34 Nanao izay tsara teo imason’i Jehovah foana i Jotama, toy ny nataon’i Ozia rainy.+ 35 Tsy nesorina anefa ny toerana avo,+ ary mbola nanao sorona sy nandoro fanatitra mba hidona-tsetroka teny ihany ny vahoaka. Izy no nanorina ny vavahady ambony tamin’ny tranon’i Jehovah.+