FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Nomery 14:13-16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Hoy anefa i Mosesy tamin’i Jehovah: “Dia ho henon’ny Ejipsianina izany, nefa ianao efa nampiasa ny herinao dia namoaka an’ity vahoaka ity avy teo amin-dry zareo.+ 14 Dia horesahin-dry zareo amin’ny mponin’io tany io izany. Efa henon-dry zareo koa fa eto amin’ity vahoaka ity ianao,+ Jehovah ô, sady miseho aminy sy miresaka aminy mivantana.+ Ianao no Jehovah, ary asianao rahona eo ambonin’ny vahoakanao. Mandeha eo alohany ao anatin’ny andry rahona koa ianao rehefa antoandro, ary ao anatin’ny andry afo rehefa alina.+ 15 Koa raha indray aripakao* ity vahoaka ity, dia izao no holazain’ireo firenena efa naheno ny lazanao ireo: 16 ‘Tsy vitan’i Jehovah ny nitondra an’io vahoaka io nankany amin’ilay tany efa nianianany hoe homena azy, dia novonoiny tany an-tany efitra ry zareo.’+

  • Deoteronomia 9:27, 28
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 27 Tsarovy i Abrahama sy Isaka ary Jakoba mpanomponao.+ Marina fa mafy loha ity vahoaka ity sady ratsy fanahy sy mpanota, nefa aza izany no jerena.+ 28 Sao mantsy hiteny ny mponina ao amin’ilay tany namoahanao anay hoe: “Tsy vitan’i Jehovah ny nitondra an-dry zareo ho any amin’ilay tany nampanantenainy azy. Tena tsy tiany ry zareo matoa nalainy teto mba hovonoiny any an-tany efitra.”+

  • 1 Samoela 12:22
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 Fa tsy hahafoy ny vahoakany+ i Jehovah, noho ny amin’ny anarany be voninahitra.+ I Jehovah mihitsy mantsy no efa nifidy anareo ho vahoakany.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara