-
1 Tantara 5:26Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
26 Nampirisihin’ilay Andriamanitry ny Israely àry i Pola mpanjakan’i Asyria,+—dia i Tilgato-pilnesera+ mpanjakan’i Asyria,—mba hanao sesitany ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase. Dia nentin’izy io nankany Hala sy Habora sy Hara ary tany amin’ny reniranon’i Gozana+ izy ireo, ka mbola any hatramin’izao.
-
-
2 Tantara 28:20, 21Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
20 Tamin’ny farany, dia nanafika azy i Tilgato-pilnesera+ mpanjakan’i Asyria, ka nampijaly azy+ fa tsy nanampy azy akory. 21 Efa nalain’i Ahaza anefa ny zava-drehetra tao an-tranon’i Jehovah sy tao an-tranon’ny* mpanjaka+ sy ny andriana, ka nataony fanomezana ho an’ny mpanjakan’i Asyria, saingy tsy nahavonjy azy izany.
-