FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Tantara 6:31, 32
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 31 Ireto avy no notendren’i Davida hitarika ny hira tao an-tranon’i Jehovah, rehefa avy napetraka tao ilay Vata.+ 32 Niandraikitra ny hira tao amin’ny tranolay* izy ireo, mandra-panorin’i Solomona ny tranon’i Jehovah tao Jerosalema.+ Ary nanao ny fanompoany araka izay nasaina nataony izy ireo.+

  • 1 Tantara 15:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Notenenin’i Davida ny mpiadidy teo amin’ny Levita mba hanendry ny rahalahiny mpihira. Nasaina nihira tamin’ny fo izy ireo, sady hampiaraka ny hirany amin’ny zavamaneno, dia zavamaneno fitendry sy harpa+ ary kipantsona.+

  • 1 Tantara 16:37
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 37 Dia navelan’i Davida teo anoloan’ny Vata misy ny fifanekena nataon’i Jehovah i Asafa+ sy ny rahalahiny, mba hanompo foana eo anoloan’ilay Vata,+ araka ny fanao isan’andro.+

  • 1 Tantara 16:42
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 42 Niaraka tamin’izy ireo i Hemana+ sy Jedotona mba hitsoka ny trompetra sy hampaneno ny kipantsona ary hampiasa ny zavamaneno natao hiderana an’ilay* tena Andriamanitra. Teo am-bavahady kosa ny zanakalahin’i Jedotona.+

  • 1 Tantara 25:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 Ary natokan’i Davida sy ny lehiben’ny antoko-mpanompo ny sasany tamin’ny taranak’i Asafa sy Hemana ary Jedotona,+ mba hanao fanompoana ka sady haminany izy ireo no hampiasa harpa sy zavamaneno fitendry+ ary kipantsona.+ Ireto avy ireo lehilahy voatendry hanao fanompoana ireo:

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara