny fo izy ireo, sady hampiaraka ny hirany amin’ny zavamaneno, dia zavamaneno fitendry sy harpa+ ary kipantsona.+
17 Dia notendren’ny Levita i Hemana+ zanak’i Joela. Ny avy amin’ny fokony dia i Asafa+ zanak’i Berekia. Ny avy amin’ny Merarita rahalahin’izy ireo indray dia i Etana+ zanak’i Kosaia no voatendry.
-